misy ve ny vehivavy tsy mitady fitiavana

1. kevin23 ( 30/04/2014 05:03)
Miarahaba anareo rehetra.
Mba te hanotany za hoe misy ve nareo vehivavy tsy mitady fitiavana.
Za mantsy ohatran' ny mahita hoe ny vehivavy sasany tsy mila lehilahy hono, juste hoe miteraka @ lehila dia izay no ilainy lehilahy .
Aposay ny hevitrao ary misokatra ny ady hevitra
novalian'i alainkeli ny 19/06/2015 08:13
2. annick ( 17/05/2014 16:33)
tsotra be aloha ny hevitro e;asa na vehivavy manahoana ilay vehivavy milaza aminao fa iteraka fotsiny no tadiaviny;ianao no mahita ilay mombamomba lay vevavy ;tsy mbola naheno vevavy manao an izany aho;na dia sendra nijaly fitiavana aza izy na nampijalian ny lehilahy ka tofoka tateraka dia tsy maintsy mitsiry fitiavana amin olonkafa foana izy any aorina ca c est sur fa tsy oe tsy te hitia intsony ,ny sainy no manao anizany satri vao avy voadona fa aorina kely izy tsy maintsy ho sendra indray ,lalapiainana izany ,mety ihany koa izy oe tia an io olona resahany io fa manao ankolaka ny resaka fa tsy te hanaboraka fitiavana ka mody manao oe ndao iteraka fotsny,tsy fidiny ny zaza tsy eo an ilan ny ray sy reniny ,misy aza zahay vevavy manao zay abevohoka mba amatorana ny lehilahy tsy atao mahamenatra zany;io manko no tena mampifamatotra ny fifankatiavana ,misy aza ny sasany olona efa manambady mbola ita ho korotanina sy miafara amny iterahany mba anoronany tokatrano ho azy;ka zay lay izy ;fa misy koa anefa amaritako ny fanotanianao ny vehivavy tsy oe tsy tia lehilahy izy sanatria na koa oe tsy tia fitiavana fa te hanao mere celibat fotsny amizay afaka manao zay tiany tsy te ho elingelenina izy mais la plus part an izay tsy ataoko mahamenatra anao fa manana fiainana maro2 izy na tena olona tia mirevy na manao la vie ,zay ny tena marina ,azoko lazaina oe mety vehivavy MADITRA ,,mety hoy aho ;
3. josiah ( 05/06/2014 23:33)
Tena misy tokoa ny vehivavy tsy mila fitiavana, fa nh ny lalampiainana hoe ny normal, dia manambady, dia miteraka, dia mba manao io koa izy mba tsy ho hafahafa amin`ny fiarahamonina, nefa tsisy fitiavana mihitsy ao aminy ao na ny kely aza.
4. kevin23 ( 06/06/2014 09:46)
Misaotra anareo t@ ilay valiteny fa izay vao mazava amiko .
Ny fahitako ilay sipa dia izao fa izay vao mazava amiko , be revy be izy dia mbola te hanao fiainana , za mantsy manndinika tsara azy dia hoy izaho hoe ohatran' ny maditra ihany izany vehivavy izany a !.
Misaotra fa nazava ny resaka e
5. alainkeli ( 19/06/2015 08:13)
misy tokoa ny vehivavy tsy mila vady fa hiteraka fotsiny, efa nahazo taona kely izy (28ans). izy nefa tena manana ny asany tsara, saingy tsy misy intsony ny olona mikaoty azy eny andalana satry lazain'ny olona fa efa manambady nefa za mahafantatra tsara azy fa tsy manambady izy. izy dia tsara endrika tsara fanahy ary tokony ho ampy fitiavana fa disy tara loatra.
Fony izy mbola 17ans no hitako ary notsiriritiko saingy ts mbola vonona t@zany izy. reefa feno 24ans iz dia nifanena izahay saingy izaho efa nanambady fa izy tsy mbola nanana. Ary nanontaniako izy, dia namaly fa tsy hanambady intsony fa te hiteraka fotsiny sisa, de zay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1213