NY FIROTSAHAN’IREO LOZA VOALOHANY

1. Maranatha ( 18/04/2014 05:05)
Tsy ho ela itsony izao tontolo izao dia hilaozan’ilay anjelin’ny famindram-po , ary ireo loza fito farany dia harotsaka ….Ny faharetana sy ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy hiandry eo mandritra ny fotoana tsy manampetra . Ireo tànankodiaran’ny fahatezeran’Andriamanitra dia hilatsaka tsy ho ela intsony , ary rehefa manomboka manafay an’ireo mpandika lalàna Izy , dia tsy hisy fijanonany intsony izany hatramin’ny farany . Temoignages pour les Pasteurs pp 87 , 88

1.-Inona no hitranga eto ambonin’ny tany rehefa tapitra ny androm-pahasoavana ? Apokalypsy 15 : 8 ; 16 : 1

Hitako fa Izy dia tsy hiala ao anatin’io toerana io alohan’ny fanampahan-kevitra momba ny olona tsirairay , na ho amin’ny famonjena , na ho amin’ny faharinganana . Ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy hirotsaka mandram-pahavitan’ny Mpamonjy ny asany ao amin’ny Efitra Masina Indrindra , ka hametrahany ny fitafiana fisoronany , ary hanaovany ny fitafiana famaliana . Rehefa izany Jesosy dia hamarana ny asa fanelanelanana ataony eo ana-trehan’ny Ray ho an’ny olona . Andriamanitra dia tsy hangina intsony , fa kosa hapifofofofo ny fahatezerany hanohitra an’ireo firenena izay nitsipaka ny fahamarinany . Nahita aho fa ny fisamboaravoaran’ireo firenena , ny fahatezeran’Andriamanitra , ary ny fotoana fitsarana an’ireo maty ,dia zavatra telo miavaka tsara , ka mifanarakaraka izy ireo . Nahita aho fa i Mikaela dia mbola tsy nitsangana , ary ny fotoanan’ny fahoriana izay tsy mbola nisy toa azy , dia mbola tsy nanomboka . Ankehitriny ireo firenena dia misamboaravoara , kanefa rehefa vitan’Ilay mpisoronabe ny asany ao amin’ny fitoerana masina , dia hitsangana Izy , hanaovany ilay fitafiany famaliana, rehefa izany dia harotsaka ho eo ambonin’ny tany ireo loza fito farany . Premiers Ecrits p 36

2 .-Rehefa izany , inona no halefan’ireo anjely efatra manerana ny vazan-tany rehetra ? Apokalypsy 7 : 1-3

Amin’izao fotoana izao , ireo anjely dia mbola mihazona an’ilay rivotry ny ady , mba tsy hitsoka ireo rivotra ireo alohan’ny fahatongavan’ny fampitan-dremana manerana izao tontolo izao , mikasika ny fahavoazana izay hanjo azy . Kanefa moa ny tafio-drivotra dia efa mitatao , vonona ny hifofofofo hirotsaka eto ambonin’ny tany , ary rehefa baikoin’Andriamanitra ireo anjely mba handefa an’ireo rivotra , dia hipoaka ny ady anakiray izay tsy hay sori-tsoritana mihintsy . Education p 206 … Amin’izay i satana dia handetika ny mponina eto an-tany ao amin’ny fahoriana lehibe farany . Rehefa hilatsaka tsy hihazona ireo rivota masiakan’ny filana ambany eo amin’ny olombelona ny anjelin’Andriamanitra , dia ho vahana izay rehetra mahatonga ny ady . Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin’i Jerosalema fahiny ny tany manontolo . Hery Mifanandrina p 640

Ireo loza anankiroa voalohany

3.- Ao amin’ny loza voalohany , inona no hanjo an’ireo izay manaiky ny mariky ny bibidia sy miankohoka amin’ny sariny ? Apokalypsy 16 : 2 . Inona no hanjo ny ranomasina ao amin’ny loza faharoa ? Apokalypsy 16 : 3


