ARCHIVE NA PATRIMOINE NATIONALE

1. mpisotrtoaka ( 14/07/2014 11:46)
ISIKA MALAGASY VE MBA MAHAFANTATRA FA PATRIMOINE HO ANTSIKA IRENY ILAY TANTARA RADIOPHONIQUE TAM RNM TALOHA IRENY !? AIZA IZY IRENY ANKEHITRINY !? SA EFA VARIANA AM SERIE VAHINY D NY AN'NY TENA NO ATAO VALALAN'ALIKA !
2. jantina ( 14/07/2014 14:40)
Misy ihany mahafantatra, zah koa anisany fa saingy nodorana t@ 2009 ny sasany t@ izy ireny ary natakalo koa ny tantara, cinema tsy mampandroso sady tsy hitako ny maha zava-kanto azy. Mampiseho herisetra, @ zay lay rà hita be hoe merikiora sy fitafy tsy maotina sy zao rendrarendra rehetra izao. Ny villa be sy 4x4 sns hanaovana tournage. Ankohatra ny film fakofako vazaha! Zany mahatonga ny olona very ny maha malagasy: ilay fahendrena, kolotsaina, zavakanto tsara antsika!
3. 5laody ( 17/07/2014 14:23)

Sali daholo, dombera kely,

Raha tsy diso aho dia tsy fananam-panjakana izy ireny fa an'izy nanoratra na ny mpandova azy ireny. RAha tsy hita any amin'ny archive izy dia mety any amin'ny taranaky ny mpanoratra raha nahay nitahiry sy nandàla hafatra rizareo.
4. jantina ( 17/07/2014 15:21)
Marina zany 5laody, dia miankina @ ny fahatsaran-tsitrapon'ny taranak'ireo mpanoratra indray, izay nahatahiry ny sangan'asan'ireo artista raha mba foiny zaraina @ ny sehatra samihafan'ny haino aman-jery ohatra izany! (Raha tsy misy mangalatra manokana indray, izay mety ho antony tsy hizarany azy, mateti-pitranga io). Azo lazaina ho haren-tsaina ihany ngamba ny sasany @ izy ireny, zava-kanto, harem-pirenena tokony hotehirizina sy harovan'ny fanjakana koa, toy izay hita any @ firenena hafa. Ohatra hoe mety ho fitaovana azo ampiasaina ahitana ny fivohatry ny teny malagasy ohatra ny voambolana nampiasaina. Toy izany ny tantara mety hahita ny fivoharana na ny fitontongan'ny fiaraha-monina raha hatao ny fampitahana. Mety ilan'ireo mpilalao tantara aty aoriana koa, ireo izay mahita ny kanto ao sy mahay manome lanja azy ireny! Betsaka no soa mety ho azo @ fitehirizana sy fikojakojana ary fampiasaina koa rehefa ilaina ny tantara radiophonique tao @ radiom-pirenena malagasy taloha ireny, voalaza eto, ankohatra ny hoe maha zava-kanto azy rahateo tsotra izao, raha ny fahitako azy!
5. mpisotrtoaka ( 18/07/2014 07:07)
Msaotra anareo amzany valin-teny izany fa tena tsapa tokoa fa mbola misy tia ny an'ny tenany ihany na d ampifilafilain'zao sehetra miankina rehetra izao aza !
6. endriny ( 27/08/2014 15:20)
Io izany miankina amin'ny finiavan'ny mpitondra ihany koa e. Fa rehefa ny mpitondra no mahita fa tsy dia azahoany tombony ny fikarakarana ny kolo sy ny harentsaina ary ny vakoka Malagasy dia very momoka fotsiny ny ezaka atao.

Ny sary hosotra nation-dry Monet ohatra an'ny olotokana ireny, fa jereo ny fanidrahindran'ny fitondrana frantsay azy...

Iza tamin'ny mpitondra no nandeha nitsidika ireo vakoka teto Madagasikara, rehefa manao vakansa izy? Na ireo olona faka tahaka eto amin'ny firenena?

Fa aleony mankany frantsa dia ny tour eifel no atao background amin'ny sary nentina avy any... Mahafinaritra e...

Na izany aza inona no azo atao ry zareo a...?
7. mpisotrtoaka ( 03/09/2014 07:17)
d ny Air Mad kely ananana hamidy !
8. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 04:53)
Tokony mihetsika isika e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1924