VITSY NY TENA MPIVAVAKA

1. nilex ( 23/09/2014 07:49)
Mampalahelo tokoa fa vitsy dia vitsy tokoa ny olona tena mivavaka sy efa nandray ny Tompo fa ny mahagaga anefa dia tena betsaka be tokoa ny olona mankany ampiangonana.Ny olona va no mafy fo? sa ny fampianarana any ampiangonana no tsy ampy?sa lasa fomba fotsiny ilay mivavaka.Mbola vitsy ny mahalala ny tena fiainana ara-pivavahana.
novalian'i RBNIR ny 03/10/2014 02:48
2. rhaj0 ( 23/09/2014 10:31)
ngo dia hoe .. vitsy ny mpivavaka .. "sahala aminao"
Sa indray ... maro ny mpivavaka ... "tsy sahala aminao"
Dia nefa moa, ny "maro" no tokony ho "tena izy"... ngo dia lasa "elitista" be ilay Revy...
3. RBNIR ( 23/09/2014 12:01)

rhaj0:

Dia nefa moa, ny "maro" no tokony ho "tena izy"... ngo dia lasa "elitista" be ilay Revy...

Fampieritreretana namana,
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Mat.7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Mat.7:14)

Samia ho tahin'ny Tompo
4. vahiny2004 ( 23/09/2014 14:36)

nilex:

Mampalahelo tokoa fa vitsy dia vitsy tokoa ny olona tena mivavaka sy efa nandray ny Tompo fa ny mahagaga anefa dia tena betsaka be tokoa ny olona mankany ampiangonana.Ny olona va no mafy fo? sa ny fampianarana any ampiangonana no tsy ampy?sa lasa fomba fotsiny ilay mivavaka.Mbola vitsy ny mahalala ny tena fiainana ara-pivavahana.


Ahoana no nahafahanao nitsara sy nanavaka ny "olona tena mivavaka" ka nahafahanao nanatsoaka io statistique io hoe "vitsy dia vitsy ny olona tena mivavaka" ?
5. bor2lais ( 23/09/2014 14:52)
vahiny2004:

Ahoana no nahafahanao nitsara sy nanavaka ny "olona tena mivavaka" ka nahafahanao nanatsoaka io statistique io hoe "vitsy dia vitsy ny olona tena mivavaka" ?

:-) :-)
[size=10]Dia tafiditra isan'ireo "tena mivavaka" ve aloha izy sa tsia amin'izany ? :-)[/size]
6. vahiny2004 ( 23/09/2014 15:16)

vahiny2004:

Ahoana no nahafahanao nitsara sy nanavaka ny "olona tena mivavaka" ka nahafahanao nanatsoaka io statistique io hoe "vitsy dia vitsy ny olona tena mivavaka" ?

bor2lais:

:-) :-)
[size=10]Dia tafiditra isan'ireo "tena mivavaka" ve aloha izy sa tsia amin'izany ? :-)[/size]


Mety manisa fotsiny angamba aloha hatreto no hataony :-P
7. rhaj0 ( 23/09/2014 16:02)
Ka arak'i RBNIR, dia efa vitsy no lasa any paradisa. Dia lozika izany raha vitsy no "tena mpivavaka" (ireo ihany no lasa any).
8. nilex ( 24/09/2014 07:41)
Ny hoe vitsy ny mankany amin'ny paradisa aloha tsy dia idirako iny satria tsy fantatro ny any fa raha ny eto an-tany dia tsapa izany .
Tsotra ny ahy no hahatsapana fa efa nandray ny Tompo tokoa ny olona.Tsy ny fidirany am-piangonana akory na ny fandraisany ny baiboly na ny fandraisany andraikitra lehibe ao am-piangonana na ...sns fa ny fiainany ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainany andavanandro izany.Izay mantsy no porofo voalohany fa tia an'Andriamanitra isika dia ny farahana sy fanajana ny teniny.
Ohatra akaiky fotsiny raha miteny ny Tompo hoe:"Tiava ny namanao" ohatra na koa hoe "Tiava ny fahavalonao".Hain'ny olona rehetra miditra ny fiangonana tsianjery izany fa vitsy dia vitsy ny olona tena miaina izany.Ny dikany dia izao,vitsy ny mankato ny tenin'Andriamanitra.Pratique nge ny fanarahana ny tenin'Andriamanitra fa tsy théorie e.na hay tsianjery aza ny baiboly nefa tsy hampiharina tsy fatiantoka iray lavaka fotsiny ve.
Tsy dia tsara ny manamari-tena fa mila mandinika lalina tsara isika fa ndrao ho tratan'ilay tenin'ny Tompo manao hoe"Indro tsy fantatro akory hianareo".Dia mbola hanamari-tena ihany isika hoe"moa tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay....sns".
Izaho anefa tsy miteny heo zavatra mora izany fahafantarana ny tena marina izany fa dia mila ny Fanahy Masina hanazava sy hitarika antsika isika.Mahereza daholo e.
9. vahiny2004 ( 24/09/2014 15:42)
Aleo lazaiko mivantana ilay tiako lazaina e , ataoko angamba fa tsy anjaran-tsika ny mitsara hoe iza no tena mivavaka !
10. rhaj0 ( 24/09/2014 17:29)
nilex:
Ny hoe vitsy ny mankany amin'ny paradisa aloha tsy dia idirako iny ...