Rehefa mijanona tsy manao fanelanelanana intsony ao amin’ny fitoerana masina Kristy , dia hirotsaka amin’izay miankohoka eo anantrehan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany Apokalypsy 14 : 9-10 ny fahatezerana tsy miharoharo zavatra izay mananontanona azy ireo . Ny loza namely an’i Egypta talohan’ny nanafahan’Andriamanitra an’Israely dia sahala amin’ireo fitsarana mahatsiravina sy be velarana kokoa izay hiatra amin’izao tontolo izao mialoha indrindra ny fanafahana farany ny vahoakan’Andriamanitra . Hoy ny mpanoratra ny Apokalypsy na Fanambarana raha milaza ny amin’ireo kapoka mahatahotra ireo izy : “ Nisy vay ratsy sy mampahory tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anantrehan’ny sariny” . Apokalypsy 16 : 2 . “ Nody ra tahaka ny an’ny olona maty ny ranomasina : Ary maty ny zava-manan’aina tao aminy” . Hery Mifanandrina pp 653 , 654 .

Ny loza fahatelo

4 .-Inona no ho voakasik’ilay loza fahatelo ? Apokalypsy 16 : 4 . Koa satria tsy nisy rano madio , inona no hosotroin’ireo mpankahala fivavahana mba hanalany ny hetahetany ? Nahoana ? Apokalypsy 16 : 5-7


Nody ra ny ony sy ny loharano . Na dia mafy toy izany aza ireo fahoriana ireo , dia mijoro ho marina tanteraka ny fitsaran’Andriamanitra . Hoy ny anjelin’Andriamanitra hoe : “ Marina Ianao Jehovah o … satria efa mitsara toy izany Ianao . Fa ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany . Ka dia ra kosa no nomenao ho sotroiny ; ary tandrifiny ho azy izany” . Apokalypsy 16 : 2-6 . Raha nanameloka ny vahoakan’Andriamanitra ho faty izy , dia tena meloka marina tokoa ny amin’ny ran’izy ireo toy ny tànany mihintsy no nandatsaka izany . Tahaka izany koa no nanambaran’i Kristy fa meloka ny amin’ny ran’ny olona masina efa nalatsaka hatramin’ny andron’i Abela ireo Jiosy tamin’ny androny . Satria sahala toe-tsaina amin’ireo namono ny mpaminany izy ireo sady nitady ny hanao ny asany koa . Hery Mifanandrina p 654

Ny loza faha efatra

5 .-Ahoana no hiantefan’ny fahoriana entin’ilay loza faha efatra eo amin’ny olona ? Apokalypsy 16 :8-9 . Ahoana no fomba fiatraikan’io loza faha efatra io ao amin’ ny zava-boahary ? Joela 1 : 10-12 , 17-20


Eo amin’ny loza manaraka , dia homena hery ny masoandro handoro ny olona amin’ny afo . Ary ho main’ny hafanana be ny olona . Toy izao no filazan’ireo mpaminany ny toetoetry ny tany amin’io fotoana mampihoron-koditra io . Mariry ny saha … fa simba ny vary … Malazo ny hazo rehetra any an-tsaha ; eny malazo ny fifalian’ny olombelona . Matimaso ao ambanin’ny baingantany ny vary nafafy , foana ny sompitra … Indrisy , ny fitoeran’ny biby ! Very hevitra ny omby andiany , satria tsy misy ahitra ho azy … satria ritra ny renirano , ary efa levon’ny afo ny kijana any an’efitra . Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’izany , hoy Jehovah Tompo ; ho be ny faty , hatraiza hatraiza no hanariany azy . Mangina re ! Joela 1 : 10-12 , 17-20 . Tsy hanerana izao tontolo izao ireo loza ireo , fa raha izany dia ho fongana daholo ny mponina eo amin’ny tany . ,Na dia izany aza dia ireo no kapoka mahatahotra indrindra amin’izay efa nihatra fantatry ny olombelona … Hery Mifanandrina p 654

