mitady toerana fianarana manotra eto tana

1. mimi ( 19/07/2014 08:29)
Izaho izany ry zareo mba te hianatra manotra somary be tanana aho dia tiako koa raha mahay manotra dia misaotra aminy valiteny e!
novalian'i mimi ny 24/07/2014 06:33
2. 5laody ( 19/07/2014 14:29)
Sali daholo sy Mimi irery,

Raha eto Tanà angamba tsy dia hahita mpampianatra firy ianao fa tsy maintsy mivoaka kely.
Misy olona manao fanamiana ireny manakana fiara tsotra sy fiara mpitatitra olona, tena henjana raha hanotra; Mety hanaiky hampianatra anao izy fa angamba mety asainy mandoa ekolazy satria azahoam-bola tokoa io asa io.

Izay no vazivazy fa toa misy karazany maro anie ilay manotra e (folaka, fanalana havizanana, fanatanjahan-tena sns). Raha otra tsotsotra fanalana havizanana aloha mety ho mora hita eny ihany fa bouche à oreille angamba no tena mandaitra raha hitady mpampianatra.
mahazotoa e
3. sitlo ( 21/07/2014 19:51)
Raha Tanà aloha dia ilay eny amin'ny aeroport Ivato ireny no tena mahay manotra, na ilay polisy ireny koa. Fa raha mivoaka kely indray dia ilay zandarma ireny indray.
4. mimi ( 24/07/2014 06:33)
misaotra amin'ny soso kevitra ry zareo an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1531