Satana vs Jehovah

1. endriny ( 14/07/2014 06:17)
Fa maninona ny mpino kristianina no miteny fa ny zavatra ratsy sy tsy mifanaraka amin'ny tarigetrany dia hoe avy amin'i Satana?

Raha mijery ny baiboly aho dia hitako fa maro lavitra ny asa ratsy na ny hevi-dratsy nataon'i Jehovah noho ny nataon'i Satana. Dia hoy aho manontany tena: "iza marina no ratsy amin'izy roa ireo e?
novalian'i riordan ny 20/08/2014 17:18
2. Maranatha ( 14/07/2014 12:43)

endriny:

Fa maninona ny mpino kristianina no miteny fa ny zavatra ratsy sy tsy mifanaraka amin'ny tarigetrany dia hoe avy amin'i Satana?

Raha mijery ny baiboly aho dia hitako fa maro lavitra ny asa ratsy na ny hevi-dratsy nataon'i Jehovah noho ny nataon'i Satana. Dia hoy aho manontany tena: "iza marina no ratsy amin'izy roa ireo e?

Tena tsapako hoe mampalahelo be hianao mora voambakan'i satana.
Tsara ny Tsitoha ary tsy misy faharatsiana hita eo aminy. Fitaky satana no hilazana fa ny Tsitoha no manao ratsy. Ny hita taminy dia tsara Izy, tsara ny didiny sy ny fitsipiny, ary rehefa manao zavatra Izy dia ny tsara indrindra foana no hataony. Fitenenan-dratsy Azy no hilazana fa manao ratsy Izy.
Mbola misy ny fotoana azo hibebahana fa mibebaha.
3. endriny ( 14/07/2014 16:45)
Maranatha:

Tena tsapako hoe mampalahelo be hianao mora voambakan'i satana.

MIsaotra anao nalahelo ahy... Dia hoy aho hoe izaho ve no voambakan'i Satana sa ianao no manambaka tena?

Ny antony dia hoy ianao
Maranatha:

Tsara ny Tsitoha ary tsy misy faharatsiana hita eo aminy. Fitaky satana no hilazana fa ny Tsitoha no manao ratsy.

Hono kely aloha: Ny maniraka olona hiady sy hamono ny mpifanolo-bodirindrina aminy mba hakana ny fanjakany ve tsara? Ny fandatsahana ain'olona noho ny ota ve tsara? Ny famonoana ny lahimatoan'ny fianakiavana ve tsara? Ny fampahoriana an'i Jaoba, na Egipta ve tsara? Ary farany ny fampiasana ny fivavahana mba anandevozana ny hafa ve tsara? Zava-nisy vitsivitsy voasoratra ao amin'ny baiboly ireo ary asan'ny Atr'i Abrahama. Ka mety izaho izany no tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy satria tsy nihinana voakazo voarara angamba ny Razambenay.

Maranatha:

Mbola misy ny fotoana azo hibebahana fa mibebaha.

Misaotra amin'ny toro hevitra, saingy tsinotsinona ny fibebahana eo anatrehan'Andriamanitra raha tsy ny olona nanaovana ny ota sy ny hadiasoana no ifonana. Fa fibebahan'ny Fariseo sy ny Mpiatsara ivelatsiny ny mitomany sy mitoloko eo ambony alitara sy ao an-tempoly.
4. Maranatha ( 15/07/2014 09:45)

endriny:

Hono kely aloha: Ny maniraka olona hiady sy hamono ny mpifanolo-bodirindrina aminy mba hakana ny fanjakany ve tsara? Ny fandatsahana ain'olona noho ny ota ve tsara? Ny famonoana ny lahimatoan'ny fianakiavana ve tsara? Ny fampahoriana an'i Jaoba, na Egipta ve tsara? Ary farany ny fampiasana ny fivavahana mba anandevozana ny hafa ve tsara? Zava-nisy vitsivitsy voasoratra ao amin'ny baiboly ireo ary asan'ny Atr'i Abrahama. Ka mety izaho izany no tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy satria tsy nihinana voakazo voarara angamba ny Razambenay.

