FANDRESENA TANTERAKA

1. Maranatha ( 24/07/2014 07:02)
“Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany, ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ Ondry, ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany sady tsy manan-tsiny izy.” Apokalypsy 14 : 4, 5 ARAHO ATO NY AMBANGOVANGONY]
novalian'i Maranatha ny 08/08/2014 06:56
2. rhaj0 ( 24/07/2014 12:41)
Revelation 14:3,4 No one could learn the song except the 144,000 who had been redeemed from the earth. 4 These are those who did not defile themselves with women, for they remained virgins.

Eeeee... indrisy dia indrisy... ka dia very ianao izany ry Maranatha.. na ny marimarina kokoa hoe, TSY very fa miaraka aminay "tsy hita isa" e....

Ka io mazavabe "voasoratra" io izao fa, ireo 144.000 dia "TSY voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virjiny"
3. rhaj0 ( 24/07/2014 12:52)
Dia fa maninona koa no "maloto" rahefa manao @ vehivavy lehiretsy... dia rahefa tsy hanan-janaka ihany ianao, ka dia sahala @ tsy manan-dreny koa ve izy ao izany...
4. Maranatha ( 24/07/2014 12:58)

rhaj0:

Revelation 14:3,4 No one could learn the song except the 144,000 who had been redeemed from the earth. 4 These are those who did not defile themselves with women, for they remained virgins.

Eeeee... indrisy dia indrisy... ka dia very ianao izany ry Maranatha.. na ny marimarina kokoa hoe, TSY very fa miaraka aminay "tsy hita isa" e....

Ka io mazavabe "voasoratra" io izao fa, ireo 144.000 dia "TSY voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virjiny"


Ny dikan'ny hoe virijiny eto ry rhaj0 dia ilay tsy nandray fampianaran-diso, madio izy satria ny fampianaran'ny lanitra no noraisiny tsy voaloto ny fijangajangan'i babilona na ny fampianaran-dison-dry zareo ao @ katolika.

Hianao koa na dia efa naloto tao aza dia mbola afaka ny ho diovina e! . Ny hanaovana ny kaonty dia na hianao maty dia eo no jerena na nandray fampianaran-diso no nentinao ao ampasana toy ny hoe asanao tety ambonin'ny tany na hianao efa voatsara ka izay no hitsarana anao.
5. rhaj0 ( 24/07/2014 13:19)
Dia tena mateti-pihavy eto aho, azony dia tena "revelation" mihintsy amiko re ry Maranatha ity andininy nofantenanao ity.

DIa ahoana ny vehivavy.. Zareo izany tsisy kOty ??? Ny lesbienne efa tsy kOty fa mety "voaloto tamin'ny vehivavy" koa, ny tsy lesbienne niteraka dia "tsy virijiny". Ny tena sur tsisy iadian-kevitra aloha izany izao, raha io Apokalypsy 14 : 3,4 io no raisina, dia ny "reny" rehetra dia TSISY mankany.


An an... dia mila mandinika lavalava ianao eto ry Maranatha ...


Raha hanampy anao aho, dia lazaiko hoe, toa "tantara" ho fampaherezana ireo mopera sy masera ity andininy nofantenanao re, mba hitozo @ celibacy-ny ao zareo ireo, ary dia "ampanantenaina" ho isan'ny 144.000 ...

[size=8](hey... i Hery ao ve Mopera?)[/size]
6. rhaj0 ( 24/07/2014 13:25)
'zafady fa nifanitsaka ny valin-teny..


Fa toa "spin" ataonao izy izany... (mahery angamba i Maranatha ity rahefa manao ping-pong :)

@ teny anglisy izao dia :
These are those who did not defile themselves with women, for they remained virgins

women = izay vehivavy rehetra. Ary raha atao @ kisarisarinao, dia izay vehivavy, h@ "tsy hita isa" ka h@ "ilay tokana". Raha navahana "ilay tokana" dia notsipihina teto.
7. rhaj0 ( 24/07/2014 14:28)
Fa nanohy namaky ny Revelation aho io... ka dia ... tena tsy afaky ny hiady kalo @ antitra tokoany ity, fa dia ... misy lojikany tokoany ny lojikan'i Maranatha ao...