Ny loza faha dimy

6.- Eo amin’ireo vondron’olona inona no hirotsahan’ilay loza faha dimy manokana , izay tena mahatsiravina tokoa ? Apokalypsy 16 : 10-11


Ity fijoroana vavolombelona ity dia maneho zava-nitranga anankiray izay tena manandanja tokoa . Ireo loza dia tsy nandringana avy hatrany an’ireo olona rehetra izay iantefany , satria ny sasan-tsasany amin’izy ireo izay voan’ny loza voalohany , dia mbola velona ihany rehefa narotsaka ilay kapoaka faha dimy , ka nanaiki-dela izy ireo noho ny fanaintainana . Ao amin’ny Eksodosy 10 : 21-23 , dia ahitantsika ny fanoritsoritana an’io kapoaka io . Izy io dia harotsaka eo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia , dia ny fanjakana papaly . Ny seza fiandrianan’ilay bibidia dia hita eo amin’ny toerana rehetra izay misy ny foiben’ny fanjakana papaly izay ao amin’ny tanànan’i Roma mandraka ankehitriny . Ary tsy misy isalasalana fa mbola mitoetra ao hatrany io foibe io . Ny fanjakan’ilay bibidia dia ivondronan’ireo izay mpanao ny raharaham-pivavahan’ny papa , eo amin’ny toerana rehetra izay misy azy . Uriah Smith Apokalyps p160

Ilay fitiavana lalin’Andriamanitra sy ny faniriany

7 .-Eo ampianarana ny mikasika ny zavatra izay ho tonga amin’ireo mpanota tsy mibebaka , inona no fantatrareo momba ny fitiavan’Andriamanitra sy izay iriany amim-pitiavana miredareda ? Romana 1 : 16-17 ; I Jaona 4 : 9 ; II Korintiana 6 : 1-2


Lazao aminy hoe : Raha velona koa Aho hoy Jehovah Tompo : dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy , fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany , mba ho velona izy . ,Mialà , mialà amin’ny lalandratsinareo , fa nahoana moa no te ho faty ianareo , ry taranak’Israely ? Ezekiela 33 : 11 , Mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby , mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana , kanefa tsy mety manamarina ny meloka , fa mamaly ny heloky ny Ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika Eksodosy 34 : 7 . Na dia tsy sitrany aza ny hamaly , dia tsy havelan’Andriamanitra ho afa-maina ny mpandika ny lalàny . Tsy maintsy manao izany Izy mba hiarovana ny mponina eto an-tany amin’ny fahasimbana sy ny fandringanana mpiseho mandrakariva . Mba haha-zoana mamonjy ny sasan-tsasany , dia votery nanaisotra ireo izay mikiribiby ao amin’ny fahotana Izy . “ Mahari-po Jehovah , sady be hery ary tsy manamarina ny meloka” . Nahoma 1 : 3 . Famaizana mahatsiravina no nentiny namely ny vonina-hitry ny lalàny nohamavoina . Ny tsy fitiavany hampihatra ny fahamarinany , dia manamporofo ny fahalehibeazan’ny fahotana izay mitaky ny fitsarana ataony sy ny hamafin’ny famaizana izay miandry ny mpanota . Patriarika sy Mpaminany p 662

