Fihaonan'ny Namana Dago 1er Mai 2014

1. hery ( 22/04/2014 12:50)
1er Mai 2014
Toerana : BATOU BEACH AMBOHIMANAMBOLA
Fiaingana: Ambohijatovo
Ora: 8ora maraina
Fiverenana: 4ora sy sasany
Afaka tohizana ho an'izay afaka manohy ny hariva.
Fifandraisana: 032 07 552 39 na 033 37 702 51
TONGAVA MARO E, ELA IZAY TSY NIHAONANA IZAY

- fidirana : 5000 Ar/ pers compris ny piscine, mitondra baolina na boules fa misy terrain de basket, volley, pétanque.
- Efa misy toerana natokana ho antsika any, i THIEL no miandry any ny vao maraina.
- Samia mitondra ny sakafo sy zava-pisotro sahaza azy avy nefa koa misy sakafo ihany eny an-toerana raha toa ka kamo mivimbina.
- Ho an' izay hitondra fiara dia antsoy ny num tel voalaza etsy ambony.
-ny saran-dalana dia 10000fmg mandroso sy miverina. Arakaraky ny fahamaroantsika no ahafahana maka fiara manokana izay eo Ambohijatovo ambony no raisina, izany anefa tsy mampiova ny saran-dalana. Efa nanao ny ezaka rehetra ny mpikarakara mba nahafahana nampihena ny saram-pidirana ao @ toerana. Dia manantena ny fahatongavantsika maro. TSIKY DIA AMPY
novalian'i ora ny 16/05/2014 04:36
2. naritsimba ( 22/04/2014 13:02)
Ho avy e!
3. ravatorano ( 23/04/2014 07:06)
voaray izany fa dia manentana antsika rehetra ary aza adino fa ny fihaonana miaraka amin ny serasera dago d mlay foana eh koa dieny izao ary dia manainga antsika mavesatra mba ho avy amin io fotoana io !
4. shannie ( 23/04/2014 11:35)
Tsara kousa mba misy fihaonana toy izany ko. saingy indrisy fa lavitra Bira Eeh.
5. mimich ( 24/04/2014 18:20)
ho avy ô
6. toriteny ( 25/04/2014 04:23)
Ho avy raha tsisy programme dernière minute.
Fa manin Hery no hoe miantso tel izay mitondra tomobil? Misy frais parking collectif anga?
7. hery ( 26/04/2014 08:22)
toriteny> Mba hahafahana mifankahita rehefa any angamba ka.

8. ora ( 26/04/2014 08:54)
Miarahaba eee
Mba omeo repère aloha amin'ilay toerana ifanaovana fotoana io fa sao mifandiso eo e, izahay mants tena mbola tsy mahalala ny endrikin'ny namana tsirairay nefa raha tonga eny tsy mahita izay tokony hantonina dia hampalahelo eo, hihihihi, tena mikasa ny ho avy amin'io izahay mianakavy an, somary lavidavitra koa izahay no mipetraka nefa hiezaka ny hanatratra ilay fotoana fiaingana eo. Misaotra eee
ora

hery:

1er Mai 2014
Toerana : BATOU BEACH AMBOHIMANAMBOLA
Fiaingana: Ambohijatovo
Ora: 8ora maraina
Fiverenana: 4ora sy sasany
Afaka tohizana ho an'izay afaka manohy ny hariva.
Fifandraisana: 032 07 552 39 na 033 37 702 51
TONGAVA MARO E, ELA IZAY TSY NIHAONANA IZAY

- fidirana : 5000 Ar/ pers compris ny piscine, mitondra baolina na boules fa misy terrain de basket, volley, pétanque.
- Efa misy toerana natokana ho antsika any, i THIEL no miandry any ny vao maraina.
- Samia mitondra ny sakafo sy zava-pisotro sahaza azy avy nefa koa misy sakafo ihany eny an-toerana raha toa ka kamo mivimbina.
- Ho an' izay hitondra fiara dia antsoy ny num tel voalaza etsy ambony.
-ny saran-dalana dia 10000fmg mandroso sy miverina. Arakaraky ny fahamaroantsika no ahafahana maka fiara manokana izay eo Ambohijatovo ambony no raisina, izany anefa tsy mampiova ny saran-dalana. Efa nanao ny ezaka rehetra ny mpikarakara mba nahafahana nampihena ny saram-pidirana ao @ toerana. Dia manantena ny fahatongavantsika maro. TSIKY DIA AMPY
9. satapiso ( 27/04/2014 17:22)
Salama ô!! dia ahoana tokoa moa no ahafantarana hoe reto le olona zay manko tena mbola vaovao be mitsy, misaotra.
10. nini2008 ( 28/04/2014 07:03)
Salama eh!
Zahay aty @ faritany avaratra de ahoana ? nefa mba te handeha.
11. mimich ( 28/04/2014 07:31)
Ny tena mety dia ny miantso ireo laharana finday voalaza eo ambony ireo rehefa tonga eo ambohijatovo na any an-toerana mba ahafahana mifankahita
12. hery ( 28/04/2014 07:38)
Eo Ambohijatovo akaikin'ny tunel eo amin'ny arret bus mandeha Ambohimanambola e.

