Nahoana....

81. Fiffi ( 16/10/2014 19:19)

gasy1zay:


Asa raha tadidinao i Jesoa nanontany ny mpianany hoe : hatr@ zay niarahako taminareo, moa misy zavatra nampahory anareo va? dia hoy ny mpianany namaly hoe "tsia", ireo mpianatra ireo nanaraka azy tsy niasa, tsy nanana fidirambola, fa nandritry ny 3 taona tsy mba nanana problème izany, tsy mba niasa saina, tsy nisy narary sns... Izany no ilay miaraka @ Jesoa Kristy .


fa tsy mitovy lé izy koh....

hihihihi , ireo disciples an'Jesoa tsy mitovy am tsika koh ....sady efa niova be ny fiainana ...

marina fa wé rehefa manara diha ny Tompo dé maivana dé maivana ny oloana mahazo...noho ny finoana sy fivavahana....saingy toa ohatran'wé tsy misy hitovizany mintsy am lé fiainan'disciples sy isika am zao fotoana zao....

sa zah no diso ?
82. Fiffi ( 16/10/2014 19:23)

gasy1zay:


Ny fametrahana ny olana @ Andriamanitra dia tsy hoe mba ho zaka ilay entamavesatra fa dia tena izy mintsy no mitondra azy 100% ianao izany miandry izay hitondrany anao fotsiny dia mino sy matoky ny fintantanany ary mivavaka mba tsy ho voavilivilin'i satana.



oki....azoko 100% ny tianao lazaina.
83. rhaj0 ( 16/10/2014 19:28)
... tena izy mintsy no mitondra azy 100%...

Dia tena "batainy" tao ve, ilay entamavesatra ANAO ?

Io izao ilay resako in-1 mandeha t@ Tefigasy tatsy hoe :
"egocentrique" i Tefigasy... izy vory saina sy vory nofo, nefa ny (zaza menavava) hafa "very fanahy mbola velona" ary maty mitsitra etsy sy eroa akoriny aza, fa na izany aza dia be talaho be zizo any Aminy i Tefigasy mba ho "tsaboina sy vonjena" hono.
84. Fiffi ( 17/10/2014 12:22)

rhaj0:


Dia tena "batainy" tao ve, ilay entamavesatra ANAO ?


Come unto me, all ye that labour and are heavy laden, and I will give you rest.
85. toriteny ( 18/10/2014 05:41)
Fiffi :
"nefa ohatrany logique ihany anié lé tonga dé miheritreritra zay hiafaràna devant la tentation eh.....
devant les si..si...si...io , manque de confiance ohatra....atao sa tsy atao....inona re no hiafarako raha manao an'zao zah eh ? au lieu de suite atao ao an-tsaina wé tsy mety na tsy azo atao dé ajanona eo ?


Nisy zavatra notenenin'i Tefigasy izay teto mifandray amin'io hoe:Inona hoy izy no tokony hanjaka eo amin'ny fiainam-panambadiana sy hahatonga anao hanambady? Ny fahatahoranao hisaraka amin'ny vadinao ve (matahotra foana izany ianao hoe so dia hisarahan'ny vadiko aho fa aleo izy karakaraiko, hotiaviko), ny ho antitra seule ve(raha izay dia mety ny hoe andeha hanambady izay premier venu eo za fa j'ai passé l'âge de me marier sao dia lasa vieille fille eo), ny hanananao confort de vie ve (dia na olona tsy tiako aza ny vadiko tsy maninona rehefa manana vola be izy). SA Fitiavana no mahatonga anao hanambady sy hijanona amin'ny vadinao? Dia torak'izay ihany koa ny fiarahana amin'Andriamanitra.

Fiffi :
"I Simon-Pierre izay disciple an'Jésus aza tsy sahy no sady natahotra....maika ny olombelona...? (olombelona koh izy fa tsy aiko ny manazava azy)ohatran'lé wé tsy mino raha tsy mahita.......

