Vaovao farany: Miova filamatra ny mpino

21. toriteny ( 30/10/2014 16:47)

rhaj0:

Ny arc-en-cielo promesse de Dieu indray dia .. samy manan'ny azy io. Ny an'ny sasany dia "misy volamena" hono any @ rambony ao. Ny an'ny hafa, lalana manohy tontolo roa (ohatra eto). Fa rahefa izay no "inoanao" dia mahasoava azany.

Fa ny Ankizy kosa alongany dia hohazavaina aminy ny lafiny siantifikan'ny arc-en-ciel; dia mila hohazavaina aminy koa ny "finoana" isan-karazany @ izany.
Dia avelao ny Ankizy hilaza ny marina(ny)

Ny zanako izao mahalalal tsara ny conte Disney ohatra cendrillon. izany akory tsy midika hoe mino izy fa misy marraine la bonne fée manampy ny olona mitomany ka hoe tsisy an'izany Andriamanitra izany fa marraine la bonne fée antsoina rehefa mitomany ianao.

Mbola tsy fantany ilay chaudron d'or amin'ny arc en ciel fa izany koa akory tsy midika hoe OPTION HAMPIDIRINA amin'ny zavatra tokony hinoany ny conte du monde rehetra. tsy hitako izay maha RAD anao raha tsy hanao tri ny zavatra tsara inculquer na amin'ny zanakao.

Say ny ahy efa nanao voady sy fanekena aho tamin'izy ireo natao batisa ny hampianatra azy ireo ny fiainana ao amin'ny Tompo dia tanako hatramin'ny farany ilay izy. Sady mahafinaritra ilay manana zanaka matahotra sy mahalala an'Andriamanitra, tsy mitovy amin'ny zanaky n'izao tontolo izao mihitsy
22. toriteny ( 30/10/2014 16:48)

rhaj0:

toriteny:
Fa ny finoana tsy mitady vérité perpetuellement izany ka hoe...

Ny "anao" (irery) angamba no hotr'izany... Ny an'ireo jiosy (sasany) izao dia "mitady vérité" sy nanao "fouille" tokoany anie zareo.


mino kristianina hoa. Ny Jiosy angaha kristianina?
23. rhaj0 ( 30/10/2014 18:03)
Koa na tsy Kristiana azany ny Jiosy, f'angaha tsy "mino" ny Baiboly (tt) koa zareo ? Ataok'ity samy taranak'i Abrahama ny K sy ny J ? h@ Moslimo azany.. sa tsy izy koa ireo?? Dadany be anie izany "fanilihanareo" ny hafa izany, nefa avy eo, priatinareo (an'eritreritra) ho araka ny anareo ny fiainan'ireo olona ireo (any an-koatra) e.... (giravy ho'a ny egocentrisme -nombril du monde - nareo e...)

Ary i Obama na ny toatoa azy indray azany e ? Ny azy izao dia hoe, raha ny fahazoako azy ho'a, ny "finoanao" dia "inspiration" fa kosa rahefa resahina @ fiaraha-monina, dia arahina/amafisina/azavaina @ siansa/sosiolozia/psikolozia sy traikefa ary soatoavina sy ny zo aman-dalana ankehitrio (fa TSY ao anaty Baiboly)..
24. gasy1zay ( 30/10/2014 18:57)
rhaj0 > tsy niteny mihintsy aho hoe mifanohitra ny science sy ny finoana fa ny tiko ambara dia tsy ny science mihintsy no ahafahanao hitady na hanaporofo ny fisian'Andriamanitra fa ny finoana.

Voalaza ao @ baiboly fa Andriamanitra dia afaka manome fahalalana sy fahendrena ny olona, midika izany fa tsy contre ny fahalalana mihintsy Andriamanitra.

"Ary ny Finoana dia TSY ilaina hanamarina ny Siansa" d'accord @ zany mintsy aho ary tsy hitako hoe inona moa ny intérêt ny mpino hanao izany, ny scientifique izay "sceptique" no miezaka mampiasa ny fahaizany hitsapana ny tena ao ambadiky ny finoana, mitady hoe aona marina izao Andriamanitra maharesy lahatra olona @ milliard zao.
25. rhaj0 ( 30/10/2014 20:12)
Eny. Ny Kristiana, na i Gasy1zay na ny Katolika notaterinao teo, na ry televanjelistra (sasany) andrarezina be ao zamerika ao sns.. dia roboka mafy ao @ ity hoe "science mihintsy no ahafahanao hitady na hanaporofo ny fisian'Andriamanitra"...