Mba ho saintsainina lalina

Ny famaizana rehetra natao tamin’ny olona , talohan’ny hiafaran’ny androm-pahasoavana , dia niharo famindram-po hatrany . Ny fifonana sy ny ran’i Kristy dia niaro ny mpanota tsy handray ny fatra fenon’ny fanamelohana azy ; nefa amin’ny fitsarana farany dia mirotsaka tsy miharo famindram-po ny fahatezerana . Hery Mifanandrina p 654 .
Izay milaza ny tenany ho kristianina nefa tsy vita fiomanana akory rehefa miatrika an’io ady mahatsiravina farany io , dia hamoy fo ka hiaiky ny fahotany amin’ny teny mitory tebiteby mivaivay , ka hibitaka ny ratsy fanahy mahita ny fahoriany . Fiaikem-pahotana toy ny an’i Esao sy Jodasy ny azy . Ny vokatry ny fandikan-dalàna no mampitoloko azy ireny fa tsy noho ny faharatsian’ny heloka vitany . Tsy tena alahelo marina no tsapany , ary tsy maharikoriko azy ny ratsy . Miaiky ny fahotany izy noho ny fahatahorany ny famaizana ; nefa , tahaka an’i Farao fahiny , dia hiverina amin’ny fihaikany ny Lanitra indray izy raha hesorina ny fitsarana . Hery Mifanandrina p 646
novalian'i Maranatha ny 24/04/2014 09:50
2. moustaraf ( 19/04/2014 18:58)
salama namana,
inona ny base tena ifikiranareo mi affirmer fa ny fitondrana papaly no fanjakan'ny bibidia? Roma sy vatican no Qg ny? misy fanazavana an'io ataon'i Mailhol fa tena fahoanifahoany fotsiny zao, subjectif be fotsiny zao fa tsy miorina akory, ka ity an'ao eto ity ahoan?
3. rhaj0 ( 21/04/2014 17:00)
... loza... bibidia ... famaizana ... aoka ho'a izay ny ramatahora fa mba ilay Fitiavan-dehibe ventesina... sao izany ataonao eto izany azany no araka ilay hoe.. "rahefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampitahory..."

(io dia fanao aorian'ilay hoe "rehefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampifamaofaozy" ary alohan'ny ilay hoe "rahefa tsy resy lahatra ny andaniny, dia daroy"... ka sao aorian'ny "ramatahora" dia hirotsaka @ "daroka" @izay ianao io re ry Maranatha... aoka ho'a...

..reseo lahatra @ ilay "Fitiavan-dehibe" ny olona e...
4. Maranatha ( 22/04/2014 05:32)

moustaraf:

salama namana,
inona ny base tena ifikiranareo mi affirmer fa ny fitondrana papaly no fanjakan'ny bibidia? Roma sy vatican no Qg ny? misy fanazavana an'io ataon'i Mailhol fa tena fahoanifahoany fotsiny zao, subjectif be fotsiny zao fa tsy miorina akory, ka ity an'ao eto ity ahoan?

Tsy nanaraka ny teo aloha hianao. Vakio Tsara ity rohy ity http://forum.serasera.org/forum/message/m5320432bcc785
rhaj0:

. loza... bibidia ... famaizana ... aoka ho'a izay ny ramatahora fa mba ilay Fitiavan-dehibe ventesina... sao izany ataonao eto izany azany no araka ilay hoe.. "rahefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampitahory..."
(io dia fanao aorian'ilay hoe "rehefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampifamaofaozy" ary alohan'ny ilay hoe "rahefa tsy resy lahatra ny andaniny, dia daroy"... ka sao aorian'ny "ramatahora" dia hirotsaka @ "daroka" @izay ianao io re ry Maranatha... aoka ho'a...
..reseo lahatra @ ilay "Fitiavan-dehibe" ny olona e..

Tsy mandresy lahatra anao aho ry rhj0 sy izay mety ho namanao. Izao no baiko azoko Ezekeila 3:27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Tsitoha Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
Ny tsom-po no hampahafantarako izay voalazan'i Tompo mba hamonjeny ny ainy . Ezekiela 3:18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao
5. moustaraf ( 22/04/2014 11:20)
Salama namana,
miala tsiny fa "ny baiboly" dia tsy manondro firenena akory ho fanjakan 'ny maizina.
Izao tontolo izao no fanjakan'ny maizina ary eny amn rivotra na lanitra no fonenan, ka ity tany ity dia hodorana (fa tsy roma irery akory ) izany no lazain 'ny baiboly.