Phrase fitenin'i Jesosy matetika io ao anaty TV. Niteny izany tamin'i Petera Izy rehefa ni se douter Petera, niteny izany koa Izy tamin'ny mpianany niondrana an-tsambo ka sandran'ny tafiotra ary niteny izany Izy tamin'ny mpianany tsy nanan-kohanina tao an-tsambo ihany fa andro hafa. SAINGY ny tsara tsoahina hatrany amin'ireny Teniny ireny tsy hoe ianareo kely finoana loatr ka ho-incapable foana . Fa amiko ny tena tiany hiaviana dia ny hoe, na dia mafy aza ny onjan-drano, na dia mafy aza ny hanohanana ka tena mandifotra anao izany. Mety miezaka amin'ny herin'ny tenanao ianao nefa tsy misy vokany. Antsoy Jeso fa Izy mahay ny zavatra rehetra. Ohatran'izany ohatra rehefa mijoro vavolombelona. Tsy ny ditrany sy ny nahasolafaka an'ilay olona mijoro vavolombelona akory no tokony hi-focaliser na fa ilay namonjen' i Jesosy azy.

Hoy ianao hoe Petera aza tsy nisy finoana maika fa izaho ity . Misy Teny manao toy izao ao amin'ny Jao14:12 ary tiako ito no ataonao ao an-tsaina fa tsy ny exploit na ny faiblesse ny olona. " Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy , satria Izaho mankany amin'ny Ray ."

Ary sambatra kokoa izay mino nefa tsy nahita (Jao 20:29)

Fiffi :

saingy toa ohatran'wé tsy misy hitovizany mintsy am lé fiainan'disciples sy isika am zao fotoana zao....

ary mbola hiasarotra noho ny fiainantsika amin'izao ny fiainan'ny olona dans 10,20,50 ans indrindra fa rehefa ho tonga ny andro fampahoriana alohan'ny fahatongavan'ny Tompo. fa ny promesse nataony mipetraka ihany ary na dia miova aza izao tontolo izao, Izy tsy miova izany.

Rhajo :

"egocentrique" i Tefigasy... izy vory saina sy vory nofo, nefa ny (zaza menavava) hafa "very fanahy mbola velona" ary maty mitsitra etsy sy eroa akoriny aza, fa na izany aza dia be talaho be zizo any Aminy i Tefigasy mba ho "tsaboina sy vonjena" hono.

Inona no tena problème nao?
86. Fiffi ( 18/10/2014 05:59)

toriteny:


SA Fitiavana no mahatonga anao hanambady sy hijanona amin'ny vadinao? Dia torak'izay ihany koa ny fiarahana amin'Andriamanitra.



Ary sambatra kokoa izay mino nefa tsy nahita (Jao 20:29)



heu....mino zah fa fitiavana kosa no nahatonga ilay fanambadiana....

na dé zany aza , personne n'est à l'abris zay zavatra mety hitranga.....

tahaka an'lé fiarahana am Andriamanitra satria tsy vitan'wé notezaina tam foi na wé juste fanajana ny ray amandreny dé tohizana lé foi fa mba ao koh ny foi-nao....niainanao...


Ary sambatra kokoa izay mino nefa tsy nahita (Jao 20:29)

.....tout à fait.....
87. toriteny ( 18/10/2014 08:33)

Fiffi:

heu....mino zah fa fitiavana kosa no nahatonga ilay fanambadiana....
na dé zany aza , personne n'est à l'abris zay zavatra mety hitranga.....


Tsy haiko na azonao ny hifandraisan'ilay fanambadiana amin'ny fanarahana ny Tompo
-Tsy manam-bady ianao mba tsy ho seule any aoriana any fa satria tianao ilay vadinao. Toy izany ihany ko tsy miaraka amin'ny Tompo ianao satria tsy te ho very any aoriana any fa satria tinao Andriamanitra. Manjary ilay "seul"no mangeja anao sy mi-motiver anao fa tsy ilay fitiavana raha tsy izay dia lasa manaonao foana. Ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe lasa hanambady premier venu ianao ny farany

