Ny fifosana

1. satapiso ( 27/04/2014 17:33)
Matetika ny vehivavy rehefa miresaka dia tsy maintsy miresak'olona foana, amin'izany dia ny manaratsy olona no betsaka, afaka ialana ve izany??
novalian'i Jock ny 20/02/2015 04:41
2. hery ( 29/04/2014 21:51)
Fomba raiki-tapisaka amin'ny vehivavy io... io no tena tsy maha fanaka malemy azy ka tsy hita izay atao e.
Ny tsirairay no miova tsikelikely vao mety
3. satapiso ( 30/04/2014 18:39)
mino aho fa afaka ialana izany, rehefa tsy misy idirany @fiainako inona no tokony iresahako ny hafa indrindra tsy eo imasony, fa raha misy manahirana dia lay olona mivantna no tokony resahana @zay foana ny fosafosa partie e!!!!
4. shannie ( 01/05/2014 18:29)
tsy ny veivavy irery iany no tia miresaka fa na ny leilahy koa aza dia tena manao izany. fa ny mampalaelo dia ilay mifosa manaratsy ny hafa. na lahy na vavy dia samy tafiditra ao. samia miezaka mba miala @izany e.
5. rhaj0 ( 12/06/2014 15:49)
N'enay ny nitaizana anay, dia hoe, rahefa misy fihaonana, na fianakams na namana, koa na ao an-trano fotsiny koa aza, dia mandehana (foana) milalao, raha mbola azo atao, fa tsy mitoetra dia miresaka dia manitatra dia ets... Na izaho na ny anabaviko dia lasa milalao... na baolina na karatra na mozika na...
6. vazivazo ( 19/06/2014 11:18)
Matetika kosa misy toetran'olona mitarika ny hafa hifosa azy ohatra hoe ratsy saina sy ratsy toetra loatra ilay olona anakiray hany ka manjary mahatonga ny sasany hiresaka azy, satria samy tonga dia mahatsapa ireto heverina fa hoe mpifosa fa tsy mety ny fihetsika sy toetra nasehon'ilay olona anakiray io, ary matetika ny fananana ilay foetra feno fihatsaram-belatsihy no miteraka ILAY HARATSIAN'NY SAINY ARY HAMPIHATRA IZANY amin'ny manodidina azy
7. Jock ( 20/02/2015 04:41)
Marina izany fa ny vehivavy no matetika mpifosa olona. Tsy ny vehivavy ihany anefa fa ny lehilahy koa e! indrindra moa rhf ms sipa tsy zakan'zalahy izay fa tena maty fosa iny an! Matetika aza tena tena fanaratsiana mintsy no ataon'zalahy, fanalambaraka sns... toy ny hoe iny sipa iny ry zalahy efa nataoko an'zao sy izao ; inona no tsy efa vitanay.... Malahelo fa tsy naha-zaka dia le olona no fosaina @ bandy etsy sy eroa. NB: tsy ny vehivavy ihany no mpifosa fa ianareo lehilahy koa no tena pire. Marina le tenin'i Hery hoe "Ny tsirairay no mila miova vao mety"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352