DELESTAGE TIAKO BE !

1. ZAKAIOSY ( 04/10/2014 14:21)
Rehefa tsy voavahan'ny tompon'andraikitra ny fahatapahan'ny jiro dia niezaka nampionon-tena aho mba tsy ho tapaka lalan-drà eo, ka nahita tombontsoa goavana avy @ fahatapahan'ny jiro matetika :
1- Rehefa tapaka ny jiro dia tsy mijanona ela mijery TV ny ankizy, mikaroka kilalao hafa izy, mihitatra kokoa ny sainy ary mifanerasera @olona betsaka kokoa izy, tsy simba ny masony, tsy reraka ny atidohany @ireo dessins animés NON STOP ireo, lasa mamaky boky ny ankizy fa tsy mihaino sy mamaky an'ireo teny gasy diso sy teny vary @anana @ TV ireo, mihena ny herisetra hitany ao anatin'ny 1 andro, mba isao anie ny isan'ny vono olona hitany ao anatin'ny 1 andro @ film vazaha, miampy ny hitany @ feon-gazety. Misaotra anao ry fahatapahan-jiro.
2 - Rehefa tapaka ny jiro dia tsy feno tabataba any ivelany any, mba maheno feon'akoho aho ao an-trano indraindray, mba miresaka mifampijery izahay mianakavy fa tsy hoe miresaka nefa ny maso any @ TV
3 - Rehefa tapaka ny jiro dia tapaka koa ilay Karaoké mankarary sofina satria mihoatra ny mety ny hamafiny, sady milamina ny torimasoko satria tsy afaka mitabataba manelingelina ny fiarahamonina hatramin'ny 11 alina intsony ry zareo eo akaikinay, Karaoké izay nahazo alalana hono dia tsy sahin'ny filoham-pokontany sy ny polisy sakanana na dia @ toerana tsy tokony hanaovana an'izany aza. Misaotra ny déléstage e ! Rehefa tsy hanao ny asany ny tompon'andraikitra manakana ireny mpanimba ny fiarahamonina ireny dia aleo handeha matetika ny déléstage, rehefa maty antoka izy mety hitady vola @ fomba hafa manaja kokoa ny mpiara-monina aminy.
2. andrywui ( 06/10/2014 18:38)

ZAKAIOSY:

MATY ANTOKA ?? KA NY FACTURE NGA MIOVA ? MIAKATRA 30% AZA HUHU
3. mpisotrtoaka ( 16/10/2014 10:01)
Zay zany le hoe ny mahafaly ny hafa d mahasorena ny sasany e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2131