Fepetran'ny Paska sy pantekoty

1. moustaraf ( 17/04/2014 05:52)
Salama namana isany,
Ireto misy fanontaniana:
Tandremana ihany ireo fety voalazan'ny baiboly nefa "Nahoana no tsy tandremana araka izay voasoratra?
1.Paska
Amin'ny hariva/ andro faha 14 n'ny volana 1°/ 08 Andro ihinanana ny mofo tsy misy masirasira...
Ary voasoratra fa tandremana mandrakizay izany

2°Pantekoty (dikany 50)
Manisa 7 sabotsy + 1 andro = 50 andro aorian'ny Paska no ankalazana azy,
toa tsy manome 50 mihitsy ny fankalazana ankehitriny!!!

Nitandrina an'ireo koa ve ny Apostoly???

novalian'i toriteny ny 24/04/2014 08:18
2. toriteny ( 17/04/2014 08:32)

moustaraf:

1.Paska
Amin'ny hariva/ andro faha 14 n'ny volana 1°/ 08 Andro ihinanana ny mofo tsy misy masirasira...
Misy resaka io mofo tsy misy masirasira io atsy amin'ny sujet an'i Tefigasy hoe"Ataonao hoe Iza moa aho?"

moustaraf:

2°Pantekoty (dikany 50)
Manisa 7 sabotsy + 1 andro = 50 andro aorian'ny Paska no ankalazana azy,
toa tsy manome 50 mihitsy ny fankalazana ankehitriny!!!

Eo amin'ilay Sabotsy no valiny. Fa raha alahady no hikotinao azy dia manome 50 tsara mihitsy aorian'ny Paques Kristianina ny Pentecôte :-)

moustaraf:

Nitandrina an'ireo koa ve ny Apostoly???

Hoe Paques en tant que nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty v(izay andro alahady)? Ié isaky ny niray latabatra ry zareo ka nandray.

ny Apostoly sy ny Pentecote indray, koa ny apostoly mitsy ary anie no nirotsahin'ny FAnahy MAsina tamin'ny Pentekoty e.
3. toriteny ( 17/04/2014 08:55)
Hitanao: misy antony ao matoa ataon'i Jesosy mifanindry amin'ny fety Jiosy daholo ny lalam-pamonjena: Izy nitsangana tamin'ny maty sy ny Paques Jiosy, Ny fizarana ny FAnahy MAsina mifanandrify amin'ny pentekoty.

Afaka nataony andro hafa mihitsy ny nanatanterahany ny asam-pamonjeny fa tiany tsy ireny intsony no notandremana. Tsy hitanao hoe important kokoa ve ny mankalaza Famonjena (Grand F)an'izao tontolo izao tsy ho faty toy izay hahatsiaro ny nanalàna firenena 1 tsy ho andevon'ny Egyptiana nefa mbola andevon'ny fahafatesana ihany?

Tsy haiko aloha ny nankalazan'ny Jiosy tamin'ny andron'ny Pentekoty taloha fa mandray Fanahy MAsina izany, mamarana époque divine iray (fitondran'ny Zanaka) sy manomboka époque divine iray hafa (fitondran'ny Fanahy Masina) izany anie ka goavana e. Surtout hoe Andriamanitra ihany koa ilay nidina tety an-tany

Manontany ianao hoe fa maninona no hovàna? SAtria
1)za tsy Jiosy ka hanaraka fomba Jiosy
2)Satria efa zavatra hafa no nampianarin'i Jesosy ahy hankalazaina amin'ireo andro roa ireo.


4. bor2lais ( 17/04/2014 12:40)
moustaraf >> ny vavahady atsy mbola tsy vita dia mitady raharaha hafa eto indray a ! :-)
5. moustaraf ( 18/04/2014 08:54)
salama e!
ka ilay avahady atsy toa efa nosaritahin-dry zalahy e! tsy hita intsony izay ivoahana sy hidirana fa toa savik'omby no mibahana eo anoloana, ka naleonay nitsaitsaika, ...
6. moustaraf ( 18/04/2014 08:57)
1)za tsy Jiosy ka hanaraka fomba Jiosy
2)Satria efa zavatra hafa no nampianarin'i Jesosy ahy hankalazaina amin'ireo andro roa ireo.