Fa "pseudo-science" no filazan'ny Siantista ity ataon-dreo ity :
a claim, belief or practice which is falsely presented as scientific, but does not adhere to a valid scientific method, lacks supporting scientific evidence or plausibility, cannot be reliably tested, or otherwise lacks scientific status.


Dia mamorona "theorie" be mihintsy moa zareo mpivavakabe bekintana ao io, ary ataony hoe "intelligent design" hono ny fanazavana izao tontolo izao. Manam-bola tokoany zareo, ary dia be kiry bontolo @ anamarinany ny "finoany" ao, ary dia mampiasa "siansa" hono izy @ izany.


Fa dia ny iafarany moa dia arak'io fantsin'i Robertson io foana ihany e... Ny "honneteté" an'i Pat Robertson manongotsongo azy...

"Pat Robertson to Ken Ham: 'Let's Be Real, Let's Not Make a Joke of Ourselves'
"Soyons réalistes, ne faisons pas une plaisanterie de nous-mêmes."

Loharano: http://www.christianpost.com/news/pat-robertson-to-ken-ham-lets-be-real-lets-not-make-a-joke-of-ourselves-114063/


Ny tsikaritro, dia araka ny fahitan'ny mpandinika, dia (manomboka) mihatakataka @ io "pseudo-science" io koa ny Papa Fransoa... ( Ny "honneteté" an'i Papa Fransoa manongotsongo azy)... Fa raha ny fahitako azy, dia mbola fanina izy, azony mbola te-hanao spin mba ampamety ny baolina fahiny, sy mba tsy ho palan'i Curie mafy ao koa, nefany izy ihany no mi-spin manafanina ny tenany ao... f'angaha tsy "fun" ity fiainana ity ee.... :)

26. toriteny ( 31/10/2014 04:35)
rhaj0:

Koa na tsy Kristiana azany ny Jiosy, f'angaha tsy "mino" ny Baiboly (tt) koa zareo ? Ataok'ity samy taranak'i Abrahama ny K sy ny J ? h@ Moslimo azany.. sa tsy izy koa ireo??


tsy nisy olona mino izany tany amin'ny Testamenta Taloha ary tsy mpino ny Musulman. Ny finoana anie omena ny olona amin'ny fandraisana an'i Jesosy irery ihany eo amin'ny fiainany e. Any amin'ny Testamenta vaovao vao misy finoana fa tsy hahita foie any amin'ny TT izany ianao satria ny finoana dia raisina amin'ny fanekenao ny fanavotana nataon'i Kristy anao teo amin'ny hazo fijaliana ka nitsangananay tamin'ny maty sy hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay.

Ataon''ny Jiosy taloha ahoana ny hino nefa Jesosy aza mbola tsy tonga sy maty sy nitsangana akory tamin'izany. Ataon'ny Jiosy ankehitriny ahoana no hino nefa izy ireo aza tsy manaiky an'i Jesosy ho Messia ary tsy manaiky ny fisian'ny Testamenta vaovao akory . Torak'izany koa ny Musulman, ny Témoin de Jéhovah sy izay tsy mino fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy"

Ny atao hoe mino dia izay manaiky sy mihaina iny amin'ny fanekem-pinoana tononina any am-piangonana isak'alahady iny. Na aleo ataoko eto mihitsy:
Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.(Fa tsy mijanona eo toy ny an'ny Jiosy)
Ary mino an’ i Jesosy Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.
Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka , ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay . Amena

rhaj0:
Dadany be anie izany "fanilihanareo" ny hafa izany, nefa avy eo, priatinareo (an'eritreritra) ho araka ny anareo ny fiainan'ireo olona ireo (any an-koatra) e.... (giravy ho'a ny egocentrisme -nombril du monde - nareo e...)

tsy izahay no manilika ny hafa fa ny hafa no manilika anay
Jao15:19:"Raha naman'izao [Gr . avy amin'] tontolo izao ianareo , dia ho tia ny azy izao tontolo izao ; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo , fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao , dia halan'izao tontolo izao ianareo ."
Jao17:14:"Efa nomeko azy ny teninao ; ary halan'izao tontolo izao izy , satria tsy naman'izao tontolo izao , tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao ."


