You are here: home > Forum

Fanatsaràna ny takelaka tononkira

Lohahevitra : Momba ny serasera.org
Fitohizan'ny hafatra : Fanatsaràna ny takelaka tononkira
Valiny : 2
hery - 22/10/2014 00:18
Manatsara tsikelikely ny takelaka tsirairay aho. Ny takelaka http://tononkira.serasera.org indray izao no vita. Io takelaka io no anisan'ny tranainy indrindra eto amin'ny serasera satria tamin'ny taona 2001 tany dia efa nisy.
Ny tanjona tamin'ity fanatsaràna ity dia ny hahafahana mampiasa finday tanteraka. Tsy tokony hanahirana intsony ny mijery ny tononkira rehefa misy internet.

Raha tsiahivina kely dia toa izao ny Takelaka tononkira tamin'ny taona 2001

http://forum.serasera.org/media/images/m/dcad0ba45784c359c943c995bd448002.jpg
Valio | Miverina eny ambony
hery - 24/10/2014 22:27
Vitavita daholo amin'izay indray aloha ny tononkira.serasera.org.

Tsy kasihina indray io raha tsy any aoriandriana fa hiditra amin'ny site manaraka.

Inona ny zavatra niova?

- Ny endrika izay afaka jerena amin'ny finday.
- Ny Sary famantarana ihany koa novaina, dia ny loko ankapobeny sy ny sary temitra
- Eo amin'ny endrika ihany dia natao mibahana kokoa ny tononkira vao tonga ary misy sarin'ny mpihira
- Ny lisitry ny hira dia azo alahatra araka ny lohateny, tsindrina fotsiny eo amin'ilay hoe Lohateny dia milahatra araka ny lohateny misonga na mijotso ny hira
- Toa izany koa ny lisitry ny mpihira, azo alahatra araka ny anarana sy ny isan'ny hira.
- Nasiana fametrahana hevitra koa ny tononkira. Teo aloha dia ny mpihira ihany no afaka nametrahana hevitra.

Valio | Miverina eny ambony
mpisotrtoaka - 17/06/2015 16:18
Milay e !
Valio | Miverina eny ambony