-Ireo fety ireo dia fety nomena ny Israely, ka raha io valin-teny io izany dia tsy tokony hifety an'io akory izay tsy Israely na jiosy!!! sao de lasa jiosy!!

-Mifanohitra izany i Mosesy sy ny Mesia?? sa ahoana, nefa toa i Mosesy anie no nanoratra milaza ny Mesia!! (???)
7. toriteny ( 21/04/2014 08:56)

moustaraf:

-Ireo fety ireo dia fety nomena ny Israely, ka raha io valin-teny io izany dia tsy tokony hifety an'io akory izay tsy Israely na jiosy!!! sao de lasa jiosy!!

Ary ianao maninona no manaraka ireo fety ireo? Ianao angaha Jiosy ? Ny kristianina hafa mihitsy no fomba fankalazana sy ny zavatra hankalazaina amin'ireo andro ireo fa tsy ohatran'ny Jiosy.
Ianareo anie Moustaraf ka tena hiangarana e. Tiany mihoatra ny firenena hafa ianareo na dia efa novonjeny koa aza ny firenena hafa nefa ianareo tsy mety mandray Azy hatramin'izao. Noho ny fitiavany anareo ihany no nanaovany ireo amin'ny andro fankalazana JIosy. Ny Jentilisa afaka nataony andro hafa ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny nanomezany ny Fanahiny, nanaraka foana izahay qu'importe le jour. Fa ny Jiosy mihitsy no notsinjoviny tamin'ireo andro ireo.


moustaraf:

-Mifanohitra izany i Mosesy sy ny Mesia?? sa ahoana, nefa toa i Mosesy anie no nanoratra milaza ny Mesia!! (???)

Tsy mifanohitra ka, mifameno aza. Ny Paska, ny nihainan'ny Zanak'Israely dia tandindona sy manambara an'i Jesosy taty aoriana avokoa.
8. mizara ( 22/04/2014 07:21)

moustaraf:

Salama namana isany,
Ireto misy fanontaniana:
Tandremana ihany ireo fety voalazan'ny baiboly nefa "Nahoana no tsy tandremana araka izay voasoratra?
1.Paska
Amin'ny hariva/ andro faha 14 n'ny volana 1°/ 08 Andro ihinanana ny mofo tsy misy masirasira...
Ary voasoratra fa tandremana mandrakizay izany

2°Pantekoty (dikany 50)
Manisa 7 sabotsy + 1 andro = 50 andro aorian'ny Paska no ankalazana azy,
toa tsy manome 50 mihitsy ny fankalazana ankehitriny!!!

Nitandrina an'ireo koa ve ny Apostoly???

Somary mampihomehy tokoa fa raha tena arahina ny hoe " tandremo amin'ny fotoanany ny Paska" dia tsy alatsinainy ny ampitson'ny paska, fa ny Pantekosta kosa dia tsy maintsy Alahady ;-)


9. moustaraf ( 22/04/2014 11:07)
Salama namana,
io lazain'i Mizara etsy ambony io no tiana ihaviana.
"tandremana amn Fotoany " io fety io, matoa nomena amn antsipirihany ny fanisana.
Ny mampihomehy dia ity Fety an'i hebreo, nomena ny hebreo amn fomba hebreo, nefa salovanina tsotra izao "n'importe comment "
taiza no nisy paska Alahady "andro 1 "?
Rehefa tsy te hanao fety araka ny torah dia aleo tsy manao, fa "i devoly no voasoratra fa hanova andro sy fotoana "

Niangona ny mpianatra ny ampitson'ny paska, andro 1 io, alahady, ye marino tokoa io, satrio ny torah dia mandidy an'io andro ho andro fivavahana, ary 50 andro aorian'ny sabata 7 ,izany hoe andro alahady ny Shavouot na pantekoty andro fivavahana koa io araka ny torah daholo izany notandreman'ny apostoly izany.
Fa tsy ilay aelin'ny romana foana hoe lasa alahady ny andro ivavahana sy ny fety rehetra. alahady: sun day: natokan'ny romanina hiankohofana amn masoandro.