Indrisy ringana tokoa ny olona noho ny tsy fisian'ny fahalalana. Tsy sitrampon'i Ray mihintsy ny fisian'ny ratsy teto ambonin'ny tany. Rehefa vitany ny fanamboarana ny zavatra rehetra dia hoy Izy : "Hitany fa tsara indrindra izany ". Ny fisian'ny fahafatesena dia tsy sitram-pony fa sitram-pon' ireo ray aman-drenin-tsika voalohany. Nanaiky ho fitahan'i satana. Efa nilazana mialoha izy ireo fa raha vao mihinana an'io voankazo voarara io dia maty.
Tsy maintsy hesorina eto amin'ity tany izay namboarina ho an'ny olona ity anefa ny ratsy toy ny nanesorana an'i satana sy ny anjeliny tany an-danitra. Fanombohana ny fandringanana ireo izay tsy manaiky ny lalàm-panjakan'i Ray ny hitanao teo amin'ny testamenta taloha ireo. Satria ny tany dia tsy natao mba honenan'ny ratsy fa natao ho an'ireo izay manaiky sy mankato ny fanjakan'i Ray Tsitoha. Izay no nanamboarany ity tany ity.
Mbola hahita fandringanana lavitra noho izay efa hitanao ianao rehefa ho avy fanin-telony eto amin'ity tany ity ny Mpamonjy satria dia ho holevonina amin'ny afo ireo izay tsy manaiky ny fanjakan'i Ray miaraka amin'ireo izay mpitarika ny fikomiana tany an-danitra dia tsy iza fa ny devoly sy ny anjeliny ary ireo izay manaiky azy sy ny fahefany toa anao.
5. endriny ( 16/07/2014 06:08)
Dia tena Andriamanitra tsy manotosa mihintsy ilay Atrao ry Maranatha, tsy mahay afa tsy mandringana.

Hitako moa no nisy fandringanana natao ireo mpimasy sy ireo voatondro hoe mpamosavy eran'ny tany koa.

Izay no asako tany Mali, nanampy ireo olona antitra sy vehivavy voaroaka na noroahin'ireo mitonotena fa mpino, ka tsy mahazo miverina eo amin'ny fiaraha-monina fa tonga dia dangin'ny vely sy ny torabato ary ny famporisihina alika...

Indrisy mantsy ry mpino, fa hay efa hatramin'ny Atra mihintsy no sadika sy mpandripaka olona kay...
6. endriny ( 16/07/2014 06:31)
Dia inona anefa no ratsy nataon'i Satana hitako tao min'ny baiboly
Nanoro hevitra ny menarana hitaona an'i Eva hihinana ilay voankazo voarara
Nampirevy ireo olona tany Sodoma sy Gomora
Nanadala an'i jesosy ( naka fanahy), izany hoe nivanivany...
Toa ohatran'ny milay ihany i Satana raha izany koa... Sa ahoana? Izy toa tsy mandatsak'aina mantsy.
7. hery ( 16/07/2014 09:58)
Andriamanitra fitiavana vs Andriamanitra mpandringana

Tsy aleo ilay Andriamanitra fitiavana? :-)
8. endriny ( 18/07/2014 04:36)

hery:

Andriamanitra fitiavana vs Andriamanitra mpandringana

Tsy aleo ilay Andriamanitra fitiavana? :-)


Ho an'ilay foko Israelita nahita tombony tamin'ny fandripahana nataon'Atr'i Abrahama dia be fitiavana izy. Fa kosa ho an'ilay foko naripaka sy nampijaliana dia manontany tena hoe: "izao famonoana izao ve no atao hoe fitiavana?"

