Nahoana....

1. Fiffi ( 10/10/2014 12:41)
Miarahaba.....

Nihaino vaovao zah teo dia voalaza teo we ny olona nisaraka am fanambadiana dia tsy mahazo mivady indray ao am-piangonana

voalaza koh we ny olona nisaraka am fanambadiana dia tsy mahazo mandray ny fanasan'ny Tompo ?

nefa voalaza hoe:

--« Prenez, et mangez-en tous : ceci est mon corps livré pour vous. »
De même, à la fin du repas, il prit la coupe (le Saint Calice), et en rendant grâce il la bénit, et la donna à ses disciples, en disant : « Prenez, et buvez-en tous, car ceci est la coupe de mon sang, le sang de l’alliance nouvelle et éternelle qui sera versé pour vous et pour la multitude en rémission des péchés. Vous ferez cela, en mémoire de moi. »

aiza ho aiza anaty Baiboly kay no mety ahitana hoe tsy mahazo mandray ny fanasan'ny Tompo ny olona nisaraka am fanambadiana ?

satria voalaza hoe -"mangez-en tous"

-"buvez-en tous"

merci....
novalian'i Fiffi ny 04/11/2014 17:03
2. Fiffi ( 10/10/2014 12:43)
satria ohatran'mampalehelo kosa lé olona nisaraka tsy fidiny am fanambadiana dé raha any am-piangonana sy mivavaka sy mandray ny fanasan'ny Tompo no mba ahazahoany mihatrika am io fiainany sarotra be tam fisarahana io dé ahoana ?
3. hery ( 10/10/2014 13:31)
Euh, ho an'ny Fiangonana Katolika dia efa ela be mihitsy io fa tsy vao izao.

Ny olona misara-panambadiana KA manambady olona hafa na miara-mitoetra amin'olona hafa dia ao anaty fijangajangana (dans un état permanent d'adultère) koa tsy afaka mandray komonio. Ny olona ao anaty fahotana ka tsy mibebaka amin'izany fahotana izany (amin'ny alalan'ny kofesy na amin'ny alalan'ny fibebahana am-po tokoa sy fahavononana tsy hamerina intsony) dia tsy tokony mandray komonio.

Raha resaka Fiangonana Katolika dia tsy fametraka fotsiny mihitsy ny hoe "aiza ao amin'ny baiboly kay"... satria ankoatra ny Baiboly izay ny Fiangonana ihany no namaritra azy, dia misy koa ny fitsipiky ny Fiangonana sy ny lovantsofina.

Momba ilay hoe "Mangez-en tous" dia ilay olona mihitsy no tokony hahatsapa tena hoe ao anaty tokatrano-maso ka tsy tokony handray komonio.

Marihina fa raha tsy misy concubinage dia tsy voakasik'io. Izany hoe raha misaraka am-panambadiana ianao dia mipetraka irery.
4. rhaj0 ( 10/10/2014 13:35)
Io aloha dia mila mianatra ny fanahin'ny Papa Fransoa ny olona e... Hoz'izy ([http://www.bbc.com/news/world-europe-23489702]ohatra eto[/url]):
"If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge?"

Adikako globaloba... "Raha homosexoaly ny olona iray, nefa maniry mitady an'A.tra, miaraka amina fikasana sy fitiavana te-hanao ny tsara, zovy moa aho no hitsaratsara azy?"


Dia miitatra @ olona misara-panambadiana koa io, raha ny fahazoako azy... h@ ireo olona voasoketa ho "kristiana sadasada" ka h@ ireo olona tondroi-molotra ho "kristiana tsy tena izy".

ZOVY MOA IANAO NO HITSARATSARA AZY ???

5. toriteny ( 10/10/2014 13:40)
Fiffi:

satria ohatran'mampalehelo kosa lé olona nisaraka tsy fidiny am fanambadiana dé raha any am-piangonana sy mivavaka sy mandray ny fanasan'ny Tompo no mba ahazahoany mihatrika am io fiainany sarotra be tam fisarahana io dé ahoana ?