ny torah ihany no afaka manazava ny antony tsy naneken'y mpamonjy ny hokasihin'i magda tamn marainan'ny nitsanganany...
10. bor2lais ( 22/04/2014 11:54)
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Paska e ! :-)
"Dédicace" manokana ho an'i moustaraf :
"1. Ry Jeso Masoandronay ô!
Ny aizin’ny fo lasa tokoa
Fa tonga aty anatinay izao
Mazava lehibe.
Eny, Jeso! Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty,
Avy izahay, mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao."
547 ffpm
:-)
11. toriteny ( 22/04/2014 13:49)
moustaraf:

Ny mampihomehy dia ity Fety an'i hebreo, nomena ny hebreo amn fomba hebreo, nefa salovanina tsotra izao "n'importe comment "

Tsy n'importe comment ka. Fa araka ny nampianarin'i Jesosy. Mosesy nampitondraina hafatra ny fanaovana ny Paska aza ve hinoanareo ihany. Dia maninona Andriamanitra ZAnaka niteny ilay hafatra indray no tsy hataonareo izay Teniny?

moustaraf:

taiza no nisy paska Alahady "andro 1 "?


MAt28:1/ Mar16:1/Lio24:1 / Jao20:1: Alahady daholo ireo andro ireo.
Averiko indray fa ny Paques @ kristianina= fahatsiarovana ny namonjen'i Jesosy izao tontolo izao. Tahaka ny ràn'ny zanak'ondry izao natao tamin'ny tolanan'ny tranon'ny
zanak'Israely ka tsy nahafaty azy ireo rehefa nandalo Jehovah handringana ny Egyptiana
(Eks12) no tsy maintsy hanosorana ny ràn'i Jesosy ny fon'ny olomboavonjy mba ho velona
mandrakizay izy ireo. Nanomboka teo dia lasa PAska ho an'ny kristianina Jesosy (1Kor5:7:"Esory ny masirasira ela , mba ho vongana vaovao ianareo , araka izay tsy maha-misy masirasira anareo . Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ")

moustaraf:

Niangona ny mpianatra ny ampitson'ny paska, andro 1 io, alahady, ye marino tokoa io,
-Fa tsy ilay aelin'ny romana foana hoe lasa alahady ny andro ivavahana sy ny fety rehetra. alahady: sun day: natokan'ny romanina hiankohofana amn masoandro.
-ny torah ihany no afaka manazava ny antony tsy naneken'y mpamonjy ny hokasihin'i magda tamn marainan'ny nitsanganany...


Tsy misy mihitsy ao amin'ny baiboly milaza fa niangona nivavaka ny Apostoly ny ampitson'io Paska.
Ary ny tsy namelan'i Jesosy an'i Maria hokasihiny dia tsy hoe satria izay no nolazain'ny Torah fa satria mbola tsy niakatra tany amin'Andriamanitra Jesosy tamin'io Jao20:17:" Hoy Jesosy taminy : Aza manendry Ahy ; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho "

Averina foana v fa tsy ampereur Constantin izany hoa ny nahatonga ny Paska sy ny andro fivavahana ho Alahady fa i Jesosy ary tamin'ny andron' ny Apostoly no efa niova alahady ny andro nivavahana.
Ary ilay andro alahady maha andro nitsanganan'ny Tompo mihitsy no anton'ny lasa Alahady ny PAska kristianina sy lasa Alahady ny andro niangonana sy nivavahan'ireo Apostoly nanomboka teo.

moustaraf:

Rehefa tsy te hanao fety araka ny torah dia aleo tsy manao, fa "i devoly no voasoratra fa hanova andro sy fotoana "

Dia Jesosy blâmer na ho devoly fa aza ny emperora sy ny Apostoly sy ny kristianina amin'izao. Satria ny Apostoly sy ny kristianina amin'izao dia manaraka ny dian'i Jesosy fotsiny no nataony.

FEHINY

Misy Teny izao ao amin'ny Ek12: 43 manao hoe:"Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona : Izao no lalàn'ny Paska (JIOSY): tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy."
Ka raha manontany ianao hoe fa maninona no tokony tsy hanarahina ny fombafomba paska Jiosy dia satria tsy natao ho an'ny firenena hafa ny Paska Jiosy.

