vehivavy te hisara-panambadiana fa noho ny zanaka..

1. vonynive ( 24/04/2014 11:37)
miarahaba ny mpisera
maro ireo vehivavy ankehitriny no toa manenina ny amin'ny nanambadiany ny vadiny saingy noho ny zanaka iombonana dia miaritra eo ihany,
novalian'i tiris8786 ny 17/03/2015 15:05
2. booboo ( 24/04/2014 12:03)
tsy ireo zanaka no hisarahana fa ilay vady. Na vita hatreo aza ny @ couple mpivady, ilay couple parental ( mitaiza, manabe ) ange mbola eo foana e (raha hendry izy 2 olon-dehibe). Fa matetika ny hitako a, rehefa misaraka dia vita hatreo koa ny @ ilay dada na ilay neny raha tsy any aminy no mipetraka ilay zaza, tsy avela mifanerasera zareo. mampalahelo. na sary aza indray² dia esorina tsy ho hita koa... re-mampalahelo (na toy inona aza hagegena sy havendratana nataon'ilay iraika, mampalahelo foana rehefa misy rohy tapaka toy izany indrindra @ mpianaka...)
3. sahia ( 15/05/2014 09:42)
Izany fanambadiana izany rehefa hoe niroboka tao ianao dia vonona hizaka izay mipoitra rehetra ao e, fa tsy hoe rehefa misy blem kely dia hisaraka aho hisaraka, ny vehivavy matetika no tena mpanao izay an, matoa ny ntaolo malagasy nametraka ilay fitenenana hoe :MAHARETA HATRAMIN'NY FARANY ho an'ny Mpivady Vao dia efa fampiomanana mialoha ny zavatra mety hitranga ao anatin'ilay tokatrano izay. Fa ny tokatrano tsy ilaozan'izay tsy hisy olana n'aiza n'aiza aleha. Tsy maintsy hiaretana rehefa izay no safidy nataonao momba ny tenanao: tokatrano fihafiana KA MAHEREZA DAHOLO RY VEHIVAVY !, raha mbola azo ihafiana dia aleo aloha tsy mitodika amin'ilay fisarahana e, NEFA moa raha tena tsy laitra ary tsy azo hiaretana dia lanjalanjao tsara vao manapa-kevitra e, indrindra ny fiatraikan'ilay fanapahan-kevitra raisina manoloana ny zanaka ikambanana.
4. ombelline ( 15/05/2014 12:10)

sahia:

Izany daholo angamba no fanirian'izay rehetra mivady, tokatrano sambatra, fa eo am-panatanterahana dia mety miova ka tsy zaka na tsy ahitana vaha-olana intsony .

Izaho indray mahita hoe rehefa tsy mety intsony dia tsy tsara ny "mamono tena" mijanona ao satria (miala tsiny t@ frantsay) : quelqu'un qui n'est pas bien ne peut pas donner quelque chose de bien . Raha miaritra ao izy 2 dia tsy hahasoa n'iza n'iza , na ny tenany , na ny zanany.
5. tiris8786 ( 17/03/2015 15:05)
na inona na inona ny problema, ny fisarahana dia misy fiantraikany amin'ny zanaka foana na lehibe izy na kely. sarotra ny manapa-kevitra satria miankina amin'ny hoe inona ny olana ary inona ny vokany amin'ny rehetra. na izany aza ny malagasy koa dia nobeazina amin'ilay hoe "tokantrano tsy ahahaka" e, "raha tiana ny vady dia ny rafozana no tsinjovina" e, "ny lamba maloto tsy avoaka" e etc. hany ka nozarina miaritra ny olona ao amin'ny tokantranony. nefa kosa raha mihoatra ny fefy ve tsy ianao no antitra voalohany eo ?
fa na izany aza izao aloha no tsikaritra amin'ny ankapobeny : isika malagasy tsy dia manao fanabeazana loatra mitodika amin'ny fanambandiana, tokana anefa ny fisehoan'ny tokantranon'ny tsirairay ka mandeha foana avy eo ny hoe "iza no nanampo?", ny olombelona miova ka ny vady niarahanao tamin'ny voalohany tsy hampiseho ny tsinay maintiny rehefa mivady ianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1712