"izao no baiko azoko " aoka tsy hisalovana ny toeran'ny mpaminany ireo isika, i Ezech'el no nomena an'izany ary hafatra ho an'i israely
6. Maranatha ( 22/04/2014 12:43)

moustaraf:

Salama namana,
miala tsiny fa "ny baiboly" dia tsy manondro firenena akory ho fanjakan 'ny maizina.
Izao tontolo izao no fanjakan'ny maizina ary eny amn rivotra na lanitra no fonenan, ka ity tany ity dia hodorana (fa tsy roma irery akory ) izany no lazain 'ny baiboly.

Avoahy aloha izany teny nolazaiko izany namana fa aza valiana fotsiny @ izay fandraisanao azy.
moustaraf:
"izao no baiko azoko " aoka tsy hisalovana ny toeran'ny mpaminany ireo isika, i Ezech'el no nomena an'izany ary hafatra ho an'i israely

Hafatra hoan'i Israely ??? dia tsy azo hampiasaina intsony amin'izao vanin'andro izao ????
Rom15:4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
moustaraf a: Ny olana hoa anareo izay milaza fa jiosy mino ny Tompo (tafiditra ao anatiny ny Judaisme messianique, ny Juif messianique sns....) dia mbola manangana Mpisoronabe eto antany. Mbola te hametraka ireo drafitra rehetra efa vita teo aloha. Mbola manao paska @ 14 eme Nissan, Mbola manao ny 50emejour aorian'ny paska (pentecote), Mbola manao ny Tabernakely koa angambany satria lasitra iray ireo. Mbola manao ny andro fanavotana ihany koa angamba faha 10 volana faha 7, sns ......
Maneho ny tsy finoana ny zavatra vitan'ny Tompo. Rehefa nisasaka roa ny efitra lamba tao antempoly, votsitra ilay ondry saika hatao paska, dia mitsahatra hatreo ireo fanompoam-pivavahana fanao teto an-tany.
Hoy ny Hebreo 9:10 (fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
Ny Mpisoronabe izay mety maty t@izany dia nosoloin'i Tompo Azy izay tsy mety maty . Ny fanompoam-pivavahana fanao t@ izany dia novaina ny fanompoam-pivavahana hatao any an-danitra izay mitovy fa tsy sahala ny t@andron'i Mosesy.
Izay mbola milaza ny tenany fa mpisoronabe amin'izao andro izao dia miteny ratsy ny anaran'i Tompo. Efa toeram-boninahiny izany nefa mbola misy mitady haka indray
7. moustaraf ( 22/04/2014 18:27)
Salama,
Mbola kely ny itoeran'ny mazava ....
Ny mahatsikaiky amin'itony mpotoriteny itony dia ny fampiasana ireo toko sy andininy amn itiavana azy,
lazaina fa tsy izy intsony ny torah, nefa arahina ihany ny "aza mangalatra...." fa rehefa tonga amn "manaja ny sabata dia ahitsy kely hoe alahady...hi hi hi
Dia maka kely indray tenina mpaminany amn ampahany fa ny ambiny tsy ekena,

izahay dia mino fa Yeshu'a no mpamonjy fa tsy i jesosy na hafa, ary izy no mpisorona be mandrakizay araka ny fisoronan'i Malketzedek, mazava be!
izu no lazain'i Moshe ao amn horonam boky, ary tonga nanatanteraka izany
8. rhaj0 ( 22/04/2014 18:59)

moustaraf:
izahay dia mino fa Yeshu'a no mpamonjy...