Tsy maintsy hisy ankizy maromaro eo. Raha tsy izany dia antsoy marina ny tel voalaza etsy ambony
13. ora ( 30/04/2014 08:58)
dia mila mankany amin'ny farany atsimo zany nareo ry nini2008 aaaa, ny vazi2 mandeh eny ihany f sao d tezitra eo!
nini2008:

Salama eh!
Zahay aty @ faritany avaratra de ahoana ? nefa mba te handeha.
14. nini2008 ( 30/04/2014 12:16)
Hoavy ary eh fa saingy mbola hitady frais DIE-TNR-DIE (avion spécial)
15. ravatorano ( 01/05/2014 16:54)
Vita soa amantsara izany ny fihaonana teny Amin ny Batou Beach anio 01 Mai iny.
Ohatran 'ny mahazatra ihany dia somary tara ny tenanay hihihih ary ialana tsiny ireo namana izay efa tonga mialoha teny satria zareo efa niainga tao anaty fiara no nitsidika iaho sy mimich ary dia tafara dalana ihany moa !
Araky nyu efa mahazatra dia mahafinaritra foana ny fiarahana na dia somary vitsivitsy tsaratsara ihany aza zahay no tafaraka teny izay ireto avy : thiel,naritsimba,notron,mimich,tsiky sariaka,ulrich,anais,ralay dolpik,manou,martin,ora,blackman d serasera junior d ravatorano saika hadino !
Isaorana entona ireo namana nikarakara iny hetsika iny fa nahatsiarovana ny taloha ary nahafana nanaovana jery todika ny fiarana efa natao fa mlay eh ny manetsa be mbola ho avy ary efa maminaviana ny fihaonana mety hatao manaraka indray atsy ho atsy eh !
Misaotra antsika namana rehetra tonga teny koa ô !

16. ora ( 03/05/2014 07:38)
na izany aza nisy ihany ny nampalahelo eee, izahay mbola vao2 dia tsy nisy mba toro-marika nataondry zareo mpikarakara akory nahafahana nifankahalala teo, mba eritrereto hoe t@ 7ora sy sasany izahay no efa teo miaraka amin'ny tebiteby hoe sao dia tsy misy indray aza ilay izy, ny fahataran'ilay olona voatendry haka ny olona teny manginy fotsiny, ny akanjo misoratra hoe serasera mba tokony ahafantarana azy nafeniny anaty blouson, hany ka lasa ny sainay hoe sao dia mba tsy te hahazo namana hafa ankoatran'ilay efa nifankahazatra hatramin'izay sy efa nifankahafantatra endrika ary ry zareo, aoka mba ho anatra ho amin'ny sisa ireny e, rehefa mba tena te hisintona namana maro2 amin'ny manaraka dia mba ataovy MATOTRA lay izy !dia mba asiana ordre du jour fa ohatran'ny variana nifampiresaka sy nifanatsafa fotsiny nanodidina ny latabatra ny ankamaroany.



ravatorano:

Vita soa amantsara izany ny fihaonana teny Amin ny Batou Beach anio 01 Mai iny.
Ohatran 'ny mahazatra ihany dia somary tara ny tenanay hihihih ary ialana tsiny ireo namana izay efa tonga mialoha teny satria zareo efa niainga tao anaty fiara no nitsidika iaho sy mimich ary dia tafara dalana ihany moa !
Araky nyu efa mahazatra dia mahafinaritra foana ny fiarahana na dia somary vitsivitsy tsaratsara ihany aza zahay no tafaraka teny izay ireto avy : thiel,naritsimba,notron,mimich,tsiky sariaka,ulrich,anais,ralay dolpik,manou,martin,ora,blackman d serasera junior d ravatorano saika hadino !
Isaorana entona ireo namana nikarakara iny hetsika iny fa nahatsiarovana ny taloha ary nahafana nanaovana jery todika ny fiarana efa natao fa mlay eh ny manetsa be mbola ho avy ary efa maminaviana ny fihaonana mety hatao manaraka indray atsy ho atsy eh !
Misaotra antsika namana rehetra tonga teny koa ô !


17. ama ( 05/05/2014 05:03)
Bjr daôl!

Za tena miala tsiny fa nanavy be mintsy za hany ka anio 05 mai izao vao hitako ny pro t@ 01 Mai -lol-

Arahabaina izay rehetra nahatontosa izany ary maniry iany kou ra maniry ny mbola iaona @ rhtr in-1


ama
18. hery ( 05/05/2014 13:49)
Nampalahelo koa hoe tsy niverina namaly ireo fanontaniana vitsivitsy teto ianareo nefa nisy fangatahana fanazavana ihany teto.
19. ama ( 09/05/2014 10:54)
Ialana tsiny e!

Narary be teny ohatry ny oul nitapy mintsy za satry voan'ny bilharzioze tany @ loha izay efa ambony be ny taux hany ka lasa toy ny oul very saina mintsy ka tsy maintsy notsaboina teny @ neuro teny @ Girard.

Ny mampalahelo mou h@ zao le izy d tsy mety sitrana tsara za fa mba efa azo lazaina kousa fa nihatsara hany ka afaka miasa @ zay fa teo anie na ny asako teo alou ary ka very e! tsy nandray ana tsony ny pata satry tena ireny oul verisaina reny za.


Zao in-1 vao miasa ary izany we efa azo lazaina iany alou fa nihatsara saingy kosa tsy mbola tena salama tanteraka fa tsy maintsy minana TEGRETOL sy PHENOBARBITAL isan'andro.


Aza omena tsiny e!


Mirary ny hihaona @ rehetra hatrany in-1 andro any

ama
20. ravatorano ( 15/05/2014 14:49)
ora an ! tena matotra be ireny kah diso matotra loatra aza saingy ny tena matrina dia izao tara ny namana be resaka sasany toa anay izany hahahahah hany ka somary nanaelo kely njy fa amin ny manaraka tena ataotsika mlam be fa aza manaelo tsony an ! kouny ah ! hihihihi !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1541