« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat. 24:14)

1. RBNIR ( 08/09/2014 03:22)
Faly misera amin'ny rehetra indray,
2000 taona izay no nitoriana an'io teny io.
Ity filazantsaran'ny fanjakana ity hoy ny teny (tsy filazantsara hafa fa ilay notoriany tamin'izany andro izany no nolazainy fa hotorina indray.
Rehefa hitanao fa averina hotorina ilay fampianarana nampianarina 2000 taona lasa izay hoy Jesosy Tompo hoe "dia vao ho tonga ny farany".
Io fampianarana io dia
« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Io fampianarana io dia noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'Andriamanitra.
Nohamafisiny tato izay ry namana.
« Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. » (Jao.14:24)
Izay ihany koa no maha fampianarana tsy misy kilema azy (sans défaut) satria niainga mivantana avy tamin'Andriamanitra ilay izy.
Jesosy dia nampianatra sy nampita azy io kosa indray tamin'ireo apostoly (olona fidiny mivantana sy ampianariny mivantana koa).
Ohatra i paoly apostoly
« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
Tsy maintsy hifidy olona vaovao indray i Jesosy hampianariny an'io fampianarana io vao ho tonga ny farany.
Aza maka lavitra tsy sarotra ny mamantatra izany : ny fampianarany dia tsy maintsy mitovy amin'ny nampianarin'i Jesosy ao anaty Baiboly ary tsy maintsy mitovy amin'ny nampianarin'ireo apostoly koa.
Izay ilay "voa" hamantarana azy.

Iray aloha izao no azoko antoka fa izy raha ny eto Madagascar... Araho ny fandaharana Vitao ny asan'ny Fahamarinana isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora ao amin'ny kolo TV ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma.
Ho antsika any amin'ny faritany dia efa azonao arahina amin'ny canal Sat ilay fandaharana.

Izay manana maso aoka hahita, Izay manana saina aoka hisaina.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

novalian'i RBNIR ny 30/09/2014 18:01
2. endriny ( 08/09/2014 04:51)
Fa nahoana no ianao no afaka manamarin izay mety ho mpitondra-tenin'Atra, na Irak'i Jesosy? Mba omeo valiny aza fady o
3. RBNIR ( 08/09/2014 05:19)

endriny:

Fa nahoana no ianao no afaka manamarin izay mety ho mpitondra-tenin'Atra, na Irak'i Jesosy? Mba omeo valiny aza fady o

Faly misera aminao namana endriny,
« Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy.[*lopa] » (Mat. 7:15)
« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Mat. 7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Mat.7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Mat.7:18)
« Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Mat. 7:19)
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Mat.7:20)

Izaho tsy nahita azy nofidian'i Jesosy Tompo sy nampianariny fa izaho kosa dia mijoro vavolombelona fa ny fampianarany dia mitovy amin'izay nampianarin'i Jesosy sy ireo apostoly taloha,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
4. endriny ( 08/09/2014 07:02)


« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Mat. 7:16)

Somary ahitsiko kely e. Ny Songosongo ange ry namana ka zava-maniry tsy nisy afa tsy teto Madagasikara e. Ilay ngahibe vazaha natao Grand Didier no vazaha namantatra an'ireo ara tsiansa voalohany eran-tany. Misy karazany maro izy, saingy tsy misy afa tsy teto amintsika. Vao haingana vao nisy namboly any an-dafy. Dia nahoana no hoe Songosongo no lasa ao anaty baiboly?
5. endriny ( 08/09/2014 07:13)
Fa miverina kely amin'ilay matio 7 16. Dia tena mino an'io koa aho fa tsy misy tsilo mamoa voaloboka, kanefa izao. Ilay fiangonanana misy anao iza no fiangonam-be niandohany? Ka raha tsilo io dia voatsilo koa izany ny fiangonana misy anao ankehitriny... Sa misy vorondolo miteraka voromanga?