Iza kay "ianareo" ? dia iza i Yeshu'a ?
9. moustaraf ( 23/04/2014 04:51)
salama,
Izahay ilay lazain'ny horonam boky hoe "ary amn izany andro izany, izaho hamerina ny oloko izay naeliko avy any amparan'ny tany, ka hofantany ny anarako, ka izy ho oloko ary izaho ho Elohym ny "
Maro ny faminaniana ao amn baiboly no manamafy an'io, ohatra ity: Isa 41: 8-13 "fa iaanao kosa ry Israely sakaizako.....ary nantsoiko avy tany an tsisiny ianao ka tsy mba NARIAKO."
ho an'iza ny fanekena vaovao?
Jer 31:31-34 sy Heb 8:8-12 manao hoe "indro avy ny andro, izay hanaovako Fanekena Vaovao amn taranak'ISRAELY sy ny taranak'i JODA.....fa izao no fanekena hataoko aminy hoy Adonay, hataoko ao an tsainy ny torah ko, sady hosoratako ao am-pony "
Mazava be koa izany faminaniana izany ka tsy misy tokony ho adika na ahodinkondina.
Ny fanekena vaovao dia 'Tsy natao handrava lalana fa vao maika MAMPIORINA azy mafy, hoy ny apostoly.
10. Maranatha ( 23/04/2014 05:46)

moustaraf:

salama,
Izahay ilay lazain'ny horonam boky hoe "ary amn izany andro izany, izaho hamerina ny oloko izay naeliko avy any amparan'ny tany, ka hofantany ny anarako, ka izy ho oloko ary izaho ho Elohym ny "
Maro ny faminaniana ao amn baiboly no manamafy an'io, ohatra ity: Isa 41: 8-13 "fa iaanao kosa ry Israely sakaizako.....ary nantsoiko avy tany an tsisiny ianao ka tsy mba NARIAKO."
ho an'iza ny fanekena vaovao?
Jer 31:31-34 sy Heb 8:8-12 manao hoe "indro avy ny andro, izay hanaovako Fanekena Vaovao amn taranak'ISRAELY sy ny taranak'i JODA.....fa izao no fanekena hataoko aminy hoy Adonay, hataoko ao an tsainy ny torah ko, sady hosoratako ao am-pony "
Mazava be koa izany faminaniana izany ka tsy misy tokony ho adika na ahodinkondina.
Ny fanekena vaovao dia 'Tsy natao handrava lalana fa vao maika MAMPIORINA azy mafy, hoy ny apostoly.

Ary tsy novakianareo angamba ireto toko sy andininy ireto a!
Asa 13:46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Ny Avo-indrindra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;47 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Ny Avo-indrindra*; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.
Matio 3:9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Ny Avo-indrindra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Tsy misy intsony Jiosy na Jentilisa
Gal 3:28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.29 Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

moustaraf:

Salama,
Mbola kely ny itoeran'ny mazava ....
Ny mahatsikaiky amin'itony mpotoriteny itony dia ny fampiasana ireo toko sy andininy amn itiavana azy,
lazaina fa tsy izy intsony ny torah, nefa arahina ihany ny "aza mangalatra...." fa rehefa tonga amn "manaja ny sabata dia ahitsy kely hoe alahady...hi hi hi
Dia maka kely indray tenina mpaminany amn ampahany fa ny ambiny tsy ekena,

izahay dia mino fa Yeshu'a no mpamonjy fa tsy i jesosy na hafa, ary izy no mpisorona be mandrakizay araka ny fisoronan'i Malketzedek, mazava be!
izu no lazain'i Moshe ao amn horonam boky, ary tonga nanatanteraka izany

1-Tonga dia ahitsiho aloha ny fijerinao fa tsy arak'izay voalazanao ny manoloana anao. Mandeha @ lalana ety araka ny voalaza ny soratra masina lavitra noho hianareo ny aty.