Mety ho mafimafy kely aminao ny ho valin-teniko nefa lazaiko ihany satria izay no voalazan'ny baiboly.

Misy Teny izay ao amin'ny Mar10:9 manao hoe "Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona ". Raha ny tokony ho izy sy ara-baiboly izany rehefa mivady ny olon-droa (INDRINDRA ANY AM-PIANGONANA)dia tsy tokony hisaraka raha tsy hoe mijangajanga ilay ramatoa (Mat5:32). Ny antony hafa hisarahana ankoatr'izay dia tsy manan-kery eo amin'Andriamanitra ary tsy tokony ho antony hisarahanaa amin'ny vadinao. Fa raha tsy fijangajangan'ny vehivavy ny antony, na dia efa ni-proclamer ny divorce-nareo aza ny fanjakana dia eo anatrehan'Andriamanitra mbola mpivady foana ianareo ary ilay lehihahy mampiakatra vehivavy hafa sady mijangajanga no mampijangajanga ilay vadiny voaloha nosarahiny.

Tsy haiko aloha ny fiangonana misy anao fa ny ahy fotsiny ny soucis akou dia ny fi-célébrer n'ny fiangonana ny 2eme mariage raha tsy fijangajangan'ny vehivavy ny motif nisaraham-panambadiana tamin'ny voalohany izay tsy tokony hatao mihitsy amiko satria ohatran'ny manome tso-drano ilay olona hijangajanga foana ianao sy miteny hoe ankasitrahan'Andriamanitra ny fijangajanganareo sy ny fahotanareo. Tahaka ny tsy hanekeko mihitsy sy hatramin'ny farany ny fi-célebrer na ny mariage gaie any am-piangonana.

Izaho kosa anefa tsy andeha hiteny izany mihitsy hoe aza miditra any am-piangonana ny homosexuel sy ny efa nisara-bady rehetra sy ny mpandainga rehetra sy ny mpanota rehetra satria fahotana ireo. Fa tonga hiantso ny tsy marina ny Tompo fa tsy ny efa marina. Fahotana ireny saingy izaho izay voalohany amin'ny mpanota aza ve novonjen''Andriamanitra ihany dia amin'ny fomba ahoana no tsy haniriko ny FAmonjena amin'ireo namako ireo ihany koa? Fa tena mamporisika aho hoe aza hamelana ny Tompo raha tsy azonao

Izay ny iray , ny iray hafa mikasika ny firaisana latabatra ny Tompo natokana ho an'izay efa nandray ny Tompo teo amin'ny fiainany. Tsy ny firaisana latabatra ny Tompo akory no hanome famonjena sy hanome hery anao hiantrehanao ny fiainana efa mamirifiry fa ny Tompo mihitsy. Après ny firaisana latabatra Aminy fanehoana ivelany fotsiny hoe efa voavonjy ianao. Ka na ohatra aza hoe misy olona mandrara anao tsy hiray latabatra Aminy, aza atao mahakivy izany satria tsy important loatra noho ny fandraisanao Azy eo amin'ny fiainana. Izy no tena ho Herinao fa tsy fombafomba

Jereo izao ny any amin'ny fiangonana zandriny tsy mandray mofo sy divay mahazo aim-panahy ihany. Izay dia mahereza fa tena tsy moramora ny mizaka tokan-trano nefa ny Tompo hampahery anao hatrany. Ary afaka manampy anao aho raha toa ka misy zavatra tianao hanontaniana na lalana hikatsahanao an'i Jesoa. Aza misalasala mihitsy
6. hery ( 10/10/2014 13:48)

rhaj0:


ZOVY MOA IANAO NO HITSARATSARA AZY ???



Mahazo miditra soa amantsara ao am-piangonana sy mandray anjara rehetra izy ka. Ny mandray ny fanasan'ny Tompo no tsy azony atao.