Ka io "paradisa" io mihintsy no mari-pandrefesana fara-tampony ary ... obzektifa.

Rahefa tsy (ho) lasa any ianao dia tsy (tena) izy izany e... na dia lazain'i Nilex, na hoe araka ny fitsaran'i Nilex azy, fa hoe "tena mpivavaka".

Ka dia ahoana izany... 144.000 moa izy teo no ("tena mpivavaka") lasa any am-paradisa, nefa ny ao Antananarivo renivohitra fotsiny izao no efa ho 2 million, maika fa ireo olombelona rehetra nandia-tany teto efa ho 108 miliara..
11. Noue ( 24/09/2014 18:53)

vahiny2004:

Aleo lazaiko mivantana ilay tiako lazaina e , ataoko angamba fa tsy anjaran-tsika ny mitsara hoe iza no tena mivavaka !


ekena !!! tena marina io

aza mitsara mba tsy ho tsaraina eee

ilay izy koa raha ny fandinihako azy dia mety hoe mahafantatr'olona i nilex nahatonga azy mitsara tahaka an'io nefa firy ? firy ? firy ? ny olombelona eto an-tany no ahasahiana hitsara hoe (............) arak'io voalazan'ny mpandefa dinika io ?????
12. Noue ( 24/09/2014 18:55)

nilex:

Mampalahelo tokoa fa vitsy dia vitsy tokoa ny olona tena mivavaka sy efa nandray ny Tompo fa ny mahagaga anefa dia tena betsaka be tokoa ny olona mankany ampiangonana.



ianao zany anisany no nahatonga anao hitsara ny sasany sa nitsara tena ?????
13. RBNIR ( 25/09/2014 02:31)
Faly misera ry namana isany,
Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo, fa hoy Izaho aminareo, maro no hitady hiditra no tsy ho afaka. (Lio.13:24)

Diniho ange e! tratra alina B isika fa tara vao vita ny asa, taxi B iray sisa nefa ianao any Ivato no mipetraka ,
Ny olona amin'io B dia B, sure izany fa dia handeha an-tongotra daholo sisa ny ambiny tsy ho tafiditra ao!

Raikitra ny hankanositosika sns.....Mamy ny te hody....

Toe-javatra tahaka an'izany aza, vitan-tsika ny misesika....

Mainka ka fiainanana mandrakizay?.....Ny problema, ilay mody eny Ivato mbola ho vita ihany raha hiaretana dian-tongotra kely....Fa ny zava-doza kosa....ireo izay tsy hotafiditra ao amin'ny fiainana dia tsy maintsy ho very any amin'ilay afo.....

Ny hafatra dia izao: ny fampianarana tsy misy kilema (ilay tena avy any an-danitra fa tsy izay rehetra nianarana tety an-tany akory) dia voalaza fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona azy io (2Tim.4:3)......Betsaka ny hangidihidy sofina ka hihodina ary tsy ho sahy hanaraka......

Koa mba ho fampaherezana an-tsika mba hisesika araka ny tenin'i Jesosy Tompo dia :
1- Aza matahotra, minoa fotsiny ihany....
2- Mahereza sy mahatanjaha fa Izy no homba anao satria izy no nandidy an-tsika hisesika mba hotafiditra ao...(jos.1:6)

Tokana ny làlana, koa tsy aleo v misesika e.....raha tsy tafiditra anie ka zava-doza e....

Samia ho tahin'ny Tompo namana
14. rhaj0 ( 25/09/2014 13:45)
Da tsy mety (amiko) ilay fanoharana e.. izay bokony, na izay mahay misolelaka @ resevera, na izay kafetsifetsy ihany izany no ho tafody, fa ny bonaika sy ny be fandeferana (toa anay) dia ho very..

Hitako marina no misy ny "miady" sy mifanilikilika, misy ny mitady "handringana" ny infideles, ary dia mpifaninana sy mpifahavalo zareo samy zareo te-hody any an-tranon'ny ... (Ray)
15. RBNIR ( 26/09/2014 10:54)
Namana rhaj0,

Ny tiana ampitaina amin’ilay fanoharana dia hoe mikely aina fatratra isika mba hahazoana tanjona iray ety an-tany , ka moa ve tsy tokony hanoatra lavitra an’izany ny fikatsahana ilay FIIAINANA MANDRAKIZAY?