-Tsy manambady koa ianao mba hanana ny ampy dia tahaka izany ihany koa tsy manara-dia ny Tompo ianao noho ny harena, ny fanasitranana, ny olana mahazo anao fa satria tinao ny vadinao ka na dia tsy manana sy misedra olana aza ny tokan-tranonareo dia mijanona aminy ianao. Na dia mahantra sy mandalo fisedrana aza ny fiainam-panahinao dia mijanona Aminy foana ianao

Somary lavalava ilay resaka toe-po hoentina hivavaka sy hanantonana an'andriamanitra raha te hiova fo fa tsy maintsy apetrako eto ihany anefa. Mbola misy verset tadiaviko izay koa ao anaty baiboly fa tsy mety hitako :)
88. Fiffi ( 18/10/2014 19:18)

toriteny:


-Tsy manambady koa ianao mba hanana ny ampy dia tahaka izany ihany koa tsy manara-dia ny Tompo ianao noho ny harena, ny fanasitranana, ny olana mahazo anao fa satria tinao ny vadinao ka na dia tsy manana sy misedra olana aza ny tokan-tranonareo dia mijanona aminy ianao. Na dia mahantra sy mandalo fisedrana aza ny fiainam-panahinao dia mijanona Aminy foana ianao



IO anié ry toriteny lé nolazaiko tery ambony wé : dé miaritra zany ? na dé wé tianao aza ny vadinao , surtout wé tsy te hisaraka am Tompo aza satria wé fahotana lé misaraka....

----Na dia mahantra sy mandalo fisedrana aza ny fiainam-panahinao dia mijanona Aminy foana ianao---- hoy ianao....

Mijanona Aminy ...oki ! saingy raha tena misy ny olana goavana ao am lé tokatrano.....TE-hijanona aminy enao nefa ny ataon'lé iray mety tsy ho tanty na dé ao aza ny finiavana te ...te...dé atao ahoana ? raha tsy tantin'ny saina , ny vatana , ny loha dé ahoana ?
89. rhaj0 ( 20/10/2014 10:33)
Rhajo :
"egocentrique" i Tefigasy... izy vory saina sy vory nofo, nefa ny (zaza menavava) hafa "very fanahy mbola velona" ary maty mitsitra etsy sy eroa akoriny aza, fa na izany aza dia be talaho be zizo any Aminy i Tefigasy mba ho "tsaboina sy vonjena" hono.
toriteny:
Inona no tena problème nao?

Mampome tsikaiky... "Izaho" indray izany no manana "problem" fa I "Tefigasy" mba "toroiko" io tsy manana.. Ny problem-ko re dia ilaozako mitana fitaratra eto e... Izaho anefa @ io mbola tsy tonga @ ilay hoe
toriteny:
Tsy azoko mihitsy hoa fa maninona ny olona no: (..)-Rehefa mba atoro hoe...

Fa izay ilay hita @ fitaratra e... Hotry ny hoe, misy olo maromaro(be) milahatra bisy, samy mavesatr'entana. Ary dia misy sasany amin-dreo hono "mino" any an'eritreriny any, na hoe araka ny ataon'ny eritreriny ao, fa dia efa "bataiNY" ny entany; ireo tsy manao toa izany kosany dia efa mitsitra etsy sy eroa fotsiny... Fa dia inona loatrany ny secret-nareo ao e... ngo ho'a dia hotrhotr'ito :)
90. gasy1zay ( 20/10/2014 13:47)
toriteny > Amiko ny fitiavantsika an'andriamanitra tsy tongatonga ho azy fa noho ny fahatsapana ny fitiavany, noho ny fahatsapana ny soa rehetra nataony teo @ ny fiainanao ary indrindra t@ fifaneraserana taminy @ alalan'ny vavaka, raha tohizako ilay fampitoviana nataonao mikasika ny fitiavana olontiana dia jereo fa misy olona tsy nitia ny vadiny tany amboalohany, izany hoe tsy nisy "coup de foudre", fa rehefa nifanerasera ela teo @ fiainana, nifankalala toetra dia nisy fitiavana teraka, fa io rehefa ela ny ela mety mbola mifankatia lavitra noho ireo vao nihaona dia nifankatia, satria ny tena fitiavana dia mitia ny 1 miaraka @ défauts sy qualités-ny,

