Raovina va ho lasa Kristiana ny Malagasy ?

1. miarana ( 22/08/2014 09:42)
"Madagasika ho an'i Kristy ary Kristy ho an'i Madagasikara."

Ho tanteraka ihany ve io teny io ?

To ireo samy milaza ho Kristiana ihany aza no mifanenjika. Iza no tena marina e ?
novalian'i endriny ny 02/09/2014 04:11
2. Maranatha ( 22/08/2014 09:58)

miarana:

"Madagasika ho an'i Kristy ary Kristy ho an'i Madagasikara."

Ho tanteraka ihany ve io teny io ?

To ireo samy milaza ho Kristiana ihany aza no mifanenjika. Iza no tena marina e ?

Ny hoe Kristiana mifanenjika aloha dia tsy dia mahagaga loatra intsony satria toy ny t@ andron'ny kaina sy Abel ihany io rehefa tsy ankasitrahan'i Ray ny zavatra izay nataon'i Kaina dia nanjombona ny tarehiny ka nialona ny rahalahiny izy. Ary ny fiafarany dia namono ny rahalahiny. Toy izay koa ireo izay manenjika ankehitriny hitany fa ratsy ny asany tsy mahafeno ny mari-drefy izay voalazan'ny soratra masina izy dia manenjika sisa e!

Raha tiana ho iray ny Kristiana eto M/car ohatra dia mila samy manenjika ilay mari-drefy izay voalazan'ny soratra masina. Ny marina dia ny marina ihany. Izay avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko hoy ny Tompo raha nanontany Azy i pilato.

Ny olana dia tsy te hivoatra ho amin'ny marina intsony ireo fiangonan-dehibe fa efa izay hono no niainany hatramin'izay. Tsy afenina aloha fa tena be olona be mihintsy manaraka azy ireo. Logique be satria malalaka be ny lalana ka samy te higodana daholo. Fa raha terena ny lalana hampifanarahana ny sitrampn'i Ray izay any an-danitra dia mihena ampitoerana toy ny fen'atitra ny isan'ny mpino ao. Ny famonjena anefa tsy miakina @ habetsahana fa miankina @ fankatoavana ny fahamarinana. Izay no nilazan'i tompo hoe MISESEHA HIIDITRA @ VAVAHADY ETY HIANAREO FA MARO NO TE HIIDITRA FA TSY AFAKA . ETY NY VAVAHADY MANKANY @ FIAINANA KA VINTSY NO MAHITA AZY.

Manana safidy izay hatao isika ry miarana a! ho mpanenjika sa ilay henjehina ?? Ho mpankato ny marina sa izay mba tiako hatao ao @ soratra masina ihany no hataoko????
3. miarana ( 22/08/2014 10:12)
misy amin'ireo Fivavahana (milza ho kristiana) anefa no manaonao foana ka tsy hanintona ny hafa hankafy ny maha-kristiana mihitsy.

Ho ahy manokana dia misy Fivavahana tsy ankasitrahako mihitsy na dia milaza azy ho marina aza izy. Tsy milaza aho fa ny ahy ihany no marina, fa na izany aza tsy marina amiko ny zavatra ataony anefa dia misy mpivavaka maro ao aminy.
4. sitlo ( 22/08/2014 11:00)
Nahoana aloha Madagasikara no ho an'i Kristy na ho an'ny kristianina? Izany ve tsy tonga amin'ilay hoe Indonezia ho an'ny silamo ka nahatonga ady tamin'ireo boudhista?
5. rhaj0 ( 22/08/2014 15:05)
Dia ilay Kristiana (sasany) koa avy eo milaza fa "Kristiana aloha vao Malagasy".. Ka tena naman'ny tsy asian'ny sasany sira izany ny Malagasy na i Madagasikara rahefa (lasa) Kristiana zareo.

Dia tsy mifankaiza @ Indonezia/silamo tokoany anie izany izy izany e...
6. endriny ( 23/08/2014 06:01)

miarana:

"Madagasika ho an'i Kristy ary Kristy ho an'i Madagasikara."

Ho tanteraka ihany ve io teny io ?

To ireo samy milaza ho Kristiana ihany aza no mifanenjika. Iza no tena marina e ?


Aoka aloha fa i Madagasikara ho an'ny Malagasy ka. Sa mety marina ihany ny teninao ka izany angamba no tsy ilan'ny Eraopeanina visa intsony mankaty Madagasikara.

Ilay hoe Krostianina mifanenjika, efa im-betsaka noresahina teto io, fa ry zareo milaza hoe manao fifaninana masina hono izy fa tsy mifanenjika izany...

Misaotra tamin'ny hevitra.
7. miarana ( 23/08/2014 07:33)
ny hoe : "Madagasika ho an'i Kristy ary Kristy ho an'i Madagasikara." dia avy amin'ny kristiana ihany no nivoahany ary faniriana ho azy tokoa io.

