hetsika ho an'ny FANODINANA NY TSIKAFONKAFONA HO ASA TANANA

1. vonynive ( 07/06/2014 07:57)
(sady tsy fety no tsy fihaonana fa fanomezam-pahalalana)

ny minisiteran'ny ASA TANANA sy ny KOLONTSAINA dia hanao fampirantiana sy fanomezam-pahalalana mikasika ny FANODINANA NY TSIKAFONKAFONA HO ASA TANANA,

iarahana @ indoneziana io hetsika io ka aseho @ izany ny fanodinana ny tsikafonkafona ho tonga asa tanana : miainga @ fakana azy eny @ tany aniriny, ny fanamainana ary ny fanodinana azy ho asa tanana sy ny mahakasika izany
heverina fa ho maro ny hahazo fidiram-bola @ ity atrikasa ity satria iaraha-mahita tokoa ny firoboroboan'ny fanirin'ny tsikafonkafona eny rehetra eny sady fandraisan'anjara @ fanadiovana ny tontolo iainana.
ho fandaminana dia tokony misoratra anarana mialoha izay te hiofana mikasika ireo taranja ireo
ny fampirantiana dia hatao ny
-10 jona 2014
-eo anoloan'ny lapan'ny tanàn'Analakely
misoratra anarana mialoha izay hanao ny fiofanana
manomboka ny 11 jona ny fiofanana eny @ tranombokim-pirenena Ampefiloha ka olona 20 isan'andro no hahazo fiofanana @ izany


novalian'i vonynive ny 15/06/2014 08:28
2. 5laody ( 09/06/2014 12:55)

Misaotra anareo Mampiely itony vaovao itony,

misy endriny tsara tokoa ny taozavatra vita amin'ny tsikafona, ary azo anaovana zavatra maro hafa koa.

Ilaina tokoa ny manala tsikafona izay manenika farihy sy rano mandeha.
Tsy eto amintsika irery izy io nefa no fitrangan'io olana io fa amin'ny tany maro hafa. (misintona oksizena izay ilain'ny zavamanana'aina hafa ao anaty rano ary mamono azy ireo.)

Ny somary indro kely tiako ambara ary ametrahako fanontaniana amintsika mpisera dia izao:

-raha ny fahalalako azy (mety ho diso) dia tsy mahavita zavatra ny akora azo amin'ny tsikafona raha tsy efa lavabe. (50 santimetatra) ka raha amin'io fotoana io izy vao "otazana" dia mety efa maro ihany ny zava-manan'aina matiny tao anaty rano tao ary tsy voaisa ny
dimbiny ary mety hirongatra kokoa izy raha miandry io fotoana io.

Misy manana valiny na traikefa amin'io ahiahy io ve ianareo?

-faharoa, mety hahatonga amin'ny fambolena tsikafona ve ny fampiasana azy ho taozavatra?

-fahatelo, hoan' izay mpiompy, mety tsara amin'ny omby na biby fiompy hafa ve ny fanomezana azy ireo tsikafona atao sakafo?

Ity farany ity mbola ahiahy tsy ihavanana ihany, misy traikefa ratsy nananan'ny indoneziana eo amin'ny folo taona lasa teo ho eo izay: nesoriny avokoa ny hazo sarobidy nananany ary namboleny palmier hanamboarana menaka sy taratasy.

Sao mba tokony hiditra ihany ny ministeran'ny tontolo iainana amin'itony zavatra itony.

Misaotra anao izay mamaly sahady.
3. vonynive ( 15/06/2014 08:28)
miarahaba 5 laody

tsy manana fahalalana amin'izy io sy ny manodidina azy aho fa marina tokoa fa tsikafonkafona lava ity anaovana taozavatra ity fa tsy ireo bota kely akory,
raha ety ambany tanàna dia ireo lakandrano sy tanimbary efa tsy ahitana vary maniry no akana azy ity.

hatramin'izao aloha dia ampiasaina ho sakafon'ny biby fiompy izy fa azo atao tsara ny manodina azy ho BIOGAZ ka raha misy afaka manome sosokevitra dia ifampizarana

ny ahiahiko koa dia hoe tsy eny amin'ny toerana madio akory no maniry ny tsikafonkafona eto antananarivo ka tokony mba hisy ihany koa ny fijerena izay fahadiovany izay satria raha atao sakafom-biby izy dia toa mahasadaikatra ihany, raha atao taozavatra koa izy dia mety hanano sarotra ny fanondranana azy satria akora tsy voadio ka mety tsy hanara-penitra dia tsy ho eken'ny firenena anondranana

misaotra antsika izay mandray anjara



ny mampanahy ahy ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2949