RBNIR:


Izaho tsy nahita azy nofidian'i Jesosy Tompo sy nampianariny fa izaho kosa dia mijoro vavolombelona fa ny fampianarany dia mitovy amin'izay nampianarin'i Jesosy sy ireo apostoly taloha,

Samia ho tahin'ny Tompo namana


Ahoana no ilazanao fa mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianarany? Araka ilay boky nosoratan'ny Romanina ve?
6. RBNIR ( 08/09/2014 07:38)
Faly misera aminao hatrany namana endriny,

« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Mat.7:17)
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Mat.7:20)
Raha i Jesosy no nampianatra Azy (Voa tsara= teny nolazain'i Jesosy = Voaloboka) dia tsy fampianarana hafa fa ny fampianaran'i Jesosy no tokony fampianarany,
Raha ohatra kosa ka fampianarana tsy mitovy amin'izay nampianarin'i JEsosy no ampianariny dia mazava ho azy, tsy Jesosy no nampianatra azy fa hafa mihitsy

Ny Baiboly no référence e, : baiboly katolika, protestante, advantiste.... (testameta taloha + testameta vaovao)

Izaho aloha tsy te handalina izay mety ho niaviany fa io baiboly io no nahafantarako ny Marina sy ny secret n'ny fiainana mandrakizay, ka dia ataoko ho ampy ahy izay,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
7. endriny ( 10/09/2014 06:16)

RBNIR:


Ny Baiboly no référence e, : baiboly katolika, protestante, advantiste....


Ka raha baiboly no referansa dia maninona ny sasany no tsatsoinao hoe mpisandoka? Nefa samy baiboly ihany no ampiasaina?

Dia ahoana ny anao no hoe tena izy kanefa ny baiboly ampiasainao dia ilay avy amin'ny katolika loharano nipoiran'ny kristianina ihany?

Sa nisy fiangonana hafa nanoratra ny testamenta vaovao ankoatry ny Katolika?
8. moustaraf ( 10/09/2014 07:07)
salama,
Ahitsy kely, misy diso ny baiboly dikan teny ka miteraka fahasarotana:
Raha niteny Yeshua hoe" manana ondry hafa ivelan'ity vala ity aho, izay tsy maintsy hangoniko mba hovala iray, satria iray ny mpiandry azy",
tamn'io fotoana io dia ny foko'i joda (joda,levy,benjamina) ihany no efa nody ofisialy tao palestina, fa ny foko 9 Israely dia tsy mbola nody mandraka aandroany,
ka ilay fanekena vaovao izay nentin'Yeshua dia mitady sy mamerina an'ilay foko 9, izay miparitaka any amn izao ttlo izao,
Hotorianaa ANY amin'izao ttlo izao ity filazantsaran'ny fanjakaana ity, ho vavolom belona amin'ilay 9...."

Aoka ny fivavahana romana sy ny zanany tsy hisandoka fanekena, ary tsy hihevi diso hoe izy no tondroin'ny baiboly satria mandiso tanteraka ny baiboly izany.
Ny baiboly dia an'i hebreo, tantaran'ny hebreo, faminaniana ho an'ny hebreo ary teny fikasana ho an'ny taranaka hebreo, izay tsy maintsy idiran'ny hafa firenena rehetra izay mila famonjena,
Fanekena mandrakizay izany!!!
9. RBNIR ( 10/09/2014 09:10)
endriny:


RBNIR:


Ny Baiboly no référence e, : baiboly katolika, protestante, advantiste....


Ka raha baiboly no referansa dia maninona ny sasany no tsatsoinao hoe mpisandoka? Nefa samy baiboly ihany no ampiasaina?

Dia ahoana ny anao no hoe tena izy kanefa ny baiboly ampiasainao dia ilay avy amin'ny katolika loharano nipoiran'ny kristianina ihany?

Sa nisy fiangonana hafa nanoratra ny testamenta vaovao ankoatry ny Katolika?

