maratra voaendaka

1. vonynive ( 25/03/2014 10:55)
miarahaba ny mpisera,
zava-nitranga teo amin'ny faritra iray ity hotantaraiko ity :
ny marainan'ny alakamisy 13 mars 2014 teo, nisy lehilahy iray naratra mafy, azo antoka fa nisy nanendaka izy ity ny alina satria fitafy efa manolo-koditra no sisa teny aminy
efa hita fa tena reraka ralehilahy, nitangorona ny olona, ao no niteny hoe tokony hoentina haingana any amin'ny mpitsabo satria vonjy aina ity ary ny lalàna dia milaza fa tsy azo atao ny mijery fotsiny ny olona tra-doza, ao ny nilaza hoe antsoy aloha ny manam-pahefana sy ny polisy vao mitondra azy any fa sao isika indray no voarohirohy eo, dia niady hevitra teo ka farany dia niandry ny polisy izay tsy tonga raha tsy tamin'ny 8ora sy sasany maraina, ilay marary anefa efa tena reraka, izay vao nentina tany amin'ny dokotera
ahoana, hoy ny lalàna ny momba ny toejavatra toy izao ?

novalian'i vonynive ny 26/03/2014 11:02
2. 5laody ( 25/03/2014 15:48)
salama daholo,

Raha ny tokony ho izy dia miantso pôlisy ianao dia miteny hoe misy olona maratra dia tamy miaraka amin'ny ambulance ry zareo ka ilay olona maratra aloha no ataony laharam-pahamehana. Na dia olona nanao ratsy aza no maratra dia any amin'ny hopitaly izy no manohy ankety.
3. vonynive ( 26/03/2014 11:02)

5laody:

salama daholo,

Raha ny tokony ho izy dia miantso pôlisy ianao dia miteny hoe misy olona maratra dia tamy miaraka amin'ny ambulance ry zareo ka ilay olona maratra aloha no ataony laharam-pahamehana. Na dia olona nanao ratsy aza no maratra dia any amin'ny hopitaly izy no manohy ankety.


niantso polisy tokoa izahay saingy t@ 8 ora sy sasany ry zareo vao tonga, izay ange no nahatonga ny olona niteny hoe ndao tonga dia hoentina any @ dokotera aloha fa raha ny polisy ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2435