Izaho kosa anefa dia mitandrina Paska an'i Jesosy araka io teny ao amin'ny 1Kor5:7 io ary manaraka ny fankalazana izany araka izay efa nampianarin'i Jesosy JAo6:54:"Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany ."/ Jao6:51) sy ny 1Kor11:26:"Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka , dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandrapihaviny ."
12. moustaraf ( 22/04/2014 18:11)
Salama namana,
amin'ny sasany dia hafa ny paska israely, dia hafa ny paska an'ny hafa firenena??? n'importe quoi!!!
Any amn Jerosalema vaovao dia mbola hisy sabata fa tsy alahady akory hoy ny mpaminany, ho aiza izany ianareo? hi hi hi
-momba ny andro 1 amn herinandro dia vakio tsara ny torah fa misy fety 2 izay ankalazaina alahady : fetin'ny fanatitra aevaeva, ny ampitson'ny sabata paska na shabat shabato, maminany ny andro itsanganan'ny mpamonjy ary anandratana azy.
An'ny zanak'olona ny sabata, ka izy tompony indray ve no hanome azy ny sampy???

io hira etsy ambony io dia porofon'ilay fampianarana sandoka nolovaina tamn romana izay nampifangaro ny fivavahana nazareana sy fiankohofana amn masoandro "vetaveta izany "

vakio ny asan'ny apostoly manontolo fa voalaza ao hoe "niady hevitra teo amn tempoly isan tsabata araka ny fanaony "
ka aza mety rebirebena @ fampianaran-diso isika, efa nentiko teto ilay filazana miezinezina nataon'ny katolika romana manaraby an'ireo fivavahana protestanta sy ny zanany hoe:" raha mahery ianareo dia manendre andro hafa ivavahanareo fa IZAHAy no nanova ny sabata ho alahady ivavahanay, raha tsy mahavita an'izany ianareo dia tsinontsinona, ary miankohoka anoloan'ny fahefan'ny eglizy romana "
13. toriteny ( 23/04/2014 06:06)
moustaraf:

Salama namana,
amin'ny sasany dia hafa ny paska israely, dia hafa ny paska an'ny hafa firenena??? n'importe quoi!!!

Ka na n'importe quoi aminao aza izany, izany no izy e!!!. Tsy ny hevitrao anie no arahina fa ny Tenin'ny baiboly e.
Ny Paska teo amin'ny Jiosy (izay tsy hitako intsony ny hankalazana azy satria efa nisy Paska vaovao asaina tandremana) dia natokana ho an'ny Jiosy irery ihany. Izany no nolazaiko aminao fa za tsy Jiosy ka hanaraka fomba Jiosy.

FA ny fahafatesan'i Jesosy izay Paska vaovao dia ho an'ny Jiosy sy ny Jentilisa. Io no hananan'ny Jentilisa anjara dia io no tandremanay Jentilisa. Ianareo anie ka tsy exclu amin'ilay Pask'i Jesosy é. Fa ianareo mihitsy no tsy te hiditra ao.

moustaraf:

Any amn Jerosalema vaovao dia mbola hisy sabata fa tsy alahady akory hoy ny mpaminany, ho aiza izany ianareo? hi hi hi


Ny any amin'i Jerosalema vaovao, izay manana an'i Jesosy ihany ka voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana no miditra ao. Jesosy izay lavinao. Dia amin'ny fomba ahopana no hidiranao ao?

moustaraf:

An'ny zanak'olona ny sabata, ka izy tompony indray ve no hanome azy ny sampy???

Zanak'ondry, ilay Jesosy niasa sy tsy nitandrina ny andro sabata ve ka nenjehinareo noho izay fiasany andro sabata izany ve no lazainao?Jao5:16:"Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy , satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy ."

Vérifier o ny resatsika (sa resakay sy didi10) mikasika io andro sabata io any amin'ny resaka hafa fa misy andian'ny Soratra Masina be dia be efa nomeko any ny amin'ny tsy nanajan'i Jesosy sy ny Apostoly ny Sabata. Mbola teritery ara-potoana kely aho androany fa raha tsy hitanao dia aleo averiko soratana aminao indray rehefa misy fotoana. Hoe rehefa inona ny Apostoly ny nivavaka alahady (fotoam-pivavahana) mihitsy dia rehefa inona izy ireo no nivavaka Sabata ( rehefa nitory teny tamin'ireo Jiosy)

moustaraf:

ka aza mety rebirebena @ fampianaran-diso isika, efa nentiko teto ilay filazana miezinezina nataon'ny katolika romana manaraby an'ireo fivavahana protestanta sy ny zanany hoe:" raha mahery ianareo dia manendre andro hafa ivavahanareo fa IZAHAy no nanova ny sabata ho alahady ivavahanay, raha tsy mahavita an'izany ianareo dia tsinontsinona, ary miankohoka anoloan'ny fahefan'ny eglizy romana "