Alaiko akaiky tamin'ny politika teto Madagasikara vao haingana; ho an'ireo nahita tombony tamin'ny raharaha 2009 no mankaty dia be fitiavana sy mendri-piderana I TGV sy ny mpiaradia aminy. Fa ho an'ireo rava fananana sy hiaran'ny herisetra mandrak'ankehitriny dia olona tsy misy ilazana azy fa mpandroba sy mpamono olona I TGV sy ny forongony.

Fa eo amin'ny finoana mantsy dia resahina foana fa rehefa zavatra ratsy dia avy amin'i Satana, nefa na ao anaty baiboly aza toa tsy mihoatra ny folo akory ny asa ratsy voalaza fa nataon'i Satana sy ny irao lazaina fa tafiny tao.

Ny tena mampihomehy dia rehefa misy marary ka miantso ireny mpiandry sy mpametra-tanana ireny ny fianakavian'ilay marary, dia hoy ny ankamaroan'ireo mpiandry: "mila Alana devoly izy, fa sangisangian'i Satana" Dia lasa ilay kimenomenona be miaraka amin'ny somary kapoaka indraindray. Manala Devoly hono izany. Raha miha tsara ilay marary dia nahomby ny fanalana demonia ary tena I Satana no olana.

Raha tsy nahomby kosa dia avy ilay teny hoe: "fitsapana ataon'Atra io, fa mahereza mivavaka". Kely fotsiny sisa no tsy ilazany hoe vidio ity baiboly ity... ny fanafody aza efa tsy araka ny vidiny fa sparadra iray no efa 45.000 fmg.
9. rhaj0 ( 18/07/2014 16:39)
Nijery google aho, dia izao tokoany hoy ny nandalina azy :
http://www.abovetopsecret.com/forum/thread602571/pg1

How many people did Satan kill in the Bible?

It appears that Satan only killed 10 people: the seven sons and three daughters of Job. And he only does this because god allowed it as part of a bet!. Technically the blood is on god's hands for these as well.

Who, how, why did god kill people in the Bible?

Lot's wife for looking back- Gen.19:26
Er who was "wicked in the sight of the Lord"- Gen.38:7, 1 Chr.2:3,
Onan for spilling his seed- Gen.38:10,
Pharaoh and 600 chariot captains (plus his entire army) - Ex.14:8
For dancing naked around Aaron's golden calf- Ex.32:27-28, 35,
Aaron's sons for offering strange fire before the Lord- Lev.10:1-3, Num.3:4, 26:61
A blasphemer- Lev.24:10-23
A man who picked up sticks on the Sabbath- Num.15:32-36,
Korah, Dathan, and Abiram (and their families)- Num.16:27,
Burned to death for offering incense- Num.16:35, 26:10,
For complaining- Num.16:49,
For "committing whoredom with the daughters of Moab" - Num.25:9,
Midianite massacre (32,000 virgins were kept alive)- Num.31:1-35,
God tells Joshua to stoned to death Achan (and his family) for taking the accursed thing.- Joshua 7:10-12, 24-26,
God tells Joshua to attack Ai and do what he did to Jericho (kill everyone).- Joshua 8:1-25,
Joshua kills 5 kings and hangs their dead bodies on trees- Joshua 10:24-26
God delivered Canaanites and Perizzites- Judges 1:4
Ehud delivers a message from God: a knife into the king's belly- Jg.3:15-22,
God delivered Moabites- Jg.3:28-29,
God forces Midianite soldiers to kill each other.- Jg.7:2-22, 8:10,
The Spirit of the Lord comes on Samson- Jg.14:19,
The Spirit of the Lord comes mightily on Samson- Jg.15:14-15,
Samson's God-assisted act of terrorism- Jg.16:27-30,
"The Lord smote Benjamin"- Jg.20:35-37,
More Benjamites- Jg.20:44-46
For looking into the ark of the Lord- 1 Sam.6:19
God delivered Philistines- 1 Sam.14:12
Samuel (at God's command) hacks Agag to death- 1 Sam.15:32-33
"The Lord smote Nabal."- 1 Sam.25:38
Uzzah for trying to keep the ark from falling- 2 Sam.6:6-7, 1 Chr.13:9-10
David and Bathsheba's baby boy- 2 Sam.12:14-18
Seven sons of Saul hung up before the Lord- 2 Sam.21:6-9
From plague as punishment for David's census (men only; probably 200,000 if including women and children)- 2 Sam.24:15, 1 Chr.21:14
A prophet for believing another prophet's lie- 1 Kg.13:1-24
Religious leaders killed in prayer contest- 1 Kg.18:22-40
God delivers the Syrians into the Israelites' hands- 1 Kg.20:28-29
God makes a wall fall on Syrian soldiers- 1 Kg.20:30
God sent a lion to eat a man for not killing a prophet- 1 Kg.20:35-36
Ahaziah is killed for talking to the wrong god.- 2 Kg.1:2-4, 17, 2 Chr.22:7-9
Burned to death by God- 2 Kg.1:9-12
God sends two bears to kill children for making fun of Elisha's bald head- 2 Kg.2:23-24
Trampled to death for disbelieving Elijah- 2 Kg.7:17-20
Jezebel- 2 Kg.9:33-37
God sent lions to kill "some" foreigners - 2 Kg.17:25-26
Sleeping Assyrian soldiers- 2 Kg.19:35, Is.37:36
Saul- 1 Chr.10:14
God delivers Israel into the hands of Judah- 2 Chr.13:15-17
Jeroboam- 2 Chr.13:20
"The Lord smote the Ethiopians."- 2 Chr.14:9-14
God kills Jehoram by making his bowels fall out- 2 Chr.21:14-19
Judean soldiers- 2 Chr.28:6
Ezekiel's wife- Ezek.24:15-18
Ananias and Sapphira- Acts 5:1-10
Herod- Acts 12:23


