fiterahana

1. mihantazo ( 30/10/2014 07:35)
salut daoly ô! saika mba anontany hevitrareo namako ato oa za zay efa niteraka tao @ ostie anosibe sy narahani Dr José. Manaona io maternité io? vokarakara tsara v ra miteraka ao? ary ra cesarienne d manao aona? za mantsy zareo noteneniny Dr José oe atao cesarienne oun fa kely bassin ref natao n radio. merci anzay mamaly.
novalian'i endriny ny 18/06/2015 09:23
2. Fitokisana ( 03/11/2014 15:47)
Izaho manokana tsy mbola tao amin'io dokotera io. Tsara homarihiko fotsiny fa misy ny dokotera tena milaza ny marina ary misy ny dokotera manorovohina mba ahazoany vola bebe kokoa. Ra tena te ho sure tsara ianao de mandehana maka hevitra fanindroany amin'ny dokotera hafa. Io ihany no garantie azonao atokisana. Ra mahalala olona efa niteraka tao moa ianao de vao mainka tsara.

3. Andritianah ( 18/06/2015 05:45)
Miarahaba topoko, ahoana kay no atao mba ahamora ny fiterahana?
4. endriny ( 18/06/2015 09:23)

Andritianah:

Miarahaba topoko, ahoana kay no atao mba ahamora ny fiterahana?


Mila mihetsiketsika raha tsy dia sarotiny ianao... Mandehandeha (mandeha tongotra matetika) manao hetsika manatsotra hozatra... Saika hiteny aho hoe mitoto ravitoto kay moa ririnina ny andro... Fa io fihetsiky ny mpitoto vary eny ambanivohitra io no tsara mba atao ihany koa... Manaova soa e... Tongava soa na ikoto na ikala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4898