iza mba mahay sy mahatadidy ity hira ity

1. ialahy ( 29/03/2014 15:58)
{ xxx - 06/09/2007 11:32
manahoana daholo,
mba saika hanontany ho aho zah hoe: iza moa no mihira ilay hoe:
malabary rovidrovitra tsy misy tanana iny
izay no fanaovany
.....izay no fananan'ny tary e,
nitety an'ilay zamerika,
nikaro-pananana tany izy e,
fa mbola tsy nahita fika...

dia any @ farany misy hoe:
...ka lasa mahitahita
...manana moto cross izy e
sy fiara 305 aaaaaaaaaa
:-D }


dia mba mangataka ny tonony feno izay mahay azafady dia misaotra mialoha ooo!
2. hery ( 31/03/2014 17:09)
Tsy mbola henoko mihitsy :-o
3. ialahy ( 01/04/2014 20:34)
efa taminy 2007 io xxx io nagataka an'io hira io 2014 tsika zao, tsy haiko na mbola na mbola misera ato izy na ahona fa nahazo ihany aho e! dia miandry kely raHery fa efa karohan'ilay namana any anaty korontana K7 any le hira dia ho zaraiko eto koa, tsara ny hira taloha eee


Akanjo rovidrovitra efa tsisy tanan'ila
'zay no nananany.
Patalo mitapitapina, feno goka be,
feno karazana kofehy,
'zay no mba nentiny tany e,
nitety an'ilay mozambika a,
mbola tsy nanana tsara izy e,
fa tsy zanaka mahitahita a.
Ref: an! an! an! Tolin!
an! an! an! Tolin tolin!
an! an! an! Tolin!
an! an! an! Tolin tolin!
Solomaso tsisy vera, patalo ampotom-pe,
de nasiny lay kavina an'ila;
zay no mba fika mba noentiny tany,
jerijeren'ny akama e e!
Tafita ihany ilay Tary, satry efa miasa @ Paoro o!
Manana moto Cross izy e, sy fiara 305 an!!!
De nanao adidasy sy jean ambony ambany,
de mizesita @lay colier;
'zay no mba fika mba noentiny tany,
tany Zimbabwe e!
Tafita ihany ilay Tary e,
Satry efa miasa am sambo o!
Manana jean maro izy e,
Sy kiraro travolta.




i zany Beso izany no ho mihira azy, henoy fa efa mihira anazy a io :P
4. hery ( 01/04/2014 21:02)
Tena mbola tsy azoko antsaina ihany... maninona ary no tsy nohiraina kely aloha :-)
5. andry zatovo ( 15/01/2016 10:34)
Misy namana zay ry zala eny manakambahiny eny mahay an'io a, bandy rasta zay izy, mpihiray sôva sns ireny ry zala, andraso jereko kel le vidéo fa efa elaela no itako
6. Ialahy ( 23/10/2019 01:55)
Hery
Ito ilay hira fa hita ihany hihihihihi

https://youtu.be/JIfdaWrkKVE

Fa otrany navaozina zany dia nampina ntonony!

Ankafizo!
7. andry zatovo ( 23/10/2019 05:32)
Salama daholo e, ampiako an'ity lien ity

version hafa
https://www.youtube.com/watch?v=FYkMevLPcp4
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3796