Ny zavatra misy ankehitriny dia ny eto an-tany aloha vao ny fiainana mandrakizay,

Ny mifanohitra amin'izay anefa no nampianariny 2000 taona lasa izay « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Diso laharampahamehana ny olona : hany ka ny tokony hanokanana ny hery rehetra indray no lasa ambanin-javatra,

Toy izao ny nataon'ny apostoly :
« Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. » (1 Kor. 9:25)
« Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; » (1 Kor.9:26)

Diso tanjona (objectif) ny ankamaroan'ny olona hany ka ny tena tokony anaovana investissement indray no lasa ambanin-javatra:
TSOTRA KELY NY RAPPORT: « Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Mat.16:26)

Raha miadana B eto mandritra ilay zato taona kely iny nefa hijaly mandrakizay tsy manampahataperana? tsy naleo tsy nisy?.....

Tsy aleo v ny any amin'ny mandrakizay no hilofosana mafy sady atao azo antoka tsara aloha?
Sady fanampiny IZY efa manome toky hoe FA HANAMPY HO ANAREO IZANY REHETRA IZANY.....

FA MANINONA MOA NY OLONA NO MANAO KITOATOA NY AMIN NY FANOMPOANA?
1- TSY MATOKY TSARA NY TENY FIKASANA NOMEN ANDRIAMANITRA (SAO DIA TSY MISY AKORY IZANY FAMPANANTENANA IZANY)
2- TSY TENA MINO NY FISIANY AKORY (MBOLA TSY TENA MINO NY FISIANY MARINA FA FISALASALANA NO BETSAKA)
3- TSY MINO NY FITSANGANAN NY MATY SY NY FIAINANA MANDRAK IZAY ARY KOA NY AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY.

RAHA TENA FANTATRAO ARY HINOANAO VE FA MISY NY HELO AFOBE ARY FIAINANA MANDRAKIZAY FIADANANA MAHARITRA MANDRAKIZAY, DIA INONA NO MAHASAKANA ANAO TSY ANAO PRIORITE NY FANDOSIRANA NY AFOBE ARY KOA ANAO PRIORITE NY FIKATSAHANA ILAY FIAINANA?

NGAH ADINON-TSIKA NY TENIN NY TOMPO « Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Mat.13:44)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA.....IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
16. rhaj0 ( 26/09/2014 11:02)

RBNIR:
Ny tiana ampitaina amin’ilay fanoharana dia hoe mikely aina fatratra isika mba hahazoana tanjona iray ety an-tany ...

Fa hita tsara @ ilay fanoharana fa "Aina Ity Hoy Rainimanonja" ka dia "Aty An-tampon'Itsimahalalakely" ny isan'isany.. (ny sisan'izay dia bla-bla)

Izany izany ilay soatoavina (tianareo) ampitaina an...
17. RBNIR ( 26/09/2014 12:17)
rhaj0:

RBNIR:
Ny tiana ampitaina amin’ilay fanoharana dia hoe mikely aina fatratra isika mba hahazoana tanjona iray ety an-tany ...

Fa hita tsara @ ilay fanoharana fa "Aina Ity Hoy Rainimanonja" ka dia "Aty An-tampon'Itsimahalalakely" ny isan'isany.. (ny sisan'izay dia bla-bla)
Izany izany ilay soatoavina (tianareo) ampitaina an...

Tsy avy aminay kosa io fa IZY no nampianatra an'ireo e,
Ny olana amintsika dia ny TSY FINOANA AZY,
Abrahama no rain'ny mino,
«  Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Heb/11:1)
Nodidiana izy hiala tamin'ny toerana misy azy dia nampanantenana zavatra tsy hitan'ny masony akory.
Natoky izy fa tena handova ny tany kanana marina, Mbola tsy hitan'ny masony nefa dia ninoany tanteraka.


Toy izany koa isika, didian'Andriamanitra mba anao ny sitrapony, dia handova ny fanjakan'Andriamanitra,

Ny an'i Abrahana, tany kanana (mbola teto an-tany ihany) sahy izy na dia mafy aza ny sedra,

Dia ambakan'izany v isika e?

[size=6] aleo akatona ny pejy fa tena manomboka misy mitady hangidihidy sofina sahady nefa vao ronono aza izany ry namana[/size]

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany o!
18. rhaj0 ( 26/09/2014 13:37)
Fa raha mbola fandraisako ny fandraisanao azy io, dia mbola "samia maka ho azy" fa hoe ho'a hoe "aina ity hoy Rainimanonja".

F'angaha izy ity dia tsy mba arak'ilay hoe "avelao hilamina dia misesy" e... Dia samy mankany mankany daholo..

