lalàna natao ho an'ny madinika ihany ve ?

1. vonynive ( 16/04/2014 09:26)
Miarahaba ny mpisera

Isan’ny tranga nahavariana ihany ilay fandrodanana trano tetsy Nanisana satria dia nomena alalana hanorina trano teo amin’io faritra io ireo fianakaviana vitsivitsy tany aloha, amin’izao fotoana izao dia mivoaka ny lalàna mandroaka ireo olona ireo satria an’ny minisitera io faritra io. Aiza ho aiza àry ny olona nanome izany alalàna izany ankehitriny ? moa tsy mendrika ny iharan’ny sazy koa ve izy ? tsy io tetsy Nanisana io ihany no ahitana izany fampiharana ny lalàna atao amin’ny madinika izany fa ny vaventy toa tsy voakasika akory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977