2-Koa raha mino azy hianareo nahoana no mbola miverina manao ireo aloka (Ireo lalàm-pisoronanat@andron'i Mosesy).
-Ny Paska (14 jour nissan) t@lalàn'i Mosesy = Efa novain'i Messia ny firaisana latabatra aminy I KOR 11:23-26, I KOR 5:7
-NY Pentecote (50 Jour aoruian'i paska) t@lalàn'i Mosesy = Efa novain'i Messia Ny fanomezany an'ireo mpino ny fanahy masina (dia mbola hiandry isaky ny pentecote ve izany vao hahazo ny fanahy masina???? hitako no tsy misy azonareo ny tokony hatao.)
-Ny fitsofana trompetra efa ny filazana t@ feo mafy ny fiavian'ny Messiah 1840-1844
-Ny andro fanavotana = Ny fitsarana any andanitra ankehitriny izay Hitoeran'ny Mpisoronabe (sa ny anareo vao niakatra any an-danitra ny Tompo tonga dia nanao ny asan'i Mpisorona be??). Nahoana hianareo toa mbola manao ilay andro faha 10 ny volana faha 7??? sns...

Vakio tsara ny Gal toko 3 fa milaza ireo mbola manao ireo aloka (lalàm-pisoronana t@andron'i Mosesy) ireo.

Hatreto aloha dia toa tsy tazako izay fahazavana hetinao. Izaho izay tsy Jiosy indray no toa mahalala zavatra betsaka noho hianao.

Matio11:25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. 26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
11. moustaraf ( 23/04/2014 06:59)
salama,
"atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra "
Iza no nampianatra anreo fa foana ireo fety ireo? "tsy hisy ho foana ireo, na dia tendron-tsoratra iray aza mandra paahatanteraka azy REHETRA "
Ny torah tsy misy azo foanana izany, fa io no Filazantsara notoriana tany an'efitra ary mbola notoriana t@ andron'Yeshua sy ny apostoly.
Mazabe anie ilay faminaniana ho "hosoratako ao an-tsainy sy ao am-pony ny Torah-ko " , ka ny olana ho an'ny mpianatra romana dia ilay fo tsy voafora ka tsy manaiky an'ilay fanoratana torah ao am-po sy ao an-tsaina. Na ny torah aza moa lazainareo fa foana sy rava ko!

Yeshua no torah, lay teny tonga nofo, tao aminy no nampisiana ny zavatra rehetra, izy no fahafenoana.
"tsy misy mankany amn Ray afa tsy amn alalako: torah ko!

hoporofoina eto koa indray ve fa nanao an'ireo fety ireo ny apostoly?
mazava ihany koa fa aloka ireo rehetra ireo, fa ny tena izy dia any an-danitra, ekena! fa isika ve efa any an-danitra amnzao?
Yeshua no any an-danitra amnzao, fa isika aty an-tany ary manao asa amn finoana!
Raha haintsika tsara ny dikan'ilay fety isan karazany ireo sy ny hevi-panahiny dia hifona sy hibebaka isika amn famingavingana mahazatra fanao.
12. Maranatha ( 23/04/2014 09:41)

moustaraf:

salama,
"atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra "
Iza no nampianatra anreo fa foana ireo fety ireo? "tsy hisy ho foana ireo, na dia tendron-tsoratra iray aza mandra paahatanteraka azy REHETRA "
Ny torah tsy misy azo foanana izany, fa io no Filazantsara notoriana tany an'efitra ary mbola notoriana t@ andron'Yeshua sy ny apostoly.
Mazabe anie ilay faminaniana ho "hosoratako ao an-tsainy sy ao am-pony ny Torah-ko " , ka ny olana ho an'ny mpianatra romana dia ilay fo tsy voafora ka tsy manaiky an'ilay fanoratana torah ao am-po sy ao an-tsaina. Na ny torah aza moa lazainareo fa foana sy rava ko!
Yeshua no torah, lay teny tonga nofo, tao aminy no nampisiana ny zavatra rehetra, izy no fahafenoana.
"tsy misy mankany amn Ray afa tsy amn alalako: torah ko!
hoporofoina eto koa indray ve fa nanao an'ireo fety ireo ny apostoly?
mazava ihany koa fa aloka ireo rehetra ireo, fa ny tena izy dia any an-danitra, ekena! fa isika ve efa any an-danitra amnzao?
Yeshua no any an-danitra amnzao, fa isika aty an-tany ary manao asa amn finoana!
Raha haintsika tsara ny dikan'ilay fety isan karazany ireo sy ny hevi-panahiny dia hifona sy hibebaka isika amn famingavingana mahazatra fanao.

