LYCEE AGRICOLE

1. vonynive ( 27/05/2014 05:22)
miarahaba ny mpisera
misy mahalala ve ny antony nanakatonana ny lycee agricole teto madagasikara ? ary rehefa nikatona izy dia nanaovana inona ?
misaotra
novalian'i Nav ny 28/12/2014 15:15
2. endriny ( 28/05/2014 13:20)

vonynive:

miarahaba ny mpisera
misy mahalala ve ny antony nanakatonana ny lycee agricole teto madagasikara ? ary rehefa nikatona izy dia nanaovana inona ?
misaotra

Arakaraky ny faritra, fa ny any. Toamasina toa mbola mandeha.
Nakatona ny lycee agricole satria ny Malagasy no mihevitra fa izany mamboly sy mitana angady izany dia asan'ny bado, ka zara raha misy mpianatra mandeha amin'ireny toerana ireny. Dia naleo nakatona. Aleon'ny olona mianatra informatika faopla eny amin'ny sisiny e...
Ny eto Ambatobe aza toa mbola misy mpianatra a, fa ny tokotany no efa nomea nanangan'ny sinoa villa namidy amin'ireo Malagasy sy Karana mpiray tanindrazana.
3. vonynive ( 01/06/2014 12:25)
misaotra endriny
izany hoe ny olona liana @ agriculture mihitsy izany no tsy nisy, hay ve ka mbola velona ny ao ambatobe e
4. vahiny2004 ( 02/06/2014 07:03)

Mety resaka budget foana no antony fa tsy izany hoe asan'ny bado na tsia izany .
Ao Ambatobe mbola misy
5. endriny ( 20/06/2014 04:47)
Budget ve rehefa zavatra tiana atao eto io tsy ahita foana ny fanjakana. Fa matoa nofoanany ny sasany dia tsy ilainy e.

Ambatobe mbola misy fa ny ankamaroan'ny efitra efa nomene ny cooperation fratsay amin'ny CEFSIG, ny tany fanaovana pratika efa nanorenan'ny sinoa villa...
6. Nav ( 28/12/2014 15:15)

endriny:

Budget ve rehefa zavatra tiana atao eto io tsy ahita foana ny fanjakana. Fa matoa nofoanany ny sasany dia tsy ilainy e.

Ambatobe mbola misy fa ny ankamaroan'ny efitra efa nomene ny cooperation fratsay amin'ny CEFSIG, ny tany fanaovana pratika efa nanorenan'ny sinoa villa...

Sendra nitopy maso ny t@ 40 taona lasa aho, t@ 1975 ary nahita tao @ Boky Mena (ilay fanambarana ny Soridalana anakapobe Ratsiraka) ary dia hitako tao, lohateny lehibe @ Toko iray lehibe mahaleotena hoe: NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA NO ANDRIN'NY FAHALEOVANTENAM-PIRENENA (ary ny Indostria no foronina hanampy an'io fiompiana sy fambolena io).
Todiho ny lasa ary jereo ny ankehitriny 2014: MARINA NY FANAMBARANA saingy ny fanatanterahana azy no tena TSY MISY = ZERO.
Iza no tompon'andraikitra @ ny tsy fanatanterahana? Ilay tompon-kevitra.
Fanahy iniana ve? ENY, baiko ankolaka avy any @ frantsay.
Ny fisakanana ny fivoarana sy fanamafisana orina ny fiompiana sy fambolena dia tsy maintsy mitaky "Lycées agricoles" maro manerana ny Nosy ary araky ny "spécialité" isanisany, ohatra: voly vary, voly kafe, voly vanille, . . . na fiompiana omby, fiompiana vorona, fiompiana tantely, . . .
Ny fampianarana teknika rehetra mihitsy no novonoina @ fomba feno hafetsena na Ambaratonga II (Lycées techniques agricoles, Lycées techniques industriels, sns) na Ambaratonga Ambony: ESS Agro (aiza ve ka dia injeniera 200 na 300 monja no avoaka isan-taona, tsy ampy izany).
Ny fomba nanapotehana? Klasika: ahena ny vola omen'ny Fanjakana: lazaina fa lafo ny fitaovana, tsy manam-bola ny Fanjakana. Izany no tena hafetsena fanaon'ny olona bevava sy maranitra @ fanaovan-dratsy:ny vava no atao tsara fa tsy tanterahina mihitsy rehefa rebirebena mandritra ny taona maro ny mponina, voarebireby nandritra izay 40 taona izay.
Vahaolana ankehitriny sy ho an'izay hitondra fanjakana rahampitso: FANOMEZANA SY FANOKANANA VOLA AMPY HO AN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA (Injeniera sy Teknisianna Bacc+3 sy Bacc sy Teknisianna CAP ) na Teknika fambolena na Teknika fiompiana na Teknika Indostria madinika sy salasalany . . . ary voarindra anaty Tetipivoarana lavitra ezaka 5-10 taona, tsy maintsy mitohy fa tsy afo-mololo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.68