Ka ny tsy hazonao anie dia tsy ny Katolika no nilaza an'io tamin'ny Protestant e. Tsy ambany fifehezan'i Roma akory ny protestant ka afaka terena hoe io no hampianaro ny olona. Ny ahy zao ny famakiana ny baiboly sy ny Fanahy Masina ato anatiko no nampianatra ahy ireo andian'ny Soratra Masina nolazaiko anao ireo fa tsy nampianarin'ny fiangonana akory. Ka izay no lazaiko aminao hoe aza mi-accuser olona fa raha te hi-accuser olona nanova ny andro sabata ho alahady ianao dia Jesosy enjehina. Fa tamin'ny andron'ny Apostoly no efa novaina ho alahady ny andro niangonana fa tsy tamin'ny andron'ny Romana.


Anisan'ny Teny ao amin'ny baiboly ohatra ito dia zaraiko aminao. Kol2:16-17 :"Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro , na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata ; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy"
14. toriteny ( 23/04/2014 06:09)
Nisy zavatra nambaran'ny Tompo homena anao. Hoy Izy hoe vakio ny Hebreo dia hazava aminao ny zavatra rehetra. Aza mamaky ny Asan'ny Apostoly aloha fa Hebreo vakiana dia avy eo ianao afaka mamaky ny ambin'ny baiboly. Fa hatomboy amin'ny Hebreo
15. moustaraf ( 23/04/2014 07:32)
salama,
Ny fankahalana hebreo sy jiosy no lehibe indrindra ao aminareo. ho aaiza anefa e!
Ny oliva maniriniry ho azy alaina dia atao grefy ao amn oliva tsara israely, tsy misy famonjena ho an'ny hafa firenena raha tsy ampidirina ao @ Yeshua mba ho antsoina hoe hebreo na taranak'i Avraham.

hoy Yeshua "tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely (hafa firenena ) , io no nahatonga azy hiteny hoe "tsy maintsy miova ho toy ny zaza isika " ka hiala amn maha amboa kely antsika
16. moustaraf ( 23/04/2014 07:41)
yeshua maty andro pasky ny jiosy, shabat shabato, fa tsy pasky ny jentilisa, ary nitsangana ny andro faha 15 andron'ny fanaatitra aevaeva, ary nandatsaka ny rouha ny andron'ny Shavouot. ka aiza ny diso amn zaany??
17. toriteny ( 23/04/2014 09:23)

moustaraf:

salama,
Ny fankahalana hebreo sy jiosy no lehibe indrindra ao aminareo. ho aaiza anefa e!

Tsy fahankalana kah. Za ary ve miteny hoe tian'i Jesosy hovonjena ianareo nanaovany ny lalam-pamonjena rehetra @ fetin'i Jiosy dia izany v dia fankalahana? Sa ilay hoe Jiosy tsy tafiditra ao Jerosalema raha tsy manana ny Tompo? Aleo aryt ny Baiboly no hasaintsika hamaly azy é:
-JAo6:54:"Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no (Fa tsy izay JIOSY)manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany"

-Jao10:9:"Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran'ny olona (Fa tsy miditra JIOSY, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina ."

-Jao14:6: "Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako ."

moustaraf:

tsy misy famonjena ho an'ny hafa firenena raha tsy ampidirina ao @ Yeshua mba ho antsoina hoe hebreo na taranak'i Avraham.


Toko sy andininy?
Ny voalaza ao amin'ny baiboly dia mazava: ny Famonjen'i Kristy dia ho an'ny Jiosy sy Jentilisa. FA tsisy Jentilisa hovàna Jiosy izany vao voavonjy, mandray an'i Jesosy eo amin'ny fiainany izy dia ampy hanoratana ny anarana ao amin'ny bokin'ny fiainana izay.