Ny tiko hiavina dia izao: avelao aloha ny olona hifanerasera @ Andriamanitra, hahita ny fahasoavany sy ny fitiavany dia ho tonga hoazy eo ny fitiavany an'Andriamanitra, hain'Andriamanitra ny manova ilay fo vato ho fo nofo refa mifanerasera aminy ny olona iray.
91. gasy1zay ( 20/10/2014 14:15)
Fiffi > Andriamanitra mahay manova olona fa isika indraindray no mametra ny herin'Andriamanitra, izany hoe raha tsy mino isika hoe hain'Andriamanitra ny manova vady maditra, na vady mampijaly ao an-tokatrano , na mivavaka aza isika dia mety tsy hivaly izany satria voalaza hoe tongava araka ny finoanao, ny finoanao no efa nahavonjy anao, raha tena mino ianao dia hivaly ny vavakao. Tadidio fotsiny fa ny valimbavaka mety hiseho @ endriny samihafa fa dia anjaranao no manaiky ny sitrampony, fa aza matahotra anefa fa ny valimbavaka azonao ,na ho ela na ho haingana, dia izay tena mahasoa anao.
92. vahiny2004 ( 20/10/2014 14:26)

gasy1zay:

toriteny > Amiko ny fitiavantsika an'andriamanitra tsy tongatonga ho azy fa noho ny fahatsapana ny fitiavany, noho ny fahatsapana ny soa rehetra nataony teo @ ny fiainanao ary indrindra t@ fifaneraserana taminy @ alalan'ny vavaka, raha tohizako ilay fampitoviana nataonao mikasika ny fitiavana olontiana dia jereo fa misy olona tsy nitia ny vadiny tany amboalohany, izany hoe tsy nisy "coup de foudre", fa rehefa nifanerasera ela teo @ fiainana, nifankalala toetra dia nisy fitiavana teraka, fa io rehefa ela ny ela mety mbola mifankatia lavitra noho ireo vao nihaona dia nifankatia, satria ny tena fitiavana dia mitia ny 1 miaraka @ défauts sy qualités-ny,

Ny tiko hiavina dia izao: avelao aloha ny olona hifanerasera @ Andriamanitra, hahita ny fahasoavany sy ny fitiavany dia ho tonga hoazy eo ny fitiavany an'Andriamanitra, hain'Andriamanitra ny manova ilay fo vato ho fo nofo refa mifanerasera aminy ny olona iray.


Voalazanao !
93. Fiffi ( 20/10/2014 18:37)

gasy1zay:
ny valimbavaka azonao ,na ho ela na ho haingana, dia izay tena mahasoa anao.


io ve ry gasy1zay no nahatonga misy olona miteny wé "Andriamanitra tsy andrinareo , andriko foana ?
94. gasy1zay ( 20/10/2014 19:09)

Fiffi:


gasy1zay:
ny valimbavaka azonao ,na ho ela na ho haingana, dia izay tena mahasoa anao.


io ve ry gasy1zay no nahatonga misy olona miteny wé "Andriamanitra tsy andrinareo , andriko foana ?


