Mitady hira na mpihira na tononkira

1. Tsalomaditra ( 10/07/2014 16:37)
Efa nisy nanontany teto inty fa tsy nahafa-po ny valiny. Misy mahatadidy ny titre sy ny mpihira an'ity extrait ity ve ? Na sao dia misy manana azy dia mba mifampizara e! Tsy piratage intsony izany satria ilay album aza efa tsy amidy eny an-tsena intsony
"raha sedra hita fa matroka ny vodilanitra, rehefa hita fa sarotra ka mila ho fanina, atsikio ny molotrao, misy hery ivoaka avy ao, hanome aina vaovao.."
2. hery ( 10/07/2014 17:52)
Azoko antsaina ilay hira eo amin'ilay farany io fa tsy tadidiko mihitsy hoe hiran'iza...

ilay hoe "hanome, aina vaovaoooo"
3. hery ( 10/07/2014 17:56)
Hitako tato http://forum.serasera.org/forum/message/m4f7145960149a

Ity hono:

salut! "Mila tsiky" no titre ary EVA no mihira azy ! Mazotoa ndray ary ô!
4. hery ( 10/07/2014 17:58)
5. hery ( 10/07/2014 18:26)
Ato ny tonony: http://tononkira.serasera.org/hira/tarika-evah/mila-tsiky

Mba lazao raha misy diso :-)
6. 5laody ( 14/07/2014 13:25)

hery:

Mba lazao raha misy diso :-)


Lafatra Rainy fa mba nitady io hira io koa aho. Misaotra e!
7. hery ( 15/07/2014 10:58)
Mbola tsy niverina nisaotra i Tsalomaditra fa angamba noheveriny fa ela be isika vao hamaly lolll
8. sahia ( 14/08/2014 09:34)
mba tezitra kosa izy fa hanome ihany ianareo nefa nampiandrasinareo izy ry hery a
9. JOETINA ( 26/01/2015 07:01)
Miarahaba,
Sao mba misy mahalala ny lohateny sy ny mpihira an'ity hira ity ? Ny tonony dia misy hoe : "Taona maro lasa izay rô, tsy nahitako anao an, vao nahita anao zao rô dia latsa-dranomaso an.
Tonga teto iaba nitady anao an, tonga teto i endriko iny a rô tsy nahatratra anao an, ...". Hira tao @ Edition Kaiamba. Misaotra indrindra e !
10. tsalomaditra ( 31/01/2015 21:22)
Misaotra anareo e! Zany oe efa hitako koa ily izy ... mahafinaritra e!
11. fanamozikaly ( 22/10/2017 17:23)
Miarahaba ny mpiserasera, mba te hanontany aho hoe misy mahalala an'ity hira ity ve isika ? Somary malefaka ilay hira, nefa ohatran'ny maheno an'i zoky Silo aho amin'ny ilay feo ka sao misy mahalala, mankasitraka mialoha. Toy izao ny ampahany :


Mba fantatrao, fa tany anatiko tany,
Mitovy sahalamin'ny anao toy izany
Mba mitempo aminao ihany
Saingy indrisy ve ?
Ankehitriny, efa misy e
Voataiza avokoa isika roa
Ka tehirizo ao am-po

Tena gagagaga ihany aho
Fa izaho, nihanahana
Raha nahalala sy nandre
Hay ianao tia ahy efa ela be...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2933