Fa na izany na tsy izany dia tsy kapoaka e... na raisiko ho sonema io (filma fantasy), na raisiko ho ping-pong (spin), na kisarisary arak'i Maranatha...

Koa na raisiko araky ny fandraisan'i Hery azany, hoe aingam-panahy io, dia tena TSY manainga ny fanahiko ireto andininy...
8. endriny ( 25/07/2014 05:11)

Maranatha:


Ny dikan'ny hoe virijiny eto ry rhaj0 dia ilay tsy nandray fampianaran-diso, madio izy satria ny fampianaran'ny lanitra no noraisiny tsy voaloto ny fijangajangan'i babilona na ny fampianaran-dison-dry zareo ao @ katolika.

Hianao koa na dia efa naloto tao aza dia mbola afaka ny ho diovina e! . Ny hanaovana ny kaonty dia na hianao maty dia eo no jerena na nandray fampianaran-diso no nentinao ao ampasana toy ny hoe asanao tety ambonin'ny tany na hianao efa voatsara ka izay no hitsarana anao.



Ary hay ve izany no dikan'ny virjiny e, ka nahoana no hoe tsy voaloton'ny fijangajanga izy... Toa ianao ihany no mandiso ny tenanao, fa aza fady... Raha hoe ny virjiny dia olona tsy nandray ny fampianaran-diso. Dia tsy virjiny daholo izany ireo olona taloha nianatra hoe ny tany ange ka fisaka...

Dia mety ho firy izany ny isanay tsy lasa any amin'izany lanitra izany re e? Mety ho 66666666666666666666666666666 ve?

Ary kely batitiny kely izany lanitra izany, fa na ny Colloseum aza mbola mety mahazaka 200.000 mbamin'ny mpijery mitsangana a. Hitako no mila misy mifamono sy mifamosavy mihintsy miady toerana mba ho any k'ty
9. RBNIR ( 25/07/2014 09:36)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

« Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. » (Apok.14:4)
« Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy. » (Apok.14:5)


Mifono zava-miafina ireo teny ireo fa tsy ara-bakiteny akory, Ary ny mana-porofo fa tsy ara-bakiteny dia izao : raha ny olona tena nanaraka an'i Jesosy fony Izy tonga nofo tety an-tany dia 12 lahy fa tsy 144 000 akory.

Io no porofo fa manana heviny miafina fa tsy ara-bakiteny akory ireo teny ireo,

Raha ireo toko sy andininy 2 ireo fotsiny ohatra dia maro ny teny manana hevitra miafina ao, ohatra "tsy voaloto tamin'ny vehivavy, virijiny, manaraka an'i zanak'ondry na aiza no alehany.

Raha tianao ny hamantatra ny MARINA momba ireo teny ireo sy ny tena MARINA momba ny isa 144 000 (ara-bakiteny v? ireo ihany ve no isan'ny ho voavonjy? iza marina tokoa izireo, sns....) dia manasa anao am-pitiavana aho hanaraka ny fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana isa-maraina (alatsinainy ka hatramin'ny zoma amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 6ora) ao amin'ny KOLO TV .

Fandaharana iray mampianatra antsika ny fahamarinana rehetra ao amin'ny Baiboly, ary indrindra indrindra ny zava-miafin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY.
Hampahafantatra anao ny MARINA rehetra mba hahafaka anao tsy ho andevo marina tokoa ary indrindra indrindra hananao fanantenana marina fa tena HO MPANDOVA NY FIAINANA MANDRAKIZAY TOKOA IANAO,

Ho an-tsika any amin'ny faritany dia efa hita amin'ny alalan'ny canal+sy canalsat koa izao ny KOLO TV.

Ny Tompo anie homba an-tsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
10. Maranatha ( 25/07/2014 09:52)

endriny:

Ary hay ve izany no dikan'ny virjiny e, ka nahoana no hoe tsy voaloton'ny fijangajanga izy... Toa ianao ihany no mandiso ny tenanao, fa aza fady... Raha hoe ny virjiny dia olona tsy nandray ny fampianaran-diso. Dia tsy virjiny daholo izany ireo olona taloha nianatra hoe ny tany ange ka fisaka...

