IREO 144 000 - TOLONA MBA HIAROVANA NY LALAN'I RAY TSITOHA

1. Maranatha ( 18/07/2014 10:24)
“Ary nahita aho, fa indro toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra. Ary mihira ny fihiran’ I Mosesy mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ Ondry izy manao hoe : Lehibe sy mahatalanjona ny asanao Tompo o ! Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao ry Mpanjaka mandrakizay.” Apokalypsy 15: 2, 3. ARAHO ATO NY TOHINY
novalian'i Maranatha ny 28/07/2014 06:59
2. rhaj0 ( 23/07/2014 13:53)
Miverina indray ny 144.000 an'i Maranatha.

Dia tena mino ve ho'a ianao fa ianao dia ho anisan'ireo 144.000 ho tafiditra any ? (rahefa avy miady mafy ao ka manaraka ny Didy rehetra ao ohatra, na mahay mitalaho ao ??)

Firifiry re ny olona teto an-tany, an'arivo taonany lasa izay, ka nahavita zavatra tsy takatry ny saina akoriny, nefa izany, ao @ finoanao ao, dia ianao dia (tena tokony ho) mendrika kokoa noho zareo, ary ho ampidirina ho isan'ny 144.000 ?

Dia firifiry koa izany ny olona teto an-tany, amina milliards, no ho ariana tsisy antra any @ tsihaitsihay any ??? h@ eskimo any avaratra ka h@ aborizena aostraliana any atsimo ?? h@ ntaolo ka h@ zafim-paladiantsika rehetra any ??? fa dia naninona loatra hono zareo ?? tsy nanaraka ny Didy ??

"Mifohaza Rabetorimaso Fa Maraina Izany Andro ..."
3. Maranatha ( 24/07/2014 05:13)

rhaj0:

tena malehelo mafy anao tokoa izaho sy ny Tompo ry rhaj0 noho ny tsy fahampiana fahalalana ara-tsoratra masina misy eo aminao. Angaha tsy tadidinao tà andron'i Noa fa an-tapitrisany anie no olona teto ambonin'ny tany fa 8 mianaka fotsiny no voavonjy , toy izany koa t@ andron'ny Lota 3 izy sisa no voavonjy t@ ireo vahoaka marobe tao Sodoma sy Gomoro.
Dia rehefa manontany ny Tompo ny mpianatra hoe moa maro va no ho vonjena dia izao no vali-teny homeny Matio 7:13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Liok 12:32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana

Dia ho haringana izany ireo ry rhaj0 raha tsy manaraka izay sitrampon' ny Tompo a! Vahoaka mankato ny lalàny no tiany hapetraka eto amin'ny tany izay nataony fa tsy vahoaka mpikomy amin'ny Mpanao azy na dia vitsy aza ireo.
4. rhaj0 ( 24/07/2014 15:52)
Ieee.. tena "tsy ampy fahalalana ara-tsoratra masina" tokoany aho.

Ka hono ho'a... mitovy @ ny eskimo kanadiana ary aborizena aostraliana sy amazoniana, sy koa ny ntaolo malagasy na koa ny vazimba ve aho ho'a @ izany ?

Ary dia...
- dia ho avotra ve zahay ireto, satria zahay ireto dia toa tsy nahalala akoriny ny @izany, sa
- dia ho "ringana" any daholo koa, miaraka @ ireo olona an-tapitrisany izay "tsy nanaraka ny sitrapoNY" na dia efa nampahafantarina na nahalala azany ?

Kidaladala ny fanontaniako. Fa raha ny marina, sahala @ tatsy @ ilany tatsy ihany, fa dia tena tsy @ kapoakako ny "andininy" amenao eto ry Maranatha. :
- na raisiko ho sonema io (filma fantasy),
- na raisiko ho ping-pong (spin),
- na raisiko araka ny dikany kisarisary arak'i Maranatha...
- koa na raisiko araky ny fandraisan'i Hery azy azany, hoe aingam-panahy io,
dia tena TSY manainga ny fanahiko mihintsy ireto andininy... tena TSY kapoakako.

Fa dia mahasoava e...
5. Maranatha ( 25/07/2014 09:28)

Ny Tsitoha tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana fa ankehitriny kosa izy mandindy ny olona rehetra mba hibebaka. Arakaraka ireo fahamarinana izay hita isaky ny vanim-potoana no hijeren'ny Ray ireo olona tena vonona hanompo Azy . izany no mahatonga ilay teny ao @ Romana hoe misy very tsy manan-dalàna, ary izay mahafantatra ny lalàna dia hotsaraina araka ny lalàna.
Betsaka r'ise no ho ringana a!
F'aza hadino fa betsaka ihany ireo olona voavonjy a! h@ andron'i Abel ka mandrampaha ....hoy ny Apok 7:9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany
Saingy vitsy ireo raha hoharina amin'ny isan'ny mponina nisy teto an-tany
6. rhaj0 ( 25/07/2014 13:48)
Dia tena mino ara-baki-teny ny "voasoratra" ao mihintsy izany kay i Maranatha.. Nataoko hoe, ho tohizan'i Maranatha ilay "fandikana" toa ny hoe "vehivavy=fiangonana", na "vehivavy janga=eglizy katolika", na "virijiny=fiangonana sabatista", ka mba hoe "anjely=??", "demony=??", sy ny how "bibidia=??"...

Nijery kely google ary aho ny @ "zava-manan-aina efatra" lazaina lava ao @ Apokalipsa ao, izay @ teny anglisy dia "four living creatures", dia nojereko ny wikipedia.. dia... tena hoe...

oadray... aoka re ry Maranatha...

Tsaroako ny zanako fony kely, fony nandrevibe ny @ santa claus-ny sns tao.. dia hoe, ny schtroumpf toa izao fa ny lutin toa izao kah... Dia avy eo zareo tatsy @ Harry Potter, ka hoe, ny Boggarts sy ny Centaurs ary ny Goblins sy ny Werewolves ka toa izao sy izao an... tandremo... Dia nekena fotsiny fa mba izay ilay mandrevy e.. taonany io...
7. Maranatha ( 28/07/2014 06:59)

Tena zanaky ny voasoratra hoe izaho ry Rhaj0 a! Manao ny soratra masina ho fitsipika mifehy ny fiainanay izahay.
Rhaj0 a! mbola miposaka ho anao ny mazava hararaoty raha mbola manana ny mazava hianao fa ho avy ny haizina ka tsy hahita lalana handehanana anie e! [color=blue]Amosa 8:11 Indro, avy ny andro, hoy Tsitoha Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Tsitoha ; [Heb. mosary]12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Tsitoha izy, nefa tsy hahita.(/color]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931