Faly miarahaba namana,
Izaho tsy niteny hoe ny ahy irery no marina, fa ny hafa rehetra dia mpisandoka,
Fa hoy aho hoe ny marina dia izay fiangonana atsangan'ny olona iray izay fidin'i Jesosy mivantana sy ampianariny mivantana toy ireo apostoly ary ny fampianarany dia mitovy amin'izay nampianarin'i Jesosy 2000 taona lasa izany,
Raha mitovy amin'izay v moa ilay anao, inona no tokony ho olana namana?

Samia ho tahin'ny Tompo namana
10. RBNIR ( 10/09/2014 10:12)
moustaraf:

salama,
Ahitsy kely, misy diso ny baiboly dikan teny ka miteraka fahasarotana:
Raha niteny Yeshua hoe" manana ondry hafa ivelan'ity vala ity aho, izay tsy maintsy hangoniko mba hovala iray, satria iray ny mpiandry azy",
tamn'io fotoana io dia ny foko'i joda (joda,levy,benjamina) ihany no efa nody ofisialy tao palestina, fa ny foko 9 Israely dia tsy mbola nody mandraka aandroany,
ka ilay fanekena vaovao izay nentin'Yeshua dia mitady sy mamerina an'ilay foko 9, izay miparitaka any amn izao ttlo izao,
Hotorianaa ANY amin'izao ttlo izao ity filazantsaran'ny fanjakaana ity, ho vavolom belona amin'ilay 9...."

Aoka ny fivavahana romana sy ny zanany tsy hisandoka fanekena, ary tsy hihevi diso hoe izy no tondroin'ny baiboly satria mandiso tanteraka ny baiboly izany.
Ny baiboly dia an'i hebreo, tantaran'ny hebreo, faminaniana ho an'ny hebreo ary teny fikasana ho an'ny taranaka hebreo, izay tsy maintsy idiran'ny hafa firenena rehetra izay mila famonjena,
Fanekena mandrakizay izany!!!

Faly miarahaba namana Moustaraf,
Hatramin'ny androany dia mbola tsy novalianao mihitsy aho nefa efa nanontany anao matetika, ka dia averiko indray,
Ilay mpitarika ao aminareo v hoy aho IZY mivantana no nifidy azy sa.......

Mety mba hahazo valiny amin'izay kosa ngamba e?

Samia ho tahin'ny AVO INDRINDRA namana
11. rhaj0 ( 10/09/2014 13:54)

RBNIR:
Ilay mpitarika ao aminareo v hoy aho IZY mivantana no nifidy azy sa.......

Mety mba hahazo valiny amin'izay kosa ngamba e?


Ary hono ho'a... ny mpitarika ao @ RBNIR koa ve toa izany : "IZY mivantana no nifidy azy" ?
Sa "sarcasme" kely ny anao, ka ny tianao lazaina dia hoe, "fampianarana diso" izany resaka hoe "IZY misafidy" (@ izao fotoan'andro izao) izany ?

[size=8]Azafady fa tsy haiko intsony hoe inona no inona... toa hotry ny mifanohitra mifanipaka mifandaka be ny anareo RBNIR sy Moustaraf, na koa Maranatha, na koa azany i Bor2lais, ka dia lasa hoe, aleoko manontanintany foana ...[/size]
12. moustaraf ( 10/09/2014 14:27)
salama namana,
Misy faminaniana efa voasoratra sy manondro izay hitarika an'ilay Israely aty amn Nosy lavitra na Faran'ny tany na Dago ao amn baiboly "hebreo", ny fomba izay ivavahana, sns...
Fa tsy izay rehetra milaza tena ho mpitarika sy mpapianatra, ka raha mpamaky baiboly isika dia hahita an'izany ihany koa,
Efa voasoratra eny fa hatramin'ny taona sy fotoana

Misaotra!
13. RBNIR ( 12/09/2014 07:14)
rhaj0:

Ary hono ho'a... ny mpitarika ao @ RBNIR koa ve toa izany : "IZY mivantana no nifidy azy" ?