Asa 26:23"fa Kristy tsy maintsy nijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa."

-Asa11:18:"Ary rehefa nandre izany ireo , dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe : Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana."

-Gal3: 28:"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika , na andevo na tsy andevo , na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy ."

-Asa10:45:"Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'ny Petera , satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana , dia ny Fanahy Masina."

-Asa 11:18:"Ary rehefa nandre izany ireo , dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe : Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana."


moustaraf:

hoy Yeshua "tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely (hafa firenena ) , io no nahatonga azy hiteny hoe "tsy maintsy miova ho toy ny zaza isika " ka hiala amn maha amboa kely antsika

Io passage teneninao io dia Teny nataon'i Jesosy tamin'ilay vehivavy KAnanita nanana zanaka vavy voan'ny demonia. Dia ny navalin'i Jesosy azy dia hoe MAt15:26 " Fa Izy namaly ka nanao hoe : Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely "

Fa maninona ary? Satria aza adino fa ny fitoriana Teny tany amin'ny Jentilisa dia nanomboka tamin'ny nandraisan'ny Apostoly ny Fanahy MAsina, tsy avant an'izay ary tsy tamin'io fotoana io mihitsy MAt28:19"koa mandehana ianareo , dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra , manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"

Fa ny avant an'io, na dia nitsangana aza Jesosy dia norarany ireo mpianany ireo mba tsy tsy hiala ao Jerosalema aloha fa mba hitoriany teny ho an'ireo Jiosy raha tsy nahazo ny Fanahy MAsina izy ireo Asa1:4.
Fa ny filazany an'io zaza sy amboakely io akory tsy midika hoe tsy nanana anjara tamin'ny famonjen'i Jesosy ny hafa firenena. Porofon'izany, ny voalazany ao amin'ny Mat 15:24"Ary Izy namaly ka nanao hoe : Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely" (vf: Il répondit: Je n'ai été envoyé qu'aux brebis perdues de la maison d'Israël). Saingy tsy mbola fotoanan'ny hafa firenena fotsiny tamin'io

18. toriteny ( 23/04/2014 09:40)

moustaraf:

yeshua maty andro pasky ny jiosy, shabat shabato, fa tsy pasky ny jentilisa, ary nitsangana ny andro faha 15 andron'ny fanaatitra aevaeva, ary nandatsaka ny rouha ny andron'ny Shavouot. ka aiza ny diso amn zaany??

Toko sy andininy foana apetraho ô!!!

Ny voasoratra ao amin'ny Baiboly dia:
-Lio 24:7:"Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana , ary hitsangana amin'ny andro fahatelo ."
-MAr10:34:"ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy ; fa rehefa afaka hateloana , dia hitsangana indray Izy .
"Mat16:21"Hatramin'izany no vao naterin'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna , dia hovonoina , ary hatsanganana amin'ny andro fahatelo ."
Matt17:9/ 22:23/20:18/26:32/Mar9:10/Lio 9:22-27 /Lio 18:31-33/Jao 2:18-22
19. moustaraf ( 24/04/2014 07:00)
salama namana,
aza terena ny hevi-teny hanaraka an'io fombam-pampianarana romana io, fa efa teo amn'io izahay no niala e! mbola tsy manoratra akory ianao dia fantatro ny valiny ndeha omenao!

Tokony ho tsapan'ireo zana-piangonana romana ireo fa ny antom pisian'ny evanjly dia ny bokin'ny torah sy ny mpaminany; tsy misy fotony akory ny Matio hatr@ Apok raha lavina ny torah, ka izay no mahatonga ny boky vaovao lazaina fa an'ny jentilisa, izay tena diso tanteraka.
Ny tombony ny fanekena nohavaozina (no dika marina ) dia afaka miditra sy vonjena ihany koa ny jentilisa fa tsy maintsy miditra ao @ beyt na trano israely satria ao ihany no misy famonjena araka ny baiboly.
Ny olana ankehitriny dia ity lazaina fa fitarihana sy fampianaran'ny fanahy izay mamporisika ny jentilisa hanangana trano hafa, ary mitsipaka ny plan ny famonjena.
tonga amn'lay ohatra momba ny oliva maniriniry ho azy izay natao grefy @ foto-troliva tsara, ka izy indray no lasa nirehareha ka nitsipaka ny tena fototra: ilay jentilisa tsy nanana anjara tamin'ny famonjena teo aloha rehefa nampidirina ao an-trano dia lasa nizahozaho sy nametraka fitsipika sy lalana, ary sahy mihirahira fa lasa topon trano mihitsy!
Mba azo heritreretina ve izany e!