Tsy mahatsiaro voahilika mihitsy ny tena katolika amin'io fa misy lanjany ara ilay fanasan'ny Tompo amin'izay.

Izaho manokana dia tsy nandray kominio nandritra ny 2 taona satria mbola tsy vita mariazy tao am-piangonana nefa efa vita mariazy sy niara-nonina. Dia mitovy amin'ilay tokantranomaso koa dia tsy mandray. Fa na dia any amin'ny fiangonana katolika hafa tsy misy mpahalala aza aho dia tsy mandray foana satria fantatro ny état nisy ahy. Nony vita ny mariazy religieux dia tena fifaliana be ho ahy ny nandray indray.
7. rhaj0 ( 10/10/2014 13:50)
Amiko aloha dia n'inon'inona kabary atao eo, n'inon'inona versets avoaka eo, dia mbola miombo-kevitra tanteraka @ Papa Fransoa aho.. "Zovy moa aho no hitsaratsara eo?"

Zovy moa aho no hanakantsakana ny faniriana, fikasana, fitiavan'ilay olona hanantona ny Rainy?

Fa rahefa hozy izany ny fiarahamonina ao hoe, tsy mendrika izany faniriana, fikasana sy fitiavana izany, satria demonstration lavabe, dia izay izany...

Dia mihantra ilay olona voatositosika toa ny boka aho.

Ary dia asakakasak'izay nanositosika ny boka ao...
8. hery ( 10/10/2014 13:50)
Faly aho fa mba mitovy fijery amin'i toriteny :-)
9. hery ( 10/10/2014 13:53)
Ny tenanao no mitsara anao araka io voalazako io. Ianao no mahatsapa ny zavatra nataonao dia tonga saina hoe tsy mety tokoa izany.
10. rhaj0 ( 10/10/2014 14:04)

hery:
Ianao no mahatsapa ny zavatra nataonao dia tonga saina hoe tsy mety tokoa izany.

Ilay "ianao" voatondro ho mpanota sy mpijangajanga io tondroin'i Hery io, raha ny fahazoako azy.

Fa "ianao" mpijery sy olombe ao @ fiaraha-monina koa dia mba iriko "mahatsapa ny zavatra nataonao dia tonga saina hoe tsy mety tokoa izany" ... izany manakantsakana ny faniriana, fikasana ary fitiavan'ny olona izany.
11. hery ( 10/10/2014 14:15)
Ny olona mijery ivelany ihany koa anie no sahirana e :-)

Ny olona miaina ao anaty tokantranomaso dia tsy mieritreritra mihitsy ny ho afaka handray komonio satria tsy compatible tsotra izao. Mila atao fantany fotsiny fa misy zavatra betsaka azony atao ao amin'ny Fiangonana ary afaka manohy ny fiainam-panahiny ao am-piangonana foana izy.

Fantany hoe zavatra important be ho azy ilay mandray kanefa izy mbola ao anatin'ny tsy fahafahana mandray dia miezaka izy ny hiala amin'io toetra io. Izay dia efa zava-dehibe. Ho azy ihany ilay izy fa tsy ho an'ny Pape na pasitera sns.
12. rhaj0 ( 10/10/2014 14:21)
Dia tena "ivelany" marina moa aho izany.

Ka rahefa mandinika aho eto dia izay izany ny "fombafomba" ao @ Eglizy Katolika na ny Fiangonan'i Fiffi ao. Rahefa te-hirotsaka ao "ianao" dia araho ny "fombafomba" ao. Rahefa tsy te-hanaraka ny "fombafomba" ao ianao dia mandehana mahazo... n'inon'iona idealinao ao.

Ieee.. sahala @ izaho fony tanora. Nisy ekipa tena mpigoka/mpidaina, ary tena izay ilay revy. Mba niarakaraka amin-dreo aho rahefa manao raha hafa, fa rahefa migoka/midaina ny atao dia hoy aho hoe, Izaho ho'a tsy izy. Farany dia voadaka ho any "ivelany" aho e... ka tsy "manaraka ilay fombafomba" kouh...
13. hery ( 10/10/2014 14:26)
Ny ivelany teneniko dia ny olona tsy voakasik'ilay lazaina hoe fandraràna.

