Fanadiovana tarehy @ vokatra natoraly

1. Annih ( 11/03/2014 14:40)
Ireto misy astuces fanadiovana tarehy efa nampiasaiko ka nahitako voka-tsoa zaraiko @nareo namana:
1 - Tantely pure + poudre canelle (misy iany koa ny mampiasa poudre masonjoany) manala loto sy manazava endrika, mandaitra kokoa ra sasana @ rano matimaty
2 - Tately pure + ronono mandry mamy (ex: socolait...)
3 - Ranon'ny voatabia (manala loto sy manazava endrika)
4 - Citron (manala mony,tache,manazava endrika iany koa)
5 - Concombre iany ko manala panda (mbola tsy nampiasaiko)

Andramo anie fa dia ho itanareo e ;-)
novalian'i tiris8786 ny 20/03/2015 17:02
2. neiar ( 19/03/2014 11:07)
MIsaotra Annih a. Tsara be ny torohevitra. Ny Ranona Voatabia no efa nataoko dia citron fa tena meti. Indrindra fa ny masonjoany.

bonne suite.
3. ora ( 19/06/2014 11:32)
Mety arakarakin'ny tarehin'ilay olona ngamba fa misy tamin'ireo efa nataoko fa tsy nampihotsina ilay hodi-tava akory, izany hoe mila fantarina ilay hodi-tava hoe raha peau grasse dia izao, raha peau seche dia izao, fa tokony mba lazaina koa ry annih sy neiar raha mba azonareo atao ny mifanaraka ny hoditava amin'ireo an
4. Ratoa ( 19/07/2014 20:38)
dia mba azavao koa azafady ny fampiasana azy; Atao ahoana? ahosotra fotsiny , tahaky ny savony dia sasaina? sa avela 1mn sa 1h? sa iray alina ?kosehina sa avela amin'izao.
ny vahona no efa nataoko. Sasaina madio amin'ny rano ny tarehy. mainina amin'ny lamba na serviette. Hosorana lay dintin'ny vaoana iny (efa nalana na lay vahona mihitsy no voasana dia ahosotra) avela ho maina (mangidihidy) dia sasaina dia mainina amina lamba dia asio menaka tarehy na diloilo coco
5. Jock ( 09/12/2014 04:52)
Merci @ le toro-hevitra fa mba apio le fanazavana raha azo atao. Ny voatabia no efa nataoko saingy itako tsy mety aminà satria lasa nisokatra be ny maso-koditro dia natahotra aho dia tsy sahy nanao intsony. Ny tantely koa fa ny vokany indray lasa mivali-mainty ny tarehiko. Najanoko daholo ireo zao ary misy manoro aza aho hoe Cocombre no mety amin'io tarehinao io saingy matahotra aho. Gras be manko ny tarehiko ka mety @ zany ve ny "Cocombre". Manantena toro-hevitra za e!
6. tiris8786 ( 17/03/2015 14:33)
- ny masonjoany kosa aloha tsy fanadiovana tarehy e fa ohatran'ny masque. Misy karazany izy io fa raha ny resaka mandeha dia hoe miaro ny tarehy tsy hiketrona vetivety ary koa miaro amin'ny masoandro ;
- ny tantely sy ny voasary makirana dia masque tena mety koa, hosorana dia kobanina avy eo moa satria ny iray hydratant moa ny iray manala tasy koa ;
- ny voatabia koa dia mety raha hanalana tasy fa mila manao matetika mandrapaha-dila an'ilay tasy ;
Betsaka ny natoraly azonao ampiasaina fa mila fantatra voalohany indrindra hoe inona ny tarehinao (maina na normal sa gras) fa ny zavatra tsy maintsy ataonao foana dia ny fanadiovana malefaka isan'andro (savony Soa dia mety), hydratation (crème io mbola tantara lava be), masque isankerinandro (ex. argile et miel fa betsaka ny azo hatao), gommage isankerinandro (ex. siramamy sy yaourt io koa betsaka ny azo hatao).
7. booboo ( 17/03/2015 16:07)
Ilay gommage @ yaourt, yaourt nature koa afaka atao démaquillant, sady malefaka beee ery ilay hodi-tava avy teo. Sady hitako efficace kokoa mitaha @ démaquillants "feno cochonneries" hafa.
8. tiris8786 ( 20/03/2015 17:02)
ie mety ny yaourt nature saingy asa na mety gommage na tsia fa masque no henoko miaraka amin'ny tantely satria ny gommage matetika misy zavatra en grain kely (ohatra siramamy na sira na café na farine)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.182