Ilay izy anie tsotra Rhaj0 e. TSY MISY, TSY MISY ARY TSY MISY hahazoanao finoana, famonjena afa tsy bny fandraisana an'i Jesosy Kristy irery ihany eo amin'ny fiainana. tsy mino ny mijanona eo amin'ny TT taloha fotsiny ihany fa tsy miroso amin'ny TV, tsy mino izay milaza fa prophète ihany Jesosy, tsy mino izay MANAIKY AMIN4NY MOLONY IHANY fa tsy manana Azy eo amin'ny fiainana.


rhaj0:
Ary i Obama na ny toatoa azy indray azany e ? Ny azy izao dia hoe, raha ny fahazoako azy ho'a, ny "finoanao" dia "inspiration" fa kosa rahefa resahina @ fiaraha-monina, dia arahina/amafisina/azavaina @ siansa/sosiolozia/psikolozia sy traikefa ary soatoavina sy ny zo aman-dalana ankehitrio (fa TSY ao anaty Baiboly)..

dia ahoana izay ny hevitr'i Obama dia hanaraka koa ianao? tsy azo hovana en théorie hafa ny ao anaty baiboly fa na tendro-tsoratra iray aza, na point iray aza mandra-pihaviny dia marina foana. fa tsy hoe izao indray ny lamaody (homosexualité)dia hovana ny baiboly manaraka toe-trandro (lasa tian'Andriamanitra ny firaisan'ny lahy samy lahy). Tsy mpanara-dia an'i Kristy izay mitsipaka sy tsy manaraka ny Soratra rehetra voalaza ao satria ny Soratra ao dia i Kristy mihitsy
27. endriny ( 31/10/2014 05:39)
Ity filazana nataon'ingahy Fransoa ity dia midika zava-dehibe eo amin'ny finoana tokoa, satria midika izany fa:

1) tsy marina ary tena angano tokoa ny genesis.
2) tsy nisy ilay hoe naka fotaka Atra dia novolavolainy ho olona ary nomeny fofon'aina dia velona.
28. toriteny ( 31/10/2014 07:33)

endriny:

Ity filazana nataon'ingahy Fransoa ity dia midika zava-dehibe eo amin'ny finoana tokoa, satria midika izany fa:

1) tsy marina ary tena angano tokoa ny genesis.
2) tsy nisy ilay hoe naka fotaka Atra dia novolavolainy ho olona ary nomeny fofon'aina dia velona.



Ka izay no zavatra noteneniko hoe raha vao olona no mandà ny Teny ao amin'ny Baiboly dia mandà an'i Kristy ary tsy an'i Kristy satria Kristy no Teny namoronana izao tontolo izao (Jao1:1). Dia miheritrereta ihany ianareo Katolika raha izany.
29. rhaj0 ( 31/10/2014 10:55)

endriny:

Ity filazana nataon'ingahy Fransoa ity dia midika zava-dehibe eo amin'ny finoana tokoa, satria midika izany fa:

1) tsy marina ary tena angano tokoa ny genesis.
2) tsy nisy ilay hoe naka fotaka Atra dia novolavolainy ho olona ary nomeny fofon'aina dia velona.

Ny ahy izao ny zanako nitantarako tantara isan-karazany "noforonin'ny olombelona" ny @ hoe ahoana no "niforonan'ny olombelona"... h@ madame Eve ka h@ ireo feno eraky ny internet ireo. Fa ny tiany indrindra, ary faly ery izy mamerimberina azy, dia ilay hoe :

Tany an-danitra daholo hono raolona taloha, mifaly avanja sy mifaly e.... Dia ao @ rahona ao, hono, misy lavaka kely iray ahafahana midina ety an-tany (dia miverina)... fa in-1 mandeha hono, i Katavy koa mba te-hidina, ka tsy omby @ ilay lavaka nefany nikiry hidina, ary dia rovitra ilay lavaka, ary dia nigorodana nikodia latsaka tety an-tany daholo raolombelona...
30. rhaj0 ( 31/10/2014 13:20)
Toa tantara kristiana angamba izany io notantaraiko io ambony io f'izaho koa no tsy nanadihady tsara... hitako teto @ serasera teto fa hoe :
Akory ity hianao no potraka avy any an-danitra...!” (Isaia 14, 12-15)
31. gasy1zay ( 31/10/2014 13:47)

rhaj0:

