Feno ny fepetra hionganan'ny gouvernement Kolo

1. rabaradaka ( 02/09/2014 10:56)
Nanoratra teto aho hoe ho avy ny fotoana hahafeno ny fepetra hirodanan'io gouvernement io, ankehitriny feno tanteraka ny fepetra. Raha tsy manova gouvernement ao anatin'ny fotoana fohy (15 à 30 andro) i Hery Filoha mamimbahoaka sady mpitety tany dia ny fitondrany mihitsy no hirodana. Ny fepetra dia ireto :
- Mpampianatra FRAM nampiesonina ary misy ambadika politika ao miaraka amin'ny FRAM,
- ny any Majunga, mbola tsy milamina ny université ary mety hipoaka mafy io amin'ny resaka silamo sy gasy,
- ny JIRAMA , tena mananotanona ny fahatezeran'ny vahoaka mikasika ny jior tapaka lava,
- Air Mad, misy grand dossier mikasika an'i Hery sy ny HVM any mikasika an'io orinasa tiany ho fallite io,
- Ravalomanana tsy afaka mody, soa ihany fa efa tsisy force koa ny ekipany
- farany ny fiakaran'ny vidim-piainana, efa tsy zaka intsony.
Raha ny resaka mandeha mba henonay aty ambanivohitra aty dia mety ho vehivavy ny PM eo, ho ratsy anefa izay satria tsy hisy vehivavy hahazaka an'io izany. Misy anarana efa mandehandeha any ary dia vehivavy tokoa
2. rhaj0 ( 02/09/2014 13:45)
RAha ny fahitako azy, dia ity system-ntsika (lalampanorenana) nakana tahaka t@ Frantsay ity dia tena .. vorika mihintsy.

Ka rahefa tsy mandeha @ tokony ho izy izany ny raharaham-pirenena, dia ilay PM no dakana, nefa, raha ny fahitako azy, SAMY tompon'andraikitra daholo na PM na Pdt. Ilay Pdt azany no tompon'andraikitra voalohany.

Dia izao izany ho voadaka i Kolo fa i Hery @ io tena hotry ny mbola tsy manan-tsiny.


Rahoviana, na hoe @ ahoana, vao ho voadaka, na ho dakaina, i Hery e ??? Raha izao dia miandry 5 taona izany.. satria ny revy jiolahim-boto manongam-panjakana dia tsy azo atao (na dia nanao izany aza TGV ary nohobian'ny Frantsay izy @ izany)
3. rabaradaka ( 08/09/2014 04:30)
Hiandry 5 taona tokoa ve raha izao fandehan-javatra izao ? Asa lahy fa i ANR aza nahavita "mandat présidentiel" iray. Ny vahaolana dia tsotra : miala 100% ny gouvernement fa raha tsy mahay izy dia eo vao hipoaka ny sarom-bilany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7842