Ohatry ny menatra izany aho

1. rabaradaka ( 31/08/2014 10:05)
ohatry ny menatra aho fa toa izaho irery no tena be vavay sy mpanoratra eto amin'ity serasera ity, tsy hoe tambanivohi-dahy basy vava akory anefa ny tena
novalian'i sahia ny 26/01/2015 07:51
2. endriny ( 01/09/2014 04:22)
Ny Malagasy ry ise dia olona tsy sahy miseho sehatra a, fa mpitsikilo sy mpifosa any ambadika fotsiny, ka aza menatra ise na gaga... Mijery fotsiny ry zareo fa tsy mandray anjara. Dia rehefa avy eo mifampitokiky fotsiny any ambadika any...

Izaho aza mbola mandinika hatramin'izao hoe ahoana no nahatonga ny Menalamba ho nitambatra toa ireny taloha...

Fa hatramin'ny nahafoana ny Menalamba dia toa ilay olona mpifosa sy mpitsikilo eny ambaravarakely no betsaka sisa...
3. 5laody ( 01/09/2014 05:27)
salama daholo eee
Aza menatra na misalasala fa ny soratanao eto anie indraindray no ahafantarana ny zava-mitranga e.
Fa izao, raha tsy hazavazavainao kely lay izy indraindray dia mbola lasa mitady loharanom-baovao hafa any ny pokona dia tsy tafaverina eto raha tsy elaela.
Raha olona tsy fantatra loatra koa ohatra no resahanao dia mbola mitady hoe iza ary izany n efa ianao efa miteny azy hoe mialà.

RAha tsy avy aminao ny loharano dia alaivo apetaka eto dia lazao izay tsy tantinaoam le izy dia araho hoe sa ahoana ry vahoaka?
4. rabaradaka ( 02/09/2014 10:43)
Misaotra ry zareo a !
5. hery ( 02/09/2014 11:00)
Tsy mahamenatra izany ka.
Izaho afaka milaza hoe betsaka ny mpamaky fa tsy voatery mamaly na manoratra.
Mihainohaino fotsiy ao ry zareo.

Ka aza ajanona ny filazàna ny zava-misy
6. mpisotrtoaka ( 09/09/2014 08:08)
Ts menatra fa ts mahatoky tena ny ankamaroan'ny Malagasy hany ka vitan'ny any ambadika any avokoa izay tiany rehetra !
7. rabaradaka ( 23/09/2014 08:18)
isika malagasy mantsy ry dadatoa Hery tsy mba sahy mijoro fa bonaika tsy be resaka nefa mpihatsara ivelatsihy ny ankamaroany. Aleo fa tohizako ny resaka ary e ! sady ny resaka alefako eto dia misy porofo daholo mihitsy saingy tsy mbola fotoana anehoana izany aloha izao. Izahay aty ambany ravin-kazo aty moa dia vary be menaka izao no malaza fa ny resaka koa tsy latsa-danja amin'izany. Samia ho tahian'ny Nahary e !
8. vahiny2004 ( 23/09/2014 09:02)
rabaradaka:

isika malagasy mantsy ry dadatoa Hery tsy mba sahy mijoro fa bonaika tsy be resaka nefa mpihatsara ivelatsihy ny ankamaroany.


Ny bonaika aloha mety betsaka , fa ny hoe mpihatsara ivelatsihy ? Tsy haiko aloha fa izaho tsy afaka mitsara ny olona raha tsy miteny izy ho mpihatsara ivelatsihy .

Mety azo lazaina ihany koa hoe mety tsy mahaliana azy ilay resaka dia mamaky fotsiny izy
9. mirananirina ( 28/09/2014 10:36)
Ö mahamenatra ve ny manoratra!!!! Na tsy misy mamaly aza fa misy mijery dia izay no zava-dehibe.
10. sahia ( 26/01/2015 07:51)
Ilaina ny olona mahasahy milaza ny zava misy sy marina tahaka anao rabaradaka an, aza menatra mintsy fa mijoroa hatrany, anisan'ny ahatsiarovako ilay mpanao gazety malagasy anakiray izay (Ingahy LATIMER RANGERS), ialako tsiny rah diso fanoratra an, fa izy io dia tena mendrika ny maha mpanao gazety azy? OMEO VAO2 HATRANY zaay rabaradaka an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4264