Koa na tsy Kristiana azany ny Jiosy, f'angaha tsy "mino" ny Baiboly (tt) koa zareo ? Ataok'ity samy taranak'i Abrahama ny K sy ny J ? h@ Moslimo azany.. sa tsy izy koa ireo?? Dadany be anie izany "fanilihanareo" ny hafa izany, nefa avy eo, priatinareo (an'eritreritra) ho araka ny anareo ny fiainan'ireo olona ireo (any an-koatra) e.... (giravy ho'a ny egocentrisme -nombril du monde - nareo e...)

Ary i Obama na ny toatoa azy indray azany e ? Ny azy izao dia hoe, raha ny fahazoako azy ho'a, ny "finoanao" dia "inspiration" fa kosa rahefa resahina @ fiaraha-monina, dia arahina/amafisina/azavaina @ siansa/sosiolozia/psikolozia sy traikefa ary soatoavina sy ny zo aman-dalana ankehitrio (fa TSY ao anaty Baiboly)..


Raha io fanazavana momba "inspiration" io no eritreretinao hoe tokony ho izy dia ny Andriamanitra ho avoakany eo dia Andriamanitra noforonin'ny imagination an'olombelona satria namboarina araky ny filany (besoins) sy araky ny soatoaviny (valeur) ary araky ny fahalalany (science-connaissance-etc...)ka ohatrany mamitatena ihany ianao raha mieritreritra hoe misy Andriamanitra mifanaraka @ izay "inspiration" nao eo ary io hevitra io no mahatonga ireny secte ireny satria ny olona mamorona fivavahana mifanaraka @ eritreritreriny sy heveriny fa mety: ohatra fotsiny izao ianao mihevitra hoe mety ny fanambadian'ny L+L, tsy mety @ fivavahana kristianina sy silamo anefa zany, ianao mahita hoe tsy tokony hisy afobe sy helo dia amboarinao @ izay ilay "inspiration"nao ka farany dia tsy hifanaraka velively @ Andriamanitra misy mintsy ilay Andriamanitra eritreretinao fa tokony hisy satria mbola hevitr'olombelona fotsiny ilay "inspiration" na manampahaizana toy inona aza ilay olona.

Ka raha hoy ianao hoe mahavonjy anao ny Andriamanitra ivavahanao araky ny "inspiration"nao dia mahaleova mahalasana fa isika tsy tompon'ny fitsarana farany, fa ny Andriamanitra ijoronay vavolombelona fa tena Andriamanitra velona aloha dia ilay Jesoa Kristy , ilay Andriamanitra ray sy Zanaka ary Fanahy Masina voalazan'ny Baiboly, ary mahatoa zay resy lahatra @ fisiany sy ny heriny dia tsy hoe fanantenana ny fandovana ny lanitra fotsiny fa efa tena nahatsiaro fiadanana sy fitahiana izahay teo @ fiainanay. Ho famaranana dia ity misy teny tao @ baiboly Galatiana I:8-9 :"Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [Na: manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona [Gr. anatema] izy.
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona
"
Ny olona tsy manampinoana na mbola en phase de questionnement no miozongozona ny finoany araky ny fiovanjavatra, fa rehefa tena miaraka @ Tompo ianao tsy ahoanao izay lazain'ny olona na dia olompiangonana toy ny Papa aza.
32. rhaj0 ( 31/10/2014 14:36)
gasy1zay:
... tsy hifanaraka velively @ Andriamanitra misy mintsy ilay Andriamanitra eritreretinao...

Ahitsiko kely araka ny fahitako azy :
Tsy hifanaraka velively @ A.tra "eritreretinao" mihintsy ilay A.tra "eritreretin'ny hafa".

gasy1zay:
Ka raha hoy ianao hoe mahavonjy anao ny Andriamanitra ivavahanao araky ny "inspiration"nao dia mahaleova mahalasana fa isika tsy tompon'ny fitsarana farany...

Raha toa anao koa ho'a ny Kristiana rehetra dia mety ho manja ihany ity tany ity. "mahaleova mahalasana". Fa saingy ny zava-misy dia Kristiana (sasany) mambosibosika, manilikilika, manakatsakana, manazinona ny (finoan'ny) hafa, mi-culpabiliser lava... no misy.


gasy1zay:
.. tsy ahoanao izay lazain'ny olona...