Tena azonao tsara tokoa f'izay nandray ny fampianaran-diso mikasika ny soratra masina (f'aleo hazava ) tsy nandray ny fampianarana tsy misy kilema avy an-danitra izay nentin'ny mpanompony dia voaloto.

endriny:

Dia mety ho firy izany ny isanay tsy lasa any amin'izany lanitra izany re e? Mety ho 66666666666666666666666666666 ve?
Ary kely batitiny kely izany lanitra izany, fa na ny Colloseum aza mbola mety mahazaka 200.000 mbamin'ny mpijery mitsangana a. Hitako no mila misy mifamono sy mifamosavy mihintsy miady toerana mba ho any k'ty

Ny azo antoka aloha dia marobe tahaka ny fasika eny amin'ny ranomasina ny tsy ho tody any an-danitra.
Tsy kely ny lanitra ka ny 144 000 no mijoro eo anolohan'ny ranomasina fitaratra fa ny vahoaka marobe tsy tambo isaina izay mitana sampan-drofia eny an-tanany dia mitsangana eo anolohan'ny seza fiandrianan'i Ray.
Fa vitsy ireo raha hoharina amin'n'ireo izay ho very. Misy aza efa voaantso ho ao anefa tsy voafidy fa havela. Misy efa voahantso sy voafidy fa tsy mahatoky dia havela ihany koa. izay no mahatonga ny tompo hiteny hoe miseseha hiiditra @ vavahady ety hianareo fa malalaka ny varavarana mankany @ fahaverezana ka maro no mankany fa ety ny lalana mankany @ fiainana ka vitsy no mahita azy.

Ny ho anao Fiainana sa fahafatesana??? anjaranao ny misafidy.

Izaho dia tahaka ny Tsatoka mipetraka eo @ sampanan-dalana ihany (panneau) manondro ny lalana hoe aty raha ho ary, iry no mankary, itsy makatsy sns... fa anjaranareo tsirairay no misafidy izay lalana hizoranareo
11. Maranatha ( 25/07/2014 10:00)

RBNIR:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

« Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. » (Apok.14:4)
« Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy. » (Apok.14:5)


Mifono zava-miafina ireo teny ireo fa tsy ara-bakiteny akory, Ary ny mana-porofo fa tsy ara-bakiteny dia izao : raha ny olona tena nanaraka an'i Jesosy fony Izy tonga nofo tety an-tany dia 12 lahy fa tsy 144 000 akory.

Io no porofo fa manana heviny miafina fa tsy ara-bakiteny akory ireo teny ireo,

Raha ireo toko sy andininy 2 ireo fotsiny ohatra dia maro ny teny manana hevitra miafina ao, ohatra "tsy voaloto tamin'ny vehivavy, virijiny, manaraka an'i zanak'ondry na aiza no alehany.

Raha tianao ny hamantatra ny MARINA momba ireo teny ireo sy ny tena MARINA momba ny isa 144 000 (ara-bakiteny v? ireo ihany ve no isan'ny ho voavonjy? iza marina tokoa izireo, sns....) dia manasa anao am-pitiavana aho hanaraka ny fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana isa-maraina (alatsinainy ka hatramin'ny zoma amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 6ora) ao amin'ny KOLO TV .

Fandaharana iray mampianatra antsika ny fahamarinana rehetra ao amin'ny Baiboly, ary indrindra indrindra ny zava-miafin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY.
Hampahafantatra anao ny MARINA rehetra mba hahafaka anao tsy ho andevo marina tokoa ary indrindra indrindra hananao fanantenana marina fa tena HO MPANDOVA NY FIAINANA MANDRAKIZAY TOKOA IANAO,

Ho an-tsika any amin'ny faritany dia efa hita amin'ny alalan'ny canal+sy canalsat koa izao ny KOLO TV.

Ny Tompo anie homba an-tsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo


Eto no mahasamihafa ny sabatiste sy ireo fifohazana sandoka rehetra . Eto no tena hahafantarana ilay vehivavy ilay hoy i Kristy TOKANA KOSA NY VOROMAHILALAKO Tonon-krira 6:9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. ISA ARA-TANDINDONA SA ARA-BAKITENY NY 144 000 ???
12. Maranatha ( 25/07/2014 10:56)
13. rhaj0 ( 25/07/2014 13:13)
Maranatha:

Tonon-krira 6:9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany.