Ny olona izay voakasik'io "HEVERINA" hoe fandraràna io ka mahazo azy tsara dia tsy hieritreritra akory hoe fandraràna azy io fa izy mihitsy no hahita hoe tsy ampy fiezahana.
14. rhaj0 ( 10/10/2014 14:37)
Ka i Hery izany no nieritreritra hoe "tsy ampy fiezahana" ka dia tsy ni-kominio. Fa ireo homosexoaly dia mbola misisika ny mba hohamasinina ny fiainany (sy fiarahany ao). Fa io izany ilay fiaraha-monina sy ny olombe dia mbola sahala @ ilay hoe "doesn't take no for an answer" fa tena miziriziry.. Ny vokany fara-tampony (consequence ultime) dia, raha ny fahitako azy, dia "mampaory olona" izany. Asa... izay ve no tadiavin-dreo... "mampaory olona".

Fa ... mety hitsiky sy ho faly ary tsy ory daholo ihany isika reheta @ andro farany e... Izaho aloha dia mahita fa hivoatra ihany io fiziriziriana @ io "fombafomba" rigide misy izao io. Isaka ny miteny ny Papa Fransoa dia mihoraka daholo ny mpandinika hoe, tena hotsonkotsokonin'ilay rangahy ny rigidite-n'ilay Eglizy.. .cool. Jereo ohatra ny famabahana eto.
15. Fiffi ( 10/10/2014 17:23)
Misaotra tam ireo valiny nomenareo ireo...

Ny fiangonako ry "rhajO dia fiangonanana katolika...

heu....ilay dinika eto dé tsy mikasika ahy na ny fiangonako fa nanaraka vaovao zah ary tam io no nahitako olona 2 mifankatia ka nanantona pretra katolika koh io an ! dé mba nangataka hoe ho hamasinina ny fanambadiany...

dé ozy lé pretre hoe tsy afaka hanamasina ny fanambadianareo zah satria olona efa samy nisaraka tam fanambadiana ianareo

dé ozy koh we , tsy afaka mandray ny fanasan'ny Tompo koh nareo na dé pratiquants aza....satria efa nisaraka tam fanambadiana

hono satria une seule fois dans la vie no manao voady am Tompo eo anatrehan'Andriamanitra...

nefa dé lasa ny heritreritro ho dé ahoana zany ? tsy mahazo mandray ny fanasan'ny Tompo no tsy afaka manambady deux fois ao am-piangonana...

hery:
Ny olona misara-panambadiana KA manambady olona hafa na miara-mitoetra amin'olona hafa dia ao anaty fijangajangana (dans un état permanent d'adultère) koa tsy afaka mandray komonio


ay ay ay ! midika ve zany hoe anaty fijangajanga ?

heveriko wé lé olona mbola manambady ka miaraka am olona hafa no atao hoe mijangajanga hihihihi

dans un état permanent d'adultère ? nefa lé olona efa nisaraka sy vita divorce en bon et dû forme ?

donc , raha azoko tsara zany dé tsy voalaza anaty baiboly na ny momba ny fandraisana fanasin'ny Tompo , sy wé tsy mahazo mivady une deuxième fois any ampiangonana...

fa juste le règlement am fiara-monina sy règlement am église ?

toa ohatrany mijaly lé olona divorcé tsy fidiny (tsy fidiny hoy zah an) tsy afaka manohy ny fombany avant divorce-ny...
16. Fiffi ( 10/10/2014 17:35)

hery:



Raha resaka Fiangonana Katolika dia tsy fametraka fotsiny mihitsy ny hoe "aiza ao amin'ny baiboly kay"... satria ankoatra ny Baiboly izay ny Fiangonana ihany no namaritra azy, dia misy koa ny fitsipiky ny Fiangonana sy ny lovantsofina.




heu...miala tsiny fa inn aloha lé hoe "lovantsofina" ?

donc: ny fitsipiky ny Fiangonana no nahatonga an'reo wé tsy mahazo mandray sy manambady une deuxième fois any am Fiangonana...

ary maninn ny Fiangonana "Intégriste" katolika no tsy dé manaraka loatra io fitispika io ?