tsy izay no tiko ambara eto fa hoe valimbavaka heverinao fa tsy mety aminao androany mety ho hitanao fa tena mahasoa anao afaka 5 na 10 taona, satria ilay Andriamanitra nametrahanao ny fiainanao mahalala ny hoavinao ary izy mahalala ny tena mahasoa anao afaka 10 -15 taona na dia tsy tsapanao aza izany izao satria ianao tsy mahalala ny hoavy , maka ohatra tsotra aho : nivavaka mafy ianao mba ho afaka fanadinana, tsy afaka nefa ianao, dia nihevitra hoe tsy nivaly ny vavaka nataonao, namerina nanala fanadinana anefa ianao 1 an après dia nahazo mention ary nahazo bourse nakany ampita , finalement valimbavaka ho anao ilay tsy afaka fanadinana satria raha afaka ianao t@ ilay voalohany mety tsy nahazo bourse nakany ampita dia niova tanteraka ny lalampiainanao . Izay ilay hoe na ho ela na ho haingana dia mahasoa anao ilay "plan" na lalana namboarin'Andriamanitra ho anao, saingy tadidio anefa fa ny tena tanjon'Andriamanitra dia ny hahatongavanao any @ fanjakany, ka raha ohatra hoe misy olona tsy manana olana eo @ fiainana dia mety tsy mazoto mivavaka dia mety fomba hitehirizan'Andriamanitra ny finoany ny olana mahazo azy eo @ fiainany, Izay ilay hoe misaora @ zava-drehetra fa na mafy aminao aza ny olana mahazo anao dia mahasoa anao io ary rehefa mahatoky ny fintantan'Andriamanitra ianao dia tsy maintsy hahita ny voninahiny.
izay fa mahereza mivavaka fa mamaly vavaka ny Tompo.
95. rhaj0 ( 20/10/2014 19:40)
Ka sao dia "valimbavaka" (taloha) azany ny maha-divorsehy? Ohatra hoe, nangataka ny hanana fiainana mba tsara, dia ny "valim-bavaka" dia io nosarahan'ilery io... Na koa hoe "valim-bavak'ilery" io seho nahalasa @ fisarahana io...

Azo ieritreretana antony toa izany koa ny maha-homosekisoaly...

Na hoe "nivavaka" ihany zareo ireo mba "hiova", fa "tsy tafaova"...


Ny tiako lazaina dia hoe, sao dia izay seho misy ao izao io azany ilay "valim-bavaka" ??

Sa rehefa mbola tsy metimety ao @ ilay itiavana azy ilay seho, dia lazaina fa TSY valim-bavaka no nisy io, hoe TSY "mbola tsy tonga ny tena valim-bavaka" ?


Mandinika ihany aho fa tena hotry ny subjectif be ilay resaka... dia atao @ izay mampetimety ny baolina ao fotsiny..
96. toriteny ( 21/10/2014 01:34)
Fiffi:
raha tsy tantin'ny saina , ny vatana , ny loha dé ahoana ?

Ka ny kristianina anie tsy mandeha amin'ny vatana, ny saina sy ny loha intsony Fiffi e. Fa efa nomena Fanahy izy ireo izay mahery noho ny volonté sy ny désirn'ny nofo. Misy Teny manao toy izao ao amin'ny Gal2:20"ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko" sy ny"Gal5:17:"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy , ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa , mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo ." Ka raha ny Fanahin'i Kristy no ao anatinao, dia io Fanahy io no mibaiko ny action anao rehetra fa tsy ianao intsony. ary io Fanahin'ny Kristy io tsy hampirisika anao mihitsy hanao izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

Rhajo :
Izaho" indray izany no manana "problem" fa I "Tefigasy" mba "toroiko" io tsy manana

tsy vis-à-vis ny resakareo sy i Tefigasy fa ny mbola problème -nao amin'ito post ito. Lazaiko fa mba efa mazava aminao ilay sujet hay tsy izay no izy

gasy1zay :
dia jereo fa misy olona tsy nitia ny vadiny tany amboalohany, izany hoe tsy nisy "coup de foudre", fa rehefa nifanerasera ela teo @ fiainana, nifankalala toetra dia nisy fitiavana teraka
Ny conversion na ny batisan'ny Fanahy hoy isiaka dia tokony coup de foudre foana. En une seconde ianao no miova olom-baovao fa tsy hoe des années za vo niova sy nahazo ny Fanahy Masina. Tsy hahita fahateraham-baobao des années izany ianao ao amin'ny baiboly.

Amiko tsy critère DECISIVE handraisana ny Fanahy MAsina ny fifaneraserana amin'Andriamanitra. Mety tsy mifanerasera kosa angamba no tianao tenenina fa mianatra mahalala Azy izay hoe mety amin'ny fivavahana any am-piangonana, fianarana ny Teniny sy mandray anjara amin'ny asa sy ny "fombafomba" ataon'ny fiangonana (anisany ny fandraisana latabatra ny Tompo). Ilay hoe miserasera amin'Andriamanitra manko , efa lié intimement Aminy, efa Azy. Sady za angamba mbola tsy niteny mihitsy teto hoe aza miditra any am-piangonana mihitsy aloha izay mbola tsy converti sy ny mpanota.Ny mifanohitra amin'izay aza no ambetin-teniko eto foana. Fa kosa zavatra efa hitanao izao ve fa HAHAFATY olona iray ny zavatra ataony dia mbola avelanao hanao ilay izy ihany izy? Hosakananao sa homenao antsy hoe iny ny antsy dia vonoy haingana ny tenanao?