Dia mba miangatra izao r-a-d-n'i Maranatha ao izao izany:
- samy zanany "naterany" izao ihany,
- samy zaza "notezainy" tao izao ihany.

Dia tena tsisy fon-dreny koa izy izany, fa dia aringany hono satria tsy manaraka ny Didiny.

Dia vao mainka azany toa olon-doza izy izany, fa ilay "misy kilema" izany tena tsy reviny. Hendry ihany ny Ntaolo namorona ny tantaran'Ifaramalemy, ary hendry ihany ny zaza Malagasy fa nianatra milefitra sy mitia, satria dia "nino" izay Anganon'ny Ntaolo izay.
14. endriny ( 26/07/2014 04:36)
Vao ilay lohateny hoe "Fandresena tanteraka" dia efa mampihoraka ny mpijery... toa tsy adinoko ilay hira fiventy hoe "Iny lalan'iny e... lalan-tsarotra..."..

Ilay lalan-tsarotra nitondra tany amin'ny fandresena tanteraka ka dia indreo ianareo nandresy tokoa fa ny vahoaka mihoby toa mbola ety amin'ny lalan-tsarotra foana...

Ho ela velona anie ny fandresenareo ary tsy aharitra ela ny fahorianay...
15. Maranatha ( 28/07/2014 07:12)
rhaj0:

Maranatha:

Tonon-krira 6:9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany.

Dia mba miangatra izao r-a-d-n'i Maranatha ao izao izany:
- samy zanany "naterany" izao ihany,
- samy zaza "notezainy" tao izao ihany.
Dia tena tsisy fon-dreny koa izy izany, fa dia aringany hono satria tsy manaraka ny Didiny.
Dia vao mainka azany toa olon-doza izy izany, fa ilay "misy kilema" izany tena tsy reviny. Hendry ihany ny Ntaolo namorona ny tantaran'Ifaramalemy, ary hendry ihany ny zaza Malagasy fa nianatra milefitra sy mitia, satria dia "nino" izay Anganon'ny Ntaolo izay.

Samy zanany naterany izao tokoa ka . Toa an'i satana izay Izy no nanao azy fa saingy mitady haka ny toeran'ny R.a.r ilay zaza. Ary tsy vitan'izany fa mitady hanongana ny fitondram-panjakan'i Rainy sy mitady hitovy zo @ io Rainy io .
Dia tsy ilay Rainy aloha no niady t@ io zaza mpiodina io fa ilay zanaka izay mahatsiaro fa tsy mety izany ataon'ity zanaka adala ity. Nomena famindram-po foana mba ho zaza mpankato fa e! e! . Ny ho fiafarany dia ny ho aringana e!

Ny zavaboarin'i Ray dia tsy nisy kilema t@ vao vita fa vokatry ny fahotana no mahatonga ny fahafatesana sy ireny kilema ireny. Dia ampaherizina sy orina ny manan-kilema mba ho afaka hitsangana sy hiverina amin'ny laoniny.

Mifona aho raha hiteny aminao izao : Hianao izao dia mana-kilema amin'ny aram-panahy, dia io hianao hatoroko ny lalana marina io (oriko sy hatanjahako) mba hahatonga anao hatanjaka @ aram-panahy. Mahereza r'ise a!
16. rhaj0 ( 28/07/2014 14:58)
Dia ianao koa izany ry Maranatha dia toa an'i Tefigasy, ka ... "Krisitiana aloha izay vao Malagasy".

Izaho indray dia miaiky ny fahendren'ny Ntaolo :
"Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka."

Ka ny r-a-d-n'i Maranatha izany ... toa tsy gasy kouh....

Izaho tsy mino fa toa izay fahazoan'i Maranatha izay Izy, fa i Maranatha no fatra-mpitsingoloka ireto andininy nasisiky ny olombe tao @ Baiboly tao... Satria ve mampetimety ny baolin'i Maranatha ny "aharingana" ny "tsy hita isa" ??
17. Maranatha ( 29/07/2014 05:53)

rhaj0:

Dia ianao koa izany ry Maranatha dia toa an'i Tefigasy, ka ... "Krisitiana aloha izay vao Malagasy".