Toy izany ihany koa : ra silamo monina eto Madagasikara dia maniry indrindra ny hoe " Madagasikara ho an'ny Silamo "

Tsy lavitra izany ihany raha mandala ny maha Malagasy sy miaina ny maha-Malagasy dia mametraka hatrany ny hoe "An'ny Malagasy i Madagasikara "
8. endriny ( 25/08/2014 06:01)
Taloha aza i Madagasikara efa kristianina koa, efa nantsoina hoe St Laurent, dia izay misy hoe Ste Marie, Cap St Andre, St Augustin koa any Toliara.
9. moustaraf ( 25/08/2014 06:45)
Salama namana,
Ilay hoe Madagasikara ho an'i Jk izany dia ataovy any antsain'izay mandala an'izany any, fa faharesen dahatra amn finoana io e!

Inona indray no holazaina rehefa tonga ny fotoana hanafoanana ny anarana sandoka kristy ao amn baiboly?? tahaka ilay Jehovah iny??
Fotoanan'ny fandinihana izao,
Mifohaza isika izay matory, tsy misy famonjena amn izany kristy (krestos) grika izany, ny mpamosavy sy ny forongony no nantsoina tamn'izany anarana izany.

Omeo sy atolory an'i krestos ny tenanareo fa i dago kosa alao ho izao ihany e
10. yohanan ( 25/08/2014 12:05)
SHALÔM,
Madagasikara an'YESHO'AH satria ny Malagasy dia taranaka HEBREO.
Tsy ho ela d ho tanteraka izany noho ny fisian'itony SERASERA itony.
(Raha tsy hilaza afa-tsy ny ao @ SPACE RADIO FM104.6 Mhz eto Tana fotsiny,
Alahady maraina 06h45 + Alarobia alina 20h45)
Mazotoa mihaino ê!
11. endriny ( 25/08/2014 16:48)

yohanan:

SHALÔM,
Madagasikara an'YESHO'AH satria ny Malagasy dia taranaka HEBREO.
Tsy ho ela d ho tanteraka izany noho ny fisian'itony SERASERA itony.
(Raha tsy hilaza afa-tsy ny ao @ SPACE RADIO FM104.6 Mhz eto Tana fotsiny,
Alahady maraina 06h45 + Alarobia alina 20h45)
Mazotoa mihaino ê!


Hebreo mainty hoditra ve?
12. yohanan ( 01/09/2014 11:45)

endriny:


yohanan:

SHALÔM,
Madagasikara an'YESHO'AH satria ny Malagasy dia taranaka HEBREO.
Tsy ho ela d ho tanteraka izany noho ny fisian'itony SERASERA itony.
(Raha tsy hilaza afa-tsy ny ao @ SPACE RADIO FM104.6 Mhz eto Tana fotsiny,
Alahady maraina 06h45 + Alarobia alina 20h45)
Mazotoa mihaino ê!


Hebreo mainty hoditra ve?


Izay l tsy fahalalana. Mihainoa fanazavana na mifampiresaka tsara fa ireo ao Ysrael ireo anie ka antsoina hoe KAZAR ê! Fa ny Hebreo dia taranaka avy @ vehivavy 4 vadin'i Jakoba. Misy ireo mpiasa vavy (Zilpa , Bila) izay mainty
13. sitlo ( 01/09/2014 19:51)
Taranaka vady kely izany
14. endriny ( 02/09/2014 04:11)

yohanan:


endriny:



yohanan:

SHALÔM,
Madagasikara an'YESHO'AH satria ny Malagasy dia taranaka HEBREO.
Tsy ho ela d ho tanteraka izany noho ny fisian'itony SERASERA itony.
(Raha tsy hilaza afa-tsy ny ao @ SPACE RADIO FM104.6 Mhz eto Tana fotsiny,
Alahady maraina 06h45 + Alarobia alina 20h45)
Mazotoa mihaino ê!


Hebreo mainty hoditra ve?

Izay l tsy fahalalana. Mihainoa fanazavana na mifampiresaka tsara fa ireo ao Ysrael ireo anie ka antsoina hoe KAZAR ê! Fa ny Hebreo dia taranaka avy @ vehivavy 4 vadin'i Jakoba. Misy ireo mpiasa vavy (Zilpa , Bila) izay mainty



Izaho no tsy nahalala ary eh

Aleo hazava aminao fa ilay frantsay iray atao hoe Etienne de Flacourt no nanimpy io hevitra hoe Jiosy io ny Malagasy, tamin'ny taona 1658 izany. Ny antony dia ny frantsay tsy tia Jiosy satria ny Jiosy hono namono an'i Jesosy. Moa I Flacourt rehefa tonga tao Taolagnaro Fort Dauphin dia tsy nahay niteny gasy, ka nandosiran'ny olona. Dia nampitoviany tamin'ny Jiosy ny Malagasy.

Fa aza mamita-bahoaka. Dia io fijerin'i Flacourt io no mody roritina mandraka ankehitriny. Ataon'ny Jiosy fivanitihana fotsiny ny Malagasy amin'ilay hoe: "Madagascar, An almost Jewish homeland".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2019