Miarahaba antsika rehetra, Kely, nanahirana ny RA...

1. Mamatsi ( 03/04/2014 12:01)
Miarahaba antsika rehetra,

Kely, nanahirana ny RAD lay ankizy, lehibe mbola tahaka izany koa, nandanian'ilay RAD ny fahatanorany, ary niteraka alahelo ho azy mandrapahafatiny raha tsy nanana fo sy nihevitra fa nanana ny rariny ireo ankizy ka tsy nijery lay reny niteraka nandritra ny taona maro. Narary tany @ hopitaly, nitarika ny fahafatesany, fa vitan'ny vinantony sy ny zafikeliny no tsy nijery azy, hatramin'ny tsy nandevina azy aza.. Ekena ve izany fihetsika izany @ maha-Malagasy ve izany tsy mandevi-maty sy miady amam-paty ?

Azo ekena ve fa mbola ho mpandova reo olona tsy nandevina ny RAD, tsy nijery azy amantaona nandritra ny fahavelomany sns... ? Misy lalàna mikasika izany ve ?

Misaotra antsika rehetra izay manome soson-kevitra.
2. vahiny2004 ( 03/04/2014 12:28)
Mamatsi:

Iza eto ilay hoe manaiky ?

Tsy afaka terenao ilay olona hoe tsy maintsy mandevina, ny lalàna dia mamela azy handova .
Inona no relation nao @ ireo maty ? Na zanany aza ianao dia tsy manana zo n'inon'inona @ hoe hampandova na tsia , raha tsy hoe manana porofo de maltraitance ianao

Mampalahelo nefa zava-misy
3. Fitokisana ( 10/06/2014 21:19)
Na Malagasy na Vazaha na karana na sinoa! Ny tokony tsy ho adino dia mety hisy antony tsy ahatongavan'ilay zanaka: tsy fitiavana ve sa terem-piainana. Ny tsy azo adino anefa die misy ihany koa ny " RAD tsy tia zanaka nohon'ny antony isankarazany( zaza azo tamin'ny viol sns), ka homena tsiny ve ny zanaka ra mamaly faty na RAD nitondra vohoka sy ny sisa aza.

Ny mpijery ivelany matetika tsy mahita ny fiainana niainan'ilay zanaka . Ra tena marina ny lazainao dia loza hoan'ilay zanaka. Raha tsia, de efa loza no niain'ny RAD

Ireo rehetra ireo tsy manakana ny zanaka tsy handova.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1583