VISUAL BASIC

1. hafahafa ( 17/09/2014 12:15)
Miarahaba ny namana rehetra!
Mila fanampiana avy aminareo namana reto a,
Tena maniry ny handalina kokoa aminy Access Visual Basic za,efa nanao nianatra iany tany ampenarana fa aminy akapobeny fotsiny no natao.Mahay mampiasa access za fa ny tena tiko atao de le creation base de donnee mitsiny.
Ra misy mahita lien ahitana Document momba reny ry zareo de mba omeo za a. Si possible de le mba version francais e!
Merci bcp an!
novalian'i nilex ny 10/02/2015 14:02
2. hery ( 17/09/2014 14:01)
Visual Basic Application (VBA) no any anatin'ny Access.

Ireto misy cours maromaro: http://access.developpez.com/cours/?page=langagevba

Ny tena tsotra dia rehefa manana eritreritra ao antsaina ianao ny hanao zavatra anakiray dia atomboka amin'iny dia tadiavina tsikelikely izay info ilaina. Mivelatra be loatra mantsy ilay hoe omeo cours...
3. hery ( 17/09/2014 14:36)
Fa raha hianatra ihany dia aleo mianatra application indépendante (raha efa zatra Visual Basic ohatra dia manao VB.net). Fa mandreraka be ilay manamboatra ho an'ny access ianao dia tonga tampoka ny access vaovao dia tsy mandeha amin'iny ilay application-nao.

Izaho izao lagy mihitsy tato am-piasana fa nisy programa lava be natao tamin'ny MS Access 1997 dia tsy mandeha amin'ny Ms Access taty aoriana fa tsy maintsy novaina ny codes tao anatiny.
4. hafahafa ( 18/09/2014 07:33)

hery:

Tena marina tsy azo lavina mitsy zany lazainao zany kah, lasa voatery tsy maintsy manova ny code rehetra mitsiny.
Efa ela za no intersé be taminy resaka language na fony mbola tany ampianarana aza,taty aoriana de nahazo tombony fa tena mampiasa any le access zay ato ampesana ka eo no tiko anararaotana be be kokoa ny mba hanao creation any le izy.
Merci e!
5. nilex ( 10/02/2015 14:02)
sosokevitra ny ahy.Raha tena tia access ianao dia izao atao.Toa anao koa aho rehefa manao programme iray dia misy olana kely foana satria betsaka be ny code vb ao @ access araka izay tiana atao nefa tsy voatery ho hainao avokoa ireny rehetra ireny fa ny torohevitra hatoroko anao dia mba jereo ihany ny programmation sur WINDEV fa tena mitovy @ access ihany io fa efa mivoatra be sady mahafinaritra.Tsy manahirana intsony.raha code 2 pages sur access mety ho ligne iray fotsiny ao @ windev.sady azo hanaovana zavatra tsara lavitra nohon'ny access izy nefa tena mora lavitra kosa anefa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2028