Aza adika vilana ilay teny hoe "tsy misy jiosy, grika na jentilisa intsony ", io teny io dia natao ho an'ireo rehetra efa niditra ny trano, efa nanaiky ny ho firenena iray ao amn Yeshua, dia tarak'i Avraham : firenena hebreo.
20. toriteny ( 24/04/2014 08:18)
moustaraf:

salama namana,
aza terena ny hevi-teny hanaraka an'io fombam-pampianarana romana io, fa efa teo amn'io izahay no niala e! mbola tsy manoratra akory ianao dia fantatro ny valiny ndeha omenao!


Mbola Romana foana ve ny resaka hatramin'izao e. Raha Romana no nanoratra ny Testamenta vaovao rehetra : Matio ka hatramin'ny Apokalypsy dia manaiky aho fa manaraka ny fampianaran'ny Romana. Ianao anie afaka mamaky vbaiboly fa ao anaty baiboly daholo ireo nolazaiko ireo e. Fa tsy miandry an'i Roma vao afaka hampianatra sy hahalala baiboly. Sa ilay baiboly testamenta vaovao mitsy no olana aminao?

Fa amiko ianao mitady excuse hitazomana ny Testamenta Taloha fa tsy te handroso ao amin'ny Testamenta vaovao. Hany ka lasa miteny ianao hoe tsy izy ny Testamenta vaovao, an'ny bibidia, Mpisandoka Jesosy, anaran-tsampy,..;

Tsy mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay anie hoa ny Torah fa ny fanekena vaovao nataon'i Jesosy ihany no hahazoana fiainana mandrakizay e!
Rehefa manaraka Torah ianao dia araho hatramin'ny farany ny Torah, aza manaraka akory ny testamenta vaovao. Fa ny anao arahina: ny didy 10, ny lalàna nefa te hiditra ao Jerosalema vaovao ihany. Tsy azoko intsony mitsy

moustaraf:

Tokony ho tsapan'ireo zana-piangonana romana ireo fa ny antom pisian'ny evanjly dia ny bokin'ny torah sy ny mpaminany;

Hay ny Matio sy ny Testamenta vaovao indray izany no tandindona fa ny tenany no Torah?

moustaraf:

Ny tombony ny fanekena nohavaozina (no dika marina ) dia afaka miditra sy vonjena ihany koa ny jentilisa fa tsy maintsy miditra ao @ beyt na trano israely satria ao ihany no misy famonjena araka ny baiboly.


Toko sy andininy hoa apetraho foana. Fa tsy misy mihitsy ao amin'ny baiboly milaza fa tsy maintsy miditra ho Israely no atao hoe vonjena sy manana fiainana mandrakizay.

moustaraf:

Ny olana ankehitriny dia ity lazaina fa fitarihana sy fampianaran'ny fanahy izay mamporisika ny jentilisa hanangana trano hafa, ary mitsipaka ny plan ny famonjena.


Fa satria koa ianareo manana olàna amin'ny Fanahy Masina? Azoko amin'izay hoe iza no arahinao.

moustaraf:

Aza adika vilana ilay teny hoe "tsy misy jiosy, grika na jentilisa intsony ", io teny io dia natao ho an'ireo rehetra efa niditra ny trano, efa nanaiky ny ho firenena iray ao amn Yeshua, dia tarak'i Avraham : firenena hebreo.

Jentilisa re hafa dia ny Jiosy hafa a. Ra Jentilisa no niditra Jiosy dia Jiosy ny fiantso azy.
Sady ao amin'i Kristy no iray fa tsy ao amin'ny Jiosy. Jereo tsara ny GAl3:28 :"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika , na andevo na tsy andevo , na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy ."


Jereo fa misaraka tsara ny firenena ao amin'ny Apo 7:9 , hafa ny Jiosy dia hafa ny hafa firenena:"Rehefa afaka izany , dia hitako fa , indreo , nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry , niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1057