Malagasy Kristiana izany : izany hoe ny maha Malagasy aloho vao ny maha -Kristiana. Malagasy aho ry Rhaj0 a! tena malagasy fa raha misy Didin'i Tsitoha dikain'io maha Malagasy ahy io dia ajanoko aloha ny maha malagasy ahy. Ny tena izy izany dia kristiana malagasy aho. Ny sitra-pon'i Ray no mandeha aloha vao ny maha Malagasy ahy raha toa mifanaraka @ sitrapon'i Ray no takian'ilay maha malagasy dia izaho mihintsy no mandeha manao izany voalohany.

rhaj0:

Izaho indray dia miaiky ny fahendren'ny Ntaolo :
"Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka."
Ka ny r-a-d-n'i Maranatha izany ... toa tsy gasy kouh....


Fa angaha moa aminao diso izany an'ny Ntaolo izany mipetraka tsara izany. Ampiaharaho amin'ity an'ny ntaolo iray ity izany fa tena tsara petraka tokoa ." Tiana ny zanaka fa rehefa manaiki-nono dia ahifika."

rhaj0:

Izaho tsy mino fa toa izay fahazoan'i Maranatha izay Izy, fa i Maranatha no fatra-mpitsingoloka ireto andininy nasisiky ny olombe tao @ Baiboly tao... Satria ve mampetimety ny baolin'i Maranatha ny "aharingana" ny "tsy hita isa" ??


Rhaj0 a! ny soratra rehetra voasoratra ao @ soratra masina aloha tsy hoe olom-belona no nanisika andinininy izay tiany fa izay rehetra voasoratra ao @ soratra masina dia tsindri-mandry avy @ Tsitoha avokoa II tim3:16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Ny Avo-indrindra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, ity koa mbola misy iray
II Pet 1:20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Ny Avo-indrindra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.


haringana ny Rhaj0 a! tsy mbola novakianao angaha ity Apok 20:12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy]14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy]15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
Ity koa mbola misy iray Apok 21:8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
18. rhaj0 ( 29/07/2014 13:04)

Maranatha:
izany hoe ny maha Malagasy aloho vao ny maha -Kristiana ... dia ajanoko aloha ny maha malagasy ahy...

Dia inona ihany re izy izany ry Maranatha a... Fa tsara raha ny fahatsapanao voalohany dia "Malagasy aloho vao ... Kristiana"

Maranatha:
" Tiana ny zanaka fa rehefa manaiki-nono dia ahifika."

... "temporairement".. fa "ultimement"... "ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka."
(tsisy r-a-d "nandringana" ny zanany satria nanaiki-nono)

Maranatha:
haringana ny Rhaj0 a

Cool... Izy azany "handringana" kouh... dia ianao Maranatha faly fa"naringana" zahay... Zahay moa izany efa "ringana", efa tsy eto intsony, fa nareo "tsy ringana" izany tena misonanina (eo ambonin'ny faharinganana) an...

(dia tena aleoko lavitra mihintsy ny ho "ringana"...)
19. RBNIR ( 29/07/2014 14:09)
Faly miaraha namana,

Asehon'Andriamanitra mazava eto ny antony nahatonga an'Andriamanitra handrara ny amin'ny adi-teny tsy mahasoa namana

MAMPALAHELO..........

Samia mandinintena dia samia miheritreritra namana.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo,
20. rhaj0 ( 29/07/2014 15:33)
RBNIR:
Mifono zava-miafina ireo teny ireo fa tsy ara-bakiteny akory... dia manasa anao am-pitiavana aho hanaraka ny fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana isa-maraina...

Maranatha:
Eto no mahasamihafa ny sabatiste sy ireo fifohazana...

RBNIR:
Asehon'Andriamanitra mazava eto ny antony nahatonga an'Andriamanitra handrara ny amin'ny adi-teny tsy mahasoa namana

Izaho mihevitra fa raha misy fanontaniana ato amiko, na koa hoe, misy hevitra tiako hazavazava, dia lazaiko sy zaraiko sy ifanakalozako @ mpiara-monina, fa tsy hoe "iadiako", izany hoe :
fifanakalozan-kevitra fa TSY "adi-teny".

- Efa malalaka izao no interinety, fa tsy hoe samy nihidy tao @ vohitra keliny tao ny tsirairay,
- ary efa malalaka ny fifanakalozana (sy ny saina), fa tsy hoe dia "miady" raha vao mifandray @ olona ivelan'ilay vohitra kely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1782