Fa maninona no raisina (interpreter-na) dia averimberina amendrofendroana olona, ka hoe, TSY ny rehetra no hankany hankany, ary raha ny marina dia ny maroisa akoriny aza dia ho very.

Rahefa izany no andraisana azy, dia "resy tsy miady" aho, fa dia aleo aho hanao ny ataoko ato, dia izay ataoNy any dia ataoNY.. Aiza no hifaninanako amin-drizareo "mahay maka 19" be dia be ireny ?...


Izaho "mino" fa (tokony) misy fandraisana (interpretation) hafa ny resaka, ka dia "samy mankany mankany" daholo isika mianakavy, satria
- "antsika jiaby" Izy e... [size=8](fa tsy ho an'ny "mpaka 19 irery")[/size] ...
- ary "anazy jiaby isika" ... [size=8](fa tsy ny "mpaka 19 irery" ihany no zanaNY)[/size]
19. RBNIR ( 26/09/2014 15:34)
Aza mora kivy ianao namana rajh0 a, b dia b ange no manaraka an'io fampianarana tsy misy kilema io izao e (misy ankizy , tanora, lehibe...tomady, manan-kilema sns....mahantra, manankarena, tsy mahay mamaky teny... ny avara-pianarana...sns e=

Izao ny secret : « ....... Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zak.4:6)

Tsy vitan'ny olona tsotra ny manao ny sitrapon'Andriamanitra fa mila manana ny Fanahin'i Jehovah Tompon'ny maro isika.

Atao inona ny Fanahiny? « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa.1:8) :
Mba hahazoana ilay hery mahagaga avy any ambony.

Inona ary no atao mba hahazahoana ny Fanahin'Andriamanitra? « .......fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat.3:11)

Jesosy no mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
Any amin'i Jesosy ny lakile ry namana isany HAMPANDROSOY IZY

« Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » (Apok.3:20)

Ahoana ny fampandrosoana AZY ao anatin-tsika ao?
« Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? ...... » (2 Kor.6:15)
Kristy = Fanahin'Andriamanitra Beliala kosa = OTA

Tsy afaka hiditra ao amin-tsika mihitsy KRISTY raha mbola mifikitra ao anatin-tsika ao ilay OTA izay nampidirin'ny devoly tao anatin-tsika tao (nolovain'ny olona rehetra avy amin'i Adama sy Eva io OTA io.

Porofo fa tsy misy OTA ao aminy :
« .......... ary tsy mba misy ota ao aminy.(1 Jao. 3:5)

Ka ahoana ary? ahoana ny fanesorana ny ota? Araka io teny eo ambony io dia mbola ao Aminy ihany ny secret e!

« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; .......(1 Jao.3:5)
Dia mbola ao AMINY ihany koa ny lakile ry namana isany....

Koa dia ataovy izay hahitanao ilay fandaharana namana fa ATAO HO HITA SY HO REN IZAO TONTOLO IZAO NY ZAVA-MIAFIN NY FAMONJENA MARINA. ATORO ANAO NY FANESORANA NY OTA AO ANATY AO ARY RAHA METY IANAO DIA TENA HO AFAKA ARY HANDROSO AO ANATINAO NY TOMPO!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA......IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.....

P.S : ho an'izay tsy mahafantatra : FANDAHARANA VITAO NY ASAN'NY FAHAMARINANA ISA-MARAINA AMIN'NY 5 ORA SY SASANY ALATSINAINY KA HATRAMIN NY ZOMA (EFA HITA ANY AMIN NY FARITANY IO FANDAHARANA IO RY NAMANA.

HOMBA SY HITAHY AN-TSIKA REHETRA ANIE NY TOMPO RY NAMANA ISANY.






20. nilex ( 29/09/2014 05:31)
Izaho rehefa miresaka fivavahana amin'olona dia izao,matetika ny olona na dia mpivavaka aza no tsy mahazaka resaka mahintsy.Nefa amiko rehefa mivaka izany dia izay voalazan'ny tenin'Atra ihany no marina fa tsy misy "kanefa" na "mais" hoy ny vazaha fa ny marina dia iray ihany.Rehefa eny dia eny na tsia dia tsia hoy ny Tompo.Ka matetika ny olona no tsy mahazaka rehefa mbola tsy tafiditra loatra fa lazainy fa mpitsara ny olona iray raha miteny.Fifandresendahatra sy fifanampiana no atao eto fa tsy hoe manenjika be fahatany.
Ohatra misy olona iray ao ampiangonana tena mpanao afera maloto ary fantatry ny mpiangona rehetra izany.Ka raha misy olona iray sahy mijoro miteny ve dia lazaina fa mitsaratsara foana.Izay no maha mpiara-mivavaka,tsy mijery arina an-tava.Satria iaraha-mahalala fa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra kosa izany e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2571