Ny ataonao na inoanao ao angaha moa tsy zavatra no-"lazain'ny olona" ? Izany hoe, ny "anao" ihany no "tena izy" fa ny an'ny hafa tsy izy ? Decu indray aho fa kay mbola raiki-tapisaka ihany ho'a ilay egocentrisme-nombril du monde e...
33. toriteny ( 31/10/2014 15:01)
rhaj0:

Ny ahy izao ny zanako nitantarako tantara isan-karazany "noforonin'ny olombelona" ny @ hoe ahoana no "niforonan'ny olombelona"... h@ madame Eve ka h@ ireo feno eraky ny internet ireo. Fa ny tiany indrindra, ary faly ery izy mamerimberina azy, dia ilay hoe :


Asa na efa renao ito tantara ito fa nisy professeur université nampianatra tamin'ny mpianany ny zavatra essentiel tany ivelany tany. Nitondra tavoangy izy tamin'izany ka nofenoiny vatokely ilay tavoangy mandra-pahafenony eo amin'ny vavany. Dia hoy ilay professeur hoe mbola homby ve io tavoangy io raha asiako ito fasika 1 vera ito? Dia tsy omby hoy ny mpianany satria efa feno be hatramin'ny vavany ilay tavoangy. Nefa rehefa nararak'ilay professeur tao anaty tavoangy ilay fasika dia nikoriana tao anelanelan'ilay vatokely dia mbola tafiditra hatrany ambany. Ary ito rano 1 verra ito hoy ilay professeur? Tsy omby hoy ny ankizy sady nihaotra ihany namaly. Nataony tao anatin'ilay tavoahangy ilay rano ary mbola omby.

Ny morale tian'ilay professeur hampitaina dia hoe raha zavatra futilité (rano, fasika)no hamenoanao ny fiainana(tavoahangy) dia tsy hanana fotoana intsony ianao ho an'ny zavatra important (vato) raha ny important no ataonao farany.

Dia ampifandraisiko aminao amin'izay ilay histoire. izany ve no zavatra important tinao inculquer na zanakao? Contes be dia be? Misy Teny ao amin'ny 1kor13: 8 manao hoe:"fa raha ny faminaniana dia ho levona ; na ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra ; na ny fahalalana dia ho foana ...." Dia zavatra ho foana sy incomplet ve no hampianaranao ny zanakao?

Za tsy miteny hoe aza omena fahalalana izy fa ny baiboly aza miteny hoe "Ringana ny oloko noho ny tsy fahampian'ny fahalalàna"Hos4:6 fa tokony ilay rano sy fasika ny fahalalana fa tsy ilay vatokely

Farany fa lava be,omeko anao ito Teny ito"Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza , ka na rehefa antitra aza izy , dia tsy hiala amin'izany."Oh22:6

rhaj0:

Toa tantara kristiana angamba izany io notantaraiko io ambony io f'izaho koa no tsy nanadihady tsara... hitako teto @ serasera teto fa hoe :
Akory ity hianao no potraka avy any an-danitra...!” (Isaia 14, 12-15)

Mety tsy fantatrao angamba fa tantaran'ny nandroasana an'i Satana avy tany an-danitra ka natsingidina tety an-tany anie io zao amin'ny Isa 14:12-15 io e. Fa tsy misy hidirany amin'ny conte niatomboan'ny olombelona fa mitory sy mitantara an'i Satan ianao.
34. rhaj0 ( 31/10/2014 15:14)
Ny @ Katavy nandrovitra ny lanitra ka nahatonga antsika mianakavy nigorodana aty an-tany aloha, dia iny no tian-janako indrindra, ary hainy tsianjery (tsy "nozariko" t@ izay akoriny izy) : la verite sort de la bouche des enfants :)

Fa dia samy manana ny fitaizany an-janany marina aloha e... ho lava ny resako @ io (azony izaho koa manana fiofanana ho mpampianatra) fa dia .. mila anokafana lohahevitra ary anokanana fotoana betsaka..
35. gasy1zay ( 31/10/2014 15:34)

rhaj0:


gasy1zay:
.. tsy ahoanao izay lazain'ny olona...

