You are here: home > Forum

Mangataka sombin-tonokalo mikasika an'i M/kara

Lohahevitra : Eritreritra mandalo
Fitohizan'ny hafatra : Mangataka sombin-tonokalo mikasika an'i M/kara
Valiny : 2
Annih - 18/03/2014 14:38
Miarahaba ny namana rehetra!!!
Azafady ry reto mba mangataka sombin-tononkalo manambara ny fitiavan-tanindrazana a (M/kara). Ohatra zao ny @ teny le oe "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko", zavatra ohatran'izany no tadiaviko.

Dia misaotra mialoha
Valio | Miverina eny ambony
vonynive - 19/03/2014 08:56

Annih
Miarahaba ny namana rehetra!!!
Azafady ry reto mba mangataka sombin-tononkalo manambara ny fitiavan-tanindrazana a (M/kara). Ohatra zao ny @ teny le oe "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko", zavatra ohatran'izany no tadiaviko.

Dia misaotra mialoha

sao mety aminao ity
MITADY NY VERY

Tsy azo fefena
Ingahy Rafandrosoana
Tonga tsy terena
Rafanatontoloana

Manao be fisosoka
Ny akanga dia mandalo
Ataony kenda roroka
Ny akoho taman-trano
Avy mba hanjanaka
Manao tsindrio fa lavo
Ny Soatoavintsika
‘Reo tsy mamakafaka
Avy dia mitango
Fa hoe avy any am-pita

Voahosihosy izao
Ny fahendrenao
Fa ny fandrosoana hoe
Dia fahalalana be
Ka ny Fanahy maha-olona
No sahy atao sorona

Tsy ny maha-Malagasy anao
Ihany no tiany hozanahana
Fa koa ny harenanao
Satriny rombahana
Ry Manam-panahy
Atsipy re ny teny
Ndao hiarak’hisalahy
Hitady indray ny very
Valio | Miverina eny ambony
Annih - 19/03/2014 16:15

vonynive

Miarahaba vonynive, diso ilay fiteniko oe sombin-tononkalo fa citation ilay izy ra ny marimarina kokoa.

Dia misaotra indray
Valio | Miverina eny ambony