Nangina ve ny infogasy?

1. hery ( 14/05/2014 14:09)
Ohatra ny tsy misy mandalondalo intsony ao amin'ny infogasy.net ry zalahy. Nangina ve? Sa variana any amin'ny facebook? :-)
Zavatra tokony hampidirina ao koa izao ireny review-na zavatra vaovao ireny, tsy voatery soft ihany fa le fitaovana mints, ordi vaovao, phone vaovao sns :-)
novalian'i Nav ny 18/10/2016 05:41
2. voromailala ( 14/05/2014 14:32)
Marina mihintsy izany tenin'i Hery izany. Mety variana amin'ny facebook marina angambany ny olona :-).

Ohatra hoe finday sinoa one plus one, sns....
3. Nav ( 09/08/2014 11:14)
Sendra mandalo eto, izao vao mety mampiasa ity ka manararaotra.
Nanoratra boky momba ny informatika aho @ teny malagasy ka mety ilain'ireo mpandrafitra programa (programmeur).
Lohateny : "Programa Java"
Mikasika ny fiteny Java efa be mpahalala ary be mpampiasa fa nataoko @ teny malagasy.
Natokana ho an'ny mpanavao na izany aza azo ampiasain'ireo efa za-dalana satria maro ireo voanteny teknika @ teny malagasy ampiasaina ao eo @ tontolon'ny inforamatika tsara ho fantar'izy ireo (Marihina fa ny fanazavana no @ teny malagasy fa ny gramera sy ny voanteny voatokana keywords dia @ teny englisy daholo).
Natao hianarana ny fiteny Java ary heveriko fa azo hirosoana @ fampiasana io fiteny io, aza mihevitra ianareo fa hoe @ teny malagasy ka tsy dia mankaiza, ny tena mihevitra fa mitovy lenta @ ireny boky vahiny ireny ny votoatiny: misy pejy 500, format A4, mahasahana ny sehatra klasika @ fampiasana itony fiteny informatika itony.
Ny tanjona moa dia ny hisokafan'ny mpandrafitra programa malagasy @ itony tontolo High Tech itony ary mba mety hifanakalozan'izy ireo hevitra sy traikefa?
Efa amidy eto TNR @ mpivaro-boky mahazatra.
voromailala:

Marina mihintsy izany tenin'i Hery izany. Mety variana amin'ny facebook marina angambany ny olona :-).

Ohatra hoe finday sinoa one plus one, sns....

4. manoa131 ( 11/09/2014 11:49)
Fa ilay infogasy ve afaka manoratra ao daholo izay te hanorana eh ?
5. hery ( 11/09/2014 12:56)
manoa131> Misy toerana hahafahan'ny rehetra manoratra. Eo amin'ilay hoe Forum.
6. hery ( 11/09/2014 12:57)
Nav> Aiza ho aiza no misy io boky resahinao io kay azafady? Sa efa mivoaka amidy any amin'ny fivarotam-boky?

Misaotra
7. Nav ( 11/09/2014 17:30)
Ialana tsiny raha toa ka tsy voavaly (na toa tsy haiko ka tsy hitako ny nalehany) fa averiko eto indray ilay valin'ny fanontanin'i hery momba ilay bokina informatika:
Lohateny: PROGRAMA JAVA
Format A4-570 pejy
Boky anankitelo: Boky I, Boky II, Boky III
@ teny malagasy tanteraka ianarana mandrafitra programa @ fiteny informatika Java, anisan'ny fiteny matanjaka indrindra ankehitriny eo @ tontolon'ny informatika.
Amidy @ Mpivaro-boky eto Antananarivo:
Librairie Mixte Antanimena
Librairie Md Paoly Analakely
Librairie CMPL Isoraka
Natokana mihitsy ho an'ny informatisianna malagasy te hiteny malagasy (Tandremo: ny gramera rehetra ao @ teny englisy ka tsy misy atahorana).
8. Nav ( 18/10/2016 05:41)
Nav:

Tohin'ny dinika etsy ambony.
Efa nivoaka izao ny fanontana faninefany amin'ilay Boky 1, amidy amin'ny mpivaro-boky mahazatra:
Librairie Antso, Analakely
Librairie Md Paoly, Analakely
Librairie Lixte, Antanimena.
Ny Boky 2 koa efa natonta fanintelony hivoaka ato ho ato koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2995