Fa iza moa ianao no hamaritra amiko ny lanitra sy tian'Atra atao?

1. endriny ( 26/07/2014 03:13)
Fa iza moa ianao no hamaritra amiko ny lanitra sy tian'Atra atao?

Io no mba fanontaniana apetrako amin'ireo milaza fa mahalala ny resak'Atra sy ireo mametraka sivana sy fepetra andehanana ho any amin'izany lanitra izany. Iza moa ianao mirehaka ho mahalala an'Atra sy ny foto-pisainany nefa i Jesosy aza niaiky fa izay hain'Atra tsy voatery ho hainy?

Iza moa ianao mpampitahotra ny fiarahamonina amin'ny helo nefa mbola tsy nandia akory na nahita vavolombelona nihaona tamin'izy Tompo?
novalian'i endriny ny 30/07/2014 06:47
2. endriny ( 26/07/2014 04:32)
Dia naringana ny Menarana sy ny Bado ary ny Mandotra fa hoe bibilavan'ny Demonia araka ny namaritany azy. Kanefa tsy hainy fa biodiversite tsy misy afa tsy eto Madagasikara ireo... Fa iza moa ianao?
3. endriny ( 27/07/2014 05:01)
Be ireo misoratena toa voatango fa mahalala ny sitrapon'ilay Atr'i Abrahama, ka mitory ny tsy hitany. Raha anontaniana izy ireo hoe: "ahoana no anaporofoanao fa izay tokoa no sitrak'Atra, sy iriny? Ary izany lazainao izany tokoa no lalana mankany an-danitra fa tsy amin'ny fiaramanidina?"

Dia hoy izy mamaly: "sambatra izay tsy nahita kanefa mino"

Fandemen-tsaina io fomba famialana io, satria ny olona rehetra mitady fahasambarana. Ka dia tereny fotsiny ianao hino izay voalazany raha te ho sambatra. Dikany mitovy amin'ilay hoe: "lasa any amin'ny afobe mandrakizay ny fanahianao raha tsy manaraka ilay boky amidiko aminao ianao, dia ilay atao hoe soratra masina io"...

Fa ny fampianaran-diso dia maharitra saingy foana rehefa mahita ny mazava ny olona....
4. endriny ( 30/07/2014 06:47)
Ho ahy ireo olona te hametaka ny fahefany eto amiko, ary te hifehy ny fihariana ataoko, ny fombako, ary ny safidiko no tonga mitory sy mitantara fa izy no mahalala an'Atra sy ny hafany, ary izy tonga hitory ny vaovao mahafaly.

Dia tonga izy hametraka didy aman-dalana eto amiko araka ny boky novakiany. Toa adinony anefa fa ny zavatra lehibe fonosin'io boky io dia ny fahendrena, fifanajana ary fiaraha-monina mirindra.

Dia roritina sy atao dridrangilo ilay hoe lanitra: 1) "inona no atao hoe lanitra?"; 2) "iza avy no tokony handova ny lanitra?", 3) "Inona no atao raha te ho any an-danitra?"... Fepetra re izao fepetra... angamba tsy misy ho tonga any mihintsy...

Fa izao no nolazaina : "Ety an-tany tahaka ny any an-danitra", ary misy ny lahatra sy ny anjara...

Koa aza mora mino ny mpanao tsianjery, na ny mpitaty ra-kena, fa ny an'ireny ny vavany no fidiram-bolany. Tsy hoe ratsy akory ny miresaka, fa resaka tsy arahin'asa rivotra ihany. Mety io rivotra io ihany tokoa ny lanitra a... Lanitra mangamanga o !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.176