Service Nationale na SN

1. chantrire ( 07/06/2014 14:36)
Miarahaba antsika rehetra mpamaky, Resaka fanaovana SN taloha e!
Ohatra ny nisy naha tsara azy ihany ireny fanaovana SN taloha ireny an!
Ho an' ny tanora rehetra afaka bac mantsy ny fanaovana azy ity taloha e!Tsy sanatria akory hoe hampiofanina ny tanora hiady fa ny tena marina hono dia mba sedraina ilay tanora e!
Ahoana ny hevitrareo momba izany. Zaho manokana aloha dia tiako raha averina indray ny SN.
novalian'i ora ny 25/02/2016 12:01
2. Jessimi ( 13/06/2014 11:35)
Tsy nanao SN aho fa misy nahatsara azy sy naharatsy azy.
Ka raha averina indray dia:
1. tsy tokony ho "tsy maintsy" fa afaka misafidy na hanao na tsy hanao SN
2. rehefa misafidy ny hanao SN dia afaka mifidy ihany koa hoe iny vao afaka bac iny ve sa aorian'ny fianarana ambony.
3. ZAKAIOSY ( 28/06/2014 01:52)
Nanao SN aho t@ taona 1986-1987, SA2 tao @ 1/RM1 Analakely. Tena mahafinaritra be ilay izy, na dia tsy tsapako loatra aza t@zany ny ilana azy fa dia faly fotsiny @ilay fiainana tao anatin'ny toby. Rehefa vita ny SN dia nahatsiaro ho very taona 1 aho teo @ fianarana, indrindra raha oharina @ ankizy taty afara tsy nanao azy io sy ireo zanaky ny deba tsy nanao azy io (ary niaraka afaka Bac taminay mihitsy ny zanak'i Deba fa toa tsy nanao). Fa rehefa miatrika ny fiainana sy ny asa aty aoriana aho vao tsapako fa nisy zavatra tsara nentin'ilay SN teo amiko, ary naheno indray mandeha koa aho t@ TV ny fanazavan'ny Jeneraly Ramakavelo ny ilana ny fanaovana fanompoam-pirenena dia tena tsapako fa nilaina ilay izy. Ny hoe tsara averina na tsia dia tena adihevitra be io, mety tsy hitovy t@ toe-tsain'ny miaramila t@1986 ny an'ny miaramila @zao ka atahorako ny hitrangan'ny zavatra ratsy maro, mety ho diso aho fa mba ahiahy ny ahy iny. Raha haverina koa dia azo atao fohifohy, 3 volana ohatra, satria 3 volana ihany ilay tao anatin'ny toby, ilay tao afaran'io tsy dia nilaiko loatra.
4. ora ( 25/02/2016 12:01)
Ny tenanay mba nanam-paniriana ny hanao ireny SAINGY efa tsy nidy intsony ilay izy t@ fotoana nahazoana n bac e, indrisy mantsy....!!

ZAKAIOSY:

Nanao SN aho t@ taona 1986-1987, SA2 tao @ 1/RM1 Analakely. Tena mahafinaritra be ilay izy, na dia tsy tsapako loatra aza t@zany ny ilana azy fa dia faly fotsiny @ilay fiainana tao anatin'ny toby. Rehefa vita ny SN dia nahatsiaro ho very taona 1 aho teo @ fianarana, indrindra raha oharina @ ankizy taty afara tsy nanao azy io sy ireo zanaky ny deba tsy nanao azy io (ary niaraka afaka Bac taminay mihitsy ny zanak'i Deba fa toa tsy nanao). Fa rehefa miatrika ny fiainana sy ny asa aty aoriana aho vao tsapako fa nisy zavatra tsara nentin'ilay SN teo amiko, ary naheno indray mandeha koa aho t@ TV ny fanazavan'ny Jeneraly Ramakavelo ny ilana ny fanaovana fanompoam-pirenena dia tena tsapako fa nilaina ilay izy. Ny hoe tsara averina na tsia dia tena adihevitra be io, mety tsy hitovy t@ toe-tsain'ny miaramila t@1986 ny an'ny miaramila @zao ka atahorako ny hitrangan'ny zavatra ratsy maro, mety ho diso aho fa mba ahiahy ny ahy iny. Raha haverina koa dia azo atao fohifohy, 3 volana ohatra, satria 3 volana ihany ilay tao anatin'ny toby, ilay tao afaran'io tsy dia nilaiko loatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1348