Sa indray tsisy ao @ tvaovao ireo ?
10. endriny ( 25/07/2014 04:54)
Aza atao lava be kosa ny zava-dratsy nataon'ny atr'i Abrahama ry Rhaj0 fa bedin'i Frasoa amin'io ianao, Maranatha mantsy e...

Io moa izany dia ny olona daholo no namorona an'io e. Mandeha matory izy dia manonofy dia lazainy fa nampahitan'Atra goavy masaka tamin'ny andro lohataona hono izy.
11. endriny ( 26/07/2014 04:47)
Misy ilay fiteny tsy adino hoe: "Hell for Africa" sy ilay hoe: "Afrique, le continent du ténèbre". Ry zareo ilay mpanamafy anio mantsy hono no itoeran'ny fampandrosoana sy ny fahazavana eh...

Dia ao indray ny sasany rehefa hitany fa nanao hadisoana mihoa-pampana izy sy ny mpiray tarika aminy, dia mamorona fampiononan-tena amin'ny hoe :"Afo fandiovana e"... Koa raha tsy volamena ianao na fitaratra koa andalo afo fandiovana "Anieling" lol...
12. riordan ( 20/08/2014 17:18)

endriny:

Fa maninona ny mpino kristianina no miteny fa ny zavatra ratsy sy tsy mifanaraka amin'ny tarigetrany dia hoe avy amin'i Satana?

Raha mijery ny baiboly aho dia hitako fa maro lavitra ny asa ratsy na ny hevi-dratsy nataon'i Jehovah noho ny nataon'i Satana. Dia hoy aho manontany tena: "iza marina no ratsy amin'izy roa ireo e?


Raha ny ao anaty baiboly dia tsotra : Satana = rain'ny lainga , ary ny lainga afafiny voalohany dia tsy misy ny devoly fa invention'ny kristianina izany, raha tsy mivavaka ianao dia mazava hoazy fa normal be ho anao hoe tsy ratsy ny ataon'i Satana satria ny azy asan'ny nofo : plaisirs de la chair na fahafinaretan'ny nofo izay manintonan'ny olon'izao tontolo izao ary na kristianina aza dia maro ny voasarika @ zany raha tsy tafaorina tsara @ andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6955