.....satria fantatro ihany ny fomba ny Fiangonana katolika am baptême ohatra....

je pense raha tsy diso zah an ! avant 2 ans , raha raté io 2 ans io dé miandry rehefa en cm2 ny ankizy na miandry carrément adulte....

nefa invitée tam baptême namana zah ary fiangonana intégriste no nanaovana io baptême io dé lé ankizy ny iray efa 5 ans , dé ny iray efa 8 ans...

vita soamantsara ny baptême....
17. Fiffi ( 10/10/2014 17:39)

toriteny:


Mety ho mafimafy kely aminao ny ho valin-teniko nefa lazaiko ihany satria izay no voalazan'ny baiboly.

Misy Teny izay ao amin'ny Mar10:9 manao hoe "Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona ".



heu....non , non ! tsy mafimafy ny valiteninao fa logique sady marina..

saingy ozy zah wé : ary raha toa ka tsy fidiny anazy no nahatonga an'lé olona nisaraka ?
18. hery ( 10/10/2014 21:33)
Tsy azoko indray ilay resaka batemy. Mety tsy misy hifandraisany.

Momba ilay hoe tsy fidiny dia possible tsara. Raha toa izy arian'ny vadiny vokatry ny tsy fidiny ka tsy manambady dia afaka mandray ao amin'ny fiangonana katolika. Fa raha vao une fois izy manambady fanindroany dia efa fidiny indray izany...
19. Fiffi ( 11/10/2014 06:34)
ok ! nafangaroko lé dinika am baptême ...hihihihi

hery:
Momba ilay hoe tsy fidiny dia possible tsara. Raha toa izy arian'ny vadiny vokatry ny tsy fidiny ka tsy manambady dia afaka mandray ao amin'ny fiangonana katolika. Fa raha vao une fois izy manambady fanindroany dia efa fidiny indray izany...



azo raisina ve io hoe fahotana sa juste am lé fombafomba , fiaramonina sy fitsipika am Fiangonana ?

raha ohatra manko wé fahotana lé izy dé manjary tafiditra indray am ny fivavahana wé : mamela ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka tam-nay

satria koh manko raha fahotana dé tafiditra ao koh ny voalaza wé: "Izay mbola tsy nanota aoka hitora bato azy"


rhajO:
Fa io izany ilay fiaraha-monina sy ny olombe dia mbola sahala @ ilay hoe "doesn't take no for an answer" fa tena miziriziry.. Ny vokany fara-tampony (consequence ultime) dia, raha ny fahitako azy, dia "mampaory olona" izany. Asa... izay ve no tadiavin-dreo... "mampaory olona".



finalement , na fidiny na tsy fidiny am lé olona nisaraka dé hita iany wé mampaory olona lé fitsipika , fombafomba , sy fiara-monina
20. hery ( 11/10/2014 08:39)
Fahotàna fa tsy fitsipika ka. Fa araka ilay nolazaiko tamin'ny voalohany hoe tsy valide ny hoe "mamelà anay" raha tsy misy fahavononana tokoa hanao réparation. Ny olona mifona sy mibebaka dia au moins amin'izy mifona iny tena vonona fa tsy hanao ilay fahotana intsony. Marina fa mety ho latsaka izy avy eo fa hafa indray izany.

Fa ny olona miaina ao anaty tokatranomaso raha mandeha mifona dia nefa izy mbola mijanona ao anatin'ilay état ihany dia tsy misy dikany ilay fifonana. Izay no mahatonga azy tsy mibebaka akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3145