Mbola zaza @ fahalalana an'i Messiah hianao namana.
Tsy foana ireo mandram-pahatanterany tena izay indrindra. Fa raha mbola teto antany ny Tempoly dia ireny natoro ireny ny fanao, fa raha any andanitra kosa indray ny tempoly dia efa natoron'ny Tompo indray ny fanao tokony harahina io no ATAO HOE LALAN'I KRISTY.
Efa nanaiky hianao fa any andanitra ny Messiah no manao ny fanompoana dia amin'ny maha vahoakany anao dia inona no tokony hataonao???? hiverina hanao ny fomba fanao izay tsy mahatanteraka indray ve????Hebreo 9:9 fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana 10 (fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana

Raisintsika ny Andro faha 10 @ volana faha 7 rehefa ao @ masina indrindra ny Mpisoronabe t@ izany fotoana izany dia inona no nataon'ny vahoaka Israely??? Lev 16:29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.30 Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Tsitoha ianareo31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
Koa raha mbola manao ny asany ao @ efitra masina indrindra ny Tompo dia inona no tokony hatao e???? hanao fety??? koa tsy ho ringana sy tsy ho avelany mihintsy ny fahotana
Isaia 22:12 Ary amin'izany andro izany Tsitoha , Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.14 Dia nambaran'i Tsitoha , Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Tsitoha , Tompon'ny maro.

13. moustaraf ( 24/04/2014 08:24)
Salama e,
Eo indrindra ny olana. Maro ny mihevitra tahaka anao izany maneran-tany . Tsy mahalala akory nefa miezaka ny mampianatra olona.

Mbola misy ve ny fisoronana?
ye, matoa misy an'Yeshua kohen gadol na mpisorona be manao fisoronana ho antsika!
Ary isika natao hanatitra fanati-panahy ao @ tranofanahy.
-Raha nahita fahitana iPetera dia voalaza hoe "t@ fotoana fanaterana fanatitra " , misy dikany izany...

fantatsika ve ny hevi-panahin'ireo fety ireo? ny voalohan'ny taona, ny faha 14 volana aviv, ny shavouot, ny hakiporym, ... izay hazavain' Yeshua mazava tsara.-
14. Maranatha ( 24/04/2014 09:50)

moustaraf:

Salama e,
Eo indrindra ny olana. Maro ny mihevitra tahaka anao izany maneran-tany . Tsy mahalala akory nefa miezaka ny mampianatra olona.

Mbola misy ve ny fisoronana?
ye, matoa misy an'Yeshua kohen gadol na mpisorona be manao fisoronana ho antsika!
Ary isika natao hanatitra fanati-panahy ao @ tranofanahy.
-Raha nahita fahitana iPetera dia voalaza hoe "t@ fotoana fanaterana fanatitra " , misy dikany izany...

fantatsika ve ny hevi-panahin'ireo fety ireo? ny voalohan'ny taona, ny faha 14 volana aviv, ny shavouot, ny hakiporym, ... izay hazavain' Yeshua mazava tsara.-

Ento ary ho henoina ny hevitrao e! Araho toko sy andininy hanazavana azy tsara fa toa tsy misy toko sy andininy mihintsy izay resaka resahinao. Porofoy fa ao amponao no hiraiketana ny tenin'i Tsitoha sy ilay hoe hataoko ampony lalàko ary ho soratako ao antsainy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.225