Fihinanana argile

1. endriny ( 13/04/2014 06:36)
Betsaka ny olona no mampiasa ilay atao hoe argile vert. Tsara ho fantatsika anefa fa ny alumine ao amin'ny argile dia mety hifanolo amin'ny sokay eo amin'ny hozatra sy ny atidoha, ka mety hiteraka fikorontanana ho an'ny vatana mihintsy. Ny antony dia satria samy manana ilay kasio 3+ daholo na ny alominioma na ny sokay.
Io dia mety hiteraka fahatarana eo amin'ny saina, na mampihena ny asan'ny hozatra. Fanampoizinana vokatry ny alominioma no filazana azy.
Ka mila mitandrina ihany amin'ny fitelemana azy. Ny mihinana phospha aza efa tsy fidiny. Izay angamba no mahatonga ny mpimasy sy ny mpitsabo Malagasy mampiasa ilay atao hoe taniravo ety ivelany fotsiny fa tsy nohanina na nosotroina akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4931