vodiondry ??? ny tokony atao

1. biobio ( 29/04/2014 16:03)
Vaovao eto aminy forum ny tenako.mba hangataka toro hevitra any am nareo.
Mikasa anao vodiondry izahay nefa kely ny vola nefa ky fianakavina betsaka ny tsy azo ialana.
Ka inona ny hevitra?
Izahay roa dia samy ts manana dadabe sy nenibe zany tsony.fa dia ireo mpiray tampoha amin'ny RAD tsirairay avy no invitena.fa tena mbola miotra b ny budget.ka very hevitra izahay hoe, atao ve ny vodiondry sa tonga dia anao soratra. Kanefa , marina fa efa fomba taloha izany fa matoa napetrak izany dia misy lanja eo maha malagasy atsika.mba mangataka soso kevitra avy am nareo.
Mety ve izany hoe ky soratra no alefa aloha, fa ny vodiondry kosa miandry eo aminy 3volana eo vo atao.otrany hafa hafa ihany lu e !!!!
fa ntiko antanina dia hoe misy protocole tena tsy maintsy harahina v ny manao vodiondry sa mahazo adaptena ihany.
Misaotra
novalian'i tiris8786 ny 30/04/2015 16:48
2. hery ( 29/04/2014 21:46)
Tsara ihany atao ny vodiondry ka. Tsy voatery ho fety be anie ilay izy e. Fanajana ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana no tena tanjona.
3. booboo ( 17/05/2014 12:02)
( Fa ahoana no tena fandehan'ny Vodiondry tokoa ? )
ié, fanajana ny rad sy ny fianakaviana ilay izy. Ny nandraisako ilay izy t@ ny anay, dia ohatra ny hoe tonga tany ry zareo hisaotra ny rad sy ireo havako " nahalehibe tovovavy manana ny maha izy azy tahaka izao " sy hanome toky azy ireo hoe ho tsara kara² sy ohatra² izay raha halain-dreo ho isan'ny fianakaviany aho. Mety ho diso ny fandraisako azy fa izay no fahatsapako. Izay ilay fanajana @ fanaovana vodiondry amiko, sady nahazo tsodrano avy @ olombe !
Adpater-o araka izay budget ny fety² e ! tsy haiko ny an'ny fianakavianareo na inona ilay solombodiondry fa rehefa manaiky sy mandray an'iny ny rad dia izay no zava-dehibe. Gâteau gladiny be atao dia iny zaraina @ vahoaka rehefa vita ny bla² e !

Tongava soa ny andro malaza.
4. ora ( 06/06/2014 09:26)
raha io daty nanoratan'i biobio io izany dia tena eo ankatok'ilay fanomanana ny vodiondry ianareo an, dia izao no mba hevitro, izay hananana ampiasaina toa ilay hoe masontsokina ka ny kely hananana no hahiratra e, izay tena RAD LEHIBE TSY AZO IALANA no ilazana amin'ny sakafo tohan'aina izay voninahitra hifanomezana, AZA MIDI-TROSA mihitsy satria tokatrano vao ahorina io, aleo miatrika sy miaina amin'izay eo am-pelatanana, rehefa any aoriana ny ka misy ny azonareo roa atao dia mba somary manasa ireo fianakaviana sasany tsy afaka nantsoinareo ianareo , mba ho fialan-tsiny ihany koa izay, MIRARY SOA INDRINDRA
5. tiris8786 ( 30/04/2015 16:48)
vodiondry aloha ny soratra ao aoriana. aza misahirana rehefa kely ny budget fa ataovy arakakizay ny haroso. vita foana io e! tsy voatery hanasa ny fianakams au complet ange e. ataovy solotena ny tsirairay fa adalàn'izay mbola hitsikera amin'izao fiainana efa sarotra izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9165