Ka raha mahafaty ny fandraisana ny vatany nefa ianao mbola tsy voadio, mbola tsy Azy
akory aza dia vao maika ve ianao hamporisika hoe ataovy maraina sy antoandro mihitsy ny fihinanao mofo sy divay isan'andro amin'izay ianao maty haingana? Raha mahafaty ny fijangajangana satria ota (divorce sy homosexuel)dia vao maika ve ianao hiteny hoe ataovy foana, manambadia tsy maninona in_3 , in4 (izay efa misy any ivelany d'ailleurs) dia mijanona homosexuel foana amin'izay vetivety ny hamongoran'Andriamanitra anao?

Misy Tenin'i Jesosy ao amin'ny Jao15:15 manao hoe tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo. Marina fa izao tontolo izao no navotany sy novonjeny ary raha manantona Azy ianao tsy ho laviny mihitsy. SAINGY n'inon'inona fotoana laninao amin'ny fivavahana (hoy ny fiteniko matetika hoe na any am-piangonana mihitsy aza ianao no mipetraka) sy ny famakianao ny Tenin'Andriamanitra, rehefa tsy hiasàn'ny Fanahy Masina ianao, rehefa tsy nofidian'ny Tompo dia toy ny olon-drehetra tsy voavonjy ihany. Fa ny conversion na ny batisan'ny Fanahy na lazain'ny baiboly ihany koa hoe fahateraham-baovao irery ihany no lalana hamonjena anao sy hahazoanao ny fiainana.

ary jesosy tsy mifidy saha hifidianana ny olony izany ka hoe ny ao amin'ny saha FJKM ihany, na ny ao amin'ny katolika ihany, na hoe ao amin'ny fiangonana zandriny ihany na hoe ao amin'izay fiangonana kristianina ihany fa ny boudhiste, ny musulman,ny sinoa, sns fa tsy hoe rehefa milona ao amin'ny fivavahana kristianina IRERY ianao vao manana chance ho tonga kristianina.

Jereo fotsiny i SAoly rehefa niovan'Andriamanitra fo. Ny musulman ary angamba mbola tsy nanenjika kristianina mihoatra noho ny fanenjehan'i Paoly azy ireo tamin'izany nefa dia izy no nofidian'Andriamanitra. Fa ireny olona mpanota be ireny aza no fidiany kokoa ho fianarana ho an'ny olona noho ny efa nivavaka ela be tao am-piangonana. ary hisy olona ao am-piangonana izay tsy ho voavonjy mihitsy hatramin'ny farany nefa diakona, nefa mpampianatra sekoly alahady, nefa katekista, nefa pasitera, nefa masera, nefa mompera, nefa pape, nefa tsy tapaka miangona foana isak'alahady, nefa manao ity asa rehetra ity, nefa mahay tsianjery ny Teny ao amin'ny baiboly rehetra, nefa mpitarika olona, nefa mpiserasera eto amin'ny forum sns

Fa hisy olona anefa tsy nahalala akory ny bi sy bà ny finoana (izaho anisany tamin'izany), tsy mahalala afa tsy tsy zavatra 1 sy 2 mikasika an'Andriamanitra, mpamono vady aman-janaka, mpamono olona, mpangalatra, mpanompo sampy, misotro toaka nefa dia nokasihin'ny Tompo ny fiainany dia lasa voavonjy izy.
97. Fiffi ( 21/10/2014 06:01)

toriteny:


Ka ny kristianina anie tsy mandeha amin'ny vatana, ny saina sy ny loha intsony Fiffi e. Fa efa nomena Fanahy izy ireo izay mahery noho ny volonté sy ny désirn'ny nofo. Misy Teny manao toy izao ao amin'ny Gal2:20"ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko" sy ny"Gal5:17:"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy , ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa , mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo ." Ka raha ny Fanahin'i Kristy no ao anatinao, dia io Fanahy io no mibaiko ny action anao rehetra fa tsy ianao intsony. ary io Fanahin'ny Kristy io tsy hampirisika anao mihitsy hanao izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra.



ah an ....eto aloha dé marina dé marina io voalazanao io....