Faly misera namana,
Efa voavaly eo ambony kosa io an,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
14. rhaj0 ( 15/09/2014 16:10)
[size=8]Mbo mamilafila koa ry RBNIR izany.. izaho mba meda-saina nefa dia priatiny ahatakatra ny resaka miolankolana.. dia miezaka azany ny badolahy e, fa dia mba ampazahoy valin-teny itsy @ farany kosany e...[/size]

RBNIR:
Ka hoy izany i RBNIR etsy ambony:
- Tsy maintsy hifidy olona vaovao indray i Jesosy hampianariny an'io fampianarana io vao ho tonga ny farany.
- Ny voany no hahafantaranareo azy.
- Izaho tsy nahita azy nofidian'i Jesosy Tompo sy nampianariny fa izaho kosa dia mijoro vavolombelona fa ny fampianarany dia mitovy amin'izay nampianarin'i Jesosy sy ireo apostoly taloha..

Raha ny fahatakarako azy izany dia misy Raolona ao, ary gasy(?), izay andrandrain'i RBNIR satria "voafinidy" hono.. Ka iza azany no anaran'io Raolona io (rey olona) e ?
15. RBNIR ( 18/09/2014 08:05)
rhaj0:

Raha ny fahatakarako azy izany dia misy Raolona ao, ary gasy(?), izay andrandrain'i RBNIR satria "voafinidy" hono.. Ka iza azany no anaran'io Raolona io (rey olona) e ?

Ny mpiasan'Andriamanitra namana tsy mba misehoseho na tia deradera na tia manandratena satria IZY NO ASANDRATRA fa tsy ny tena « Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. » (Jao.3:30)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
16. rhaj0 ( 18/09/2014 10:51)
Ka "aseho" ilay Raolona fa tsy "asehoseho".
Sa ... afenina. dia fa maninona ? misy "mahamenatra" sa nisy ratsy natao ?

Raha tsy hilaza I RBNIR, dia anareo izay mahalala, mba lazao eto re hoe, iza izao Raolona andrandrain-dRBNIR izao, fa satria ninoany fa izay Raolona izay ilay "voafinidy" ?...
17. RBNIR ( 21/09/2014 17:23)
MINOA NAMANA ISANY ......
Hafa mihitsy hoy aho ity fa tsy mitovy amin'izay efa fahitanao hatrizay, ary izaho dia efa tamin'ny 2009 izay no tao ary tsy nahita hokianina hatramin'izao.....

Tsy miova mihitsy ilay fampianarana ary mijoro ny mpitarika amin'ny fahamarinana izay toriany....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA..... IZAY MANAN-TSAINA AOKA HISAINA......

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
18. deafed ( 23/09/2014 11:25)
"Ce qui se perd sur le fond se rattrape sur la forme"
Sao dia ilay fototra mihitsy no tsy ao? dia mila mandresy lahatra be sy mandrirotra fahamarinana ho an'ny tena.
19. bor2lais ( 23/09/2014 15:36)
rhaj0:

Raha tsy hilaza I RBNIR, dia anareo izay mahalala, mba lazao eto re hoe, iza izao Raolona andrandrain-dRBNIR izao, fa satria ninoany fa izay Raolona izay ilay "voafinidy" ?...


Fanontaniana efa napetraky ny namana iray teto amin'ity sehatra ity atao hoe "fijo" io apetrakao io ary nomen'i RBNIR teto ihany koa ny valiny (rehefa ni-insiste be i fijo) :-)

[size=10]Sopapa : Tadiavo ny lahatsoratra > "tele jery"[/size] (tsy voatery google a !) :-)
20. rhaj0 ( 23/09/2014 16:22)
Misaotra @ ilay sopapa e.. :-) Ary kay efa resaka lavabe ilay izy... Fa dia miala tsiny f'hotry ny tsy mahalala fomba koa izaho izany ka dia mi-insiste koa, nefany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0598