inona no afaka ataoko?

1. Rahomainty ( 02/09/2014 15:18)
Salama tsara daholo ô!

Efa ho dimy taona izay aho no nitia olona iray aho. Tiko izy ary izy koa tia ahy. Ny olana anefa dia izao, cousine-ko izy io. Telo taona niarahana izahay dia nana-pakevitra aho, nanindry fo, haiko fa tsy mety ny fiarahako @y noho izay situation izay na tiko aza izy dia nifindra taty Antsirabe aho izy kosa nilaozako any Antananarivo.
Ankehitriny nanjary izy foana no mibahana ato andohako efa ho 2 taona zay, tsy mahay mitia olon-kafa intsony aho fa toa izy foana no mameno ny saiko.

Tena tiko izy ary tsy foiko. Nefa izahay mpiavana. torohy hevitra aho.

Misaotra mialoha @ zay hevitranareo rehetra fa tena ilaiko izany.
novalian'i tiris8786 ny 30/04/2015 16:41
2. Noue ( 02/09/2014 19:23)

Rahomainty:


Tena tiko izy ary tsy foiko. Nefa izahay mpiavana. torohy hevitra aho.


efa vitanao ny nifindra nanalavitra azy dia io arahahina ary ataovy ao an-tsaina fotsiny hoe cousine io ka tsy mety zao eee !

na tena tianao izy na mibahana ny sainao dia ataovy matotra fotsiny an-tsaina hoe tsy mety zao ary ataovy ohatran'hoe hanabavinao izy
3. rinanto ( 12/09/2014 10:54)
ianareo roa zany no mila mifanampy e, mba handresy ilay fitia adala a ! tsy hitanao mihitsy ve izay point mba tsy itiavana azy e ? iny tsindriana be. Fadio ny fifandraisana mamboly fitiavana, toy ny mbola fanaovana teny mamy rehefa mifanoratra ; atomboy tsy valiana ny message, tokony tsy hifampiantso intsony, aza mifampitantara intsony an'izao rehetra izao.
Raha olona mivavaka ise dia mety ho anao ity tohiny ity, fa ny vavaka r'ise no tena goavana ! Izy no Atra Fitiavana, dia angataho fitiavana mendrika Izy, mba tsy ilay fitia adala no ifandraisana, fa mba fitia mpianadahy. Vitan'Atra ny manova ny fo vato ho fo nofo , dia toy izany koa : ny fitiavan'olon-droa ho lasa fitiavana mpianadahy. Efa nandalovako io fa tapa-bolana teo za no niady, ary mbola tsy tsaroako tena nivavaka mafy toy izany aho, fa alim-be foana vao matory ! Tsy hoe tsy tia intsony avy eo, fa hita hoe mba niova ilay fitiavana e, lasa ilay tsy mahamenatra eo anatrehan'Atra !
4. Rahomainty ( 12/09/2014 15:30)
Efa aiko daholo ny mety vokatr'io fiarahanay io, nalaliko zay mety ho voka-dratsiny:
Ny resaka génétique
Ny resaka fiaramonina
Ny resaka cosanguinité
sns...
Na izy koa aza efa nampafantariko an'zay hoe izao sy izao no vokatr' io.

Na efa nahita olona hasolo azy aza aho taty aoriana dia toa izy foana no lasa ataoko référence dia manjary tsy maharitra foana le fiarahana, tsy aiko hoe noho izy première amour-ko ve? fa tsapako mijaly ny ato anatiko ato rehefa tsy eo izy. Mody manao sambatra fotsiny ah fa toa tsy tafa mihitsy.

Moa ve diso aho raha raiki-pitia aminy? Fitiavana avy aiza izany fitiavako izany? izaho irery ve no olona manao an'zany eto an-tany?



5. josiah ( 12/09/2014 23:51)
Ie, ianao irery no manana anizany eto an-tany, fa mbola tsy naheno otrizany mihitsy za, olombelona ihany ianao ka mety manadino, ka adinoy fotsiny izy dia vita milamina io.
6. rahomainty ( 24/11/2014 08:19)
Misaotra t@ fahatsoram-ponareo:

Mety marina ihany angamba ny zavatra lazainao hoe izaho irery no manao an'zany eto antany. Satria izao. tsindriko kely mihtsy ity fa ndrao tsy azonao ilay izy:

Efa dimy taona zao zahay no niaraka. Fahatelo taonan'ny fiarahanay dia nifindra aho. Tsy nety afaka tato antsaiko nefa izy, satria zah tia azy izy tia ahy. Dia nanjary azoko foana ny numero-ny na ny numero-ko azony.