Ny ataonao na inoanao ao angaha moa tsy zavatra no-"lazain'ny olona" ? Izany hoe, ny "anao" ihany no "tena izy" fa ny an'ny hafa tsy izy ? Decu indray aho fa kay mbola raiki-tapisaka ihany ho'a ilay egocentrisme-nombril du monde e...


Efa tsapanao ve zany ny fitahian'Andriamanitra anao teo @ fiainanao, raha tonga eo @ toerana misy anao io ianao izao dia resy lahatra tanteraka ve ianao fa ilay Andriamanitra eritreretinao fa izy no nahatonga izany? Raha mahatsiaro miadana ianao na sambatra dia mino ve ianao fa ilay Andriamanitra eritreretinao no mahatonga izany? Raha manana olana ianao dia mino ve ianao fa hain'ilay Andriamanitra eritreretinao ny manasitrana anao? Mino ve ianao fa io vadinao io dia ilay Andriamanitra no nanamboatra azy ho anao fa tsy "destin" na "chance" na compatibilité astrologique? Mino ve ianao fa io Andriamanitra eritreretinao io dia efa manomana toerana handraisana anao rehefa miala eto an-tany ianao ary aminao tsy misy atahorana izany fahafatesana izany satria efa mino ianao fa handova ny fiainana mandrakizay any @ toerana tsara lavitra noho ny eritreretin'olombelona. Mino ve ianao fa ilay Andriamanitra ivavahanao dia vonona hitondra ny mavesatra rehetra eo @ fiananao na inona izany na inona rehefa mahatoky azy ianao.

Ireo ry rhaj0 dia pitsopitsony ny tsapako teo @ fiainako sy ny hinoko t@ nanaraka an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy, raha mahavita an'ireo ny science na Andriamanitra hafa dia zay vao afaka hienvisager questionnement aho, satria na olombelona aza no nanoratra ny baiboly, ny vokany teo @ fiainako dia tena azoko tsapaina tanana ary ny fiadanana ato ampoko tsy "fake" fa tena hianako @ za manoratra aminao izao. Tena adala aho raha manary zavatra tsy voavidy vola toy izany.

36. toriteny ( 31/10/2014 15:39)

rhaj0:

Ny @ Katavy nandrovitra ny lanitra ka nahatonga antsika mianakavy nigorodana aty an-tany aloha, dia iny no tian-janako indrindra, ary hainy tsianjery (tsy "nozariko" t@ izay akoriny izy) : la verite sort de la bouche des enfants :)


Ka isiaka tsy nipetraka tany an-danitra aloha dia niaraka natsingidina tamin'ny satana fa vakio tsara io Isaia14 io
37. rhaj0 ( 31/10/2014 16:31)
Rehefa izay no "inoanao" dia izay izany. Dia rahefa izay "inoanao" izay no mahasambatra anao dia izay izany : mahasoava.

Fa tsy voatery ho toa anao ny hafa. Et reciproquement. Revy samy manan'ny azy.
38. Nehemiah ( 01/11/2014 06:05)
http://creation.com/francis
39. voromailala ( 04/11/2014 10:53)
Inty izany misy rohy mamintina ny fijerin'ny fiangonana hatramin'ny voalohany ny resaka Evolution.

Position de l'Église catholique sur la théorie de l'évolution


40. endriny ( 05/11/2014 05:22)

toriteny:

raha vao olona no mandà ny Teny ao amin'ny Baiboly dia mandà an'i Kristy ary tsy an'i Kristy satria Kristy no Teny namoronana izao tontolo izao (Jao1:1). Dia miheritrereta ihany ianareo Katolika raha izany.


Ilay baiboly hatraiza aloha io? Fa ny fahitako azy tsy ny Katolika irery no mandà na nandà ny tenin'ny baiboly fa ireo rehetra milaza fa Kristianina. Satria tonga dia nandà ny filazana tany amin'ny testamenta taloha izy, ka milaza fa misy fifanekena vaovao... Kanefa Atra dia tsy miova mandrakizay ary mitana ny teniny...

Ankehitriny izao dia toa ny fiangonana Katolika sisa no milaza fa fahotana ny manala zaza sy ny fanambadian'ny mitovy tavo (homosexual). Fa ny sisan'izay e eee adinony hono ilay sodoma sy gomora

Adinony ilay hoe raha vao notoritorinina ianao dia efa omen'Atra lahatra sy lalan-kizorana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3332