--------- Gal2:20"ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko" -----

njaso aloha fa ho vakiako ....je vais vraiment tout revoir ce verset....

toriteny:
ary hisy olona ao am-piangonana izay tsy ho voavonjy mihitsy hatramin'ny farany nefa diakona, nefa mpampianatra sekoly alahady, nefa katekista, nefa pasitera, nefa masera, nefa mompera, nefa pape, nefa tsy tapaka miangona foana isak'alahady, nefa manao ity asa rehetra ity, nefa mahay tsianjery ny Teny ao amin'ny baiboly rehetra, nefa mpitarika olona, nefa mpiserasera eto amin'ny forum sns


oula....dé ahoana njay io ? zany wé tsy ho voavonjy mintsy satria kely finoana ? na par hypocrisie ny atao rehetra ? donc aleo kosa hivavahana lé olona raha sanatria ka tena misy io....
98. Fiffi ( 21/10/2014 06:08)

gasy1zay:


anao dia mahasoa anao io ary rehefa mahatoky ny fintantan'Andriamanitra ianao dia tsy maintsy hahita ny voninahiny.
izay fa mahereza mivavaka fa mamaly vavaka ny Tompo.


mamaly vavaka marina ny Tompo....fa tokony fantatra sy hay tsara kosa lé fangatahana....

je veux dire: mahay mangataka....satria tsy zay rehetra angatahana no ahazahoana valiny...

je rigole un peu ici...hihihi ozy lé prêtre une fois...sao dé misy manantena wé hivavaka am Andriamanitra mafy aho mba ahazo gros lot am loto...hihihihi inona ozy ny hidiran'zay gros lot am fivavahanao ?

dans tous les cas....misaotra gasy1zay an !
99. Fiffi ( 21/10/2014 06:14)

rhaj0:

Ka sao dia "valimbavaka" (taloha) azany ny maha-divorsehy? Ohatra hoe, nangataka ny hanana fiainana mba tsara, dia ny "valim-bavaka" dia io nosarahan'ilery io... Na koa hoe "valim-bavak'ilery" io seho nahalasa @ fisarahana io...



ianao kosa rhajO an ! hihihihi aiza kosa no hisy an'zany ?

mino ve ianao fa tena vavaka no natao hoe Tompo ô ! ataovy zay hisarahin'vadiko amiko ?

"Il faut tout simplement savoir demander" .....

fa mino aho tsy mi-existe io lazainao io....
100. rhaj0 ( 21/10/2014 10:45)
Izao kosa alongany e... "mino" aho fa "mino" ny olona fa superpower i A.tra, ary ny seho rehetra dia "@ sitra-pony".

Mety hoe "sitra-pon'ilay maditra" koa, ka hoe "manohitra" ny Sitra-pony, fa kosa, raha izaho manokana aloha, dia "manana controle" @ izay rehetra miseho eo Izy, izany hoe mbola "sitrakany" foana izay rehetra miseho (situation) eo.

Rahefa tena TSY "sitrakany" dia ho avy Izy hanova izany.


Ka izaho manokana aloha dia "mino" fa izay divorsa izay ohatra izany, rahefa izay no mitranga, dia izay no "sitra-pony". Fa dia raha hanontany ny antony ianao, sa koa te-hanova ny seho (izay tsy @ sitra-pony izany), dia... hi hi ... ngo dia tonga @ ilay "pomme du savoir" e...

Sa hoy ianao, rahefa mahay mizizo mangataka (savoir demander?) ianao dia (mety) ampazahoany (foana) ?

An an... tsy mety @ kapoakako izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3299