Efa ho roa taona zay aho no nahita asa; izaho aty alavitra aty, izy any. Nanjary tsy tapaka aho miantso azy ary izy miresaka amiko (relation a distance).

Nanjary nieloelo tao andohako tao ny hoe: "Tsy possible zany manadino anazy zany rah mbola tiny aho ary izy tia ahy" (amour réciproque)

Mipetraka @reniko sy ny raitam-po @ko za zao, 5 mianadahy zahay; ny raiko efa maty efa ela, tsy fantan'ny reniko io relation-ko io fa ny raitam-po @ko kosa efa mahafantatra. Ny olana nefa dia izao:

Ny Reniko tsy maharaka @famelomana ny tokatrano mihitsy, lasa izaho no manampy azy. Laniko @zay daholo ny 80% @karamako. Fantatro tsara anefa fa possible tsy ahaiky io relation io izy. Fa izaho anefa tsy mba manantsaina ny anary azireo izany eny fa na anary aza izireo.

Te hilaza ilay zava-misy @reniko aho fa saingy matahotra aho sao ahiliny aho ka tsisy mpanampy intsony izy aveo. dia aleoko aloh ts lazaina @y. Miezaka mikaroka fond wazy aho zay vao miala.

Ankehitriny vitako ny fiainako raha andeha hitokatrano aho. Fa mbola manampy ny fianakaviako zah zao na dia fantatro aza fa mety anary ah izy.

Mety tsisy olona adala sy tsy misaina toa ahy mihtsy angamba eto an-tany. Mety marina ny eritreritrao.

Mbola manantena valiny avy @nareo. Misaotra indrindra.
7. vahiny2004 ( 24/11/2014 10:16)
Nisy tao @ fianakaviana nanao toa anareo io, niteny azy daholo na ny tanora na ny ray aman-dreny. Farany lasa niampita ranomasina ilay iray, dia izao izy samy manana ny fiainany, mino sy manantena aho fa samy efa sitrana rizareo

Tsy misy tsy vitan'ny fotoana sy ny elanela-tany ... ary ny finiavana e


8. Jock ( 19/12/2014 05:12)
Salut Rahomainty. Tsy ianao irery no mandalo toy izany. Tantaraiko anao fa ny anadahiko dia efa nandalo toy izany tokoa. Fantatro lay izy ny farany ka tena sady tezitra aho no sorena taminy. Ary zay rehetra nahalala izany dia nanome tsiny an'zareo dhl fa tsy nisy na dia 1 aza nankasitraka. Ka zao no teniko aminao. Tsy manome tsiny anao aho @ zany satria fitiavana io fa kosa tokony hojerenao zay olona notiavinao. Ao @ Baiboly aza misy toko sy andininy milaza fa tsy sitrak'Andriamanitra ny hivadin'ny mpiavana e ! (tsy tadidiko ny toko sy andininy). Na efa ela aza ianareo no nifankatia dia hoy aho hoe : tapao fa tsy mahasoa anareo izany. Sarotra ny mamono izany saingy tsy maintsy miezaka ianareo. Mitadiava moyen anajanonana azy faran'izay haingana ary mangataha famelan'keloka amin'Andriamanitra sy fanapiana Aminy fa tsy misy zavatra tsy hainy hatao. Ary tsy voatery hanary anao koa ny reninao raha ilazanao izany satria ny reninao tokony handrandrana indray ve no hanafenanao ny loha solanao ? (mitadiava fomba mba ilazanao azy. Tsy miteny direct fa ataovy indirect). mazotoa e!
9. Strong3 ( 12/02/2015 10:08)
ny saina mahaolona dia mamaritra lalàna ho an'ny tenany sy hoan'ny manodidina azy...!

tsy manakery anefa izany raha tsy misy saina maro mitovy aminy. rehefa tonga mahazo hery izy dia mamatotra ny fiarahamonina. ka ho heverina fa adala izay mihoatra izany fefy vaovao izany.
Mino aho fa olon'ny fiarahamonina ny malagasy ;-)
10. tiris8786 ( 30/04/2015 16:41)
dia ho sarotra amiko izany ho tia cousin zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1821