Manaiky "homosexualité" ve ny fiaraha-monina malagasy?

1. hery ( 10/03/2014 15:01)
Raha heverina hoe efa hatramin'ny taloha no nisy izany "firaisana hafahafa" izany, satria nisy an'izany tamin'ny androndry Noe (tany Sodoma), dia mety hoe nisy an'izany koa ve teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny vazaha?

Sa sao dia zavatra ratsy nentin'ny vazaha izany?

Ary ahoana no fandraisan'ny fiaraha-monina malagasy ny olona "homosexuel"? Izany hoe vavy tia vavy na lahy tia lahy?

Misy Malagasy "homo" mipetraka eto Madagasikara ve ka mahasahy manao fanambarana ny maha-"homo" azy tsy voaeso sy eken'ny fianakaviana?

Fanontaniana be dia be no mipetraka fa ny famintinana azy dia hoe eken'ny toe-tsaina malagasy ve izany?
novalian'i rhaj0 ny 28/04/2014 12:25
2. Westlove ( 10/03/2014 16:08)
Raha amiko manokana amin'ny maha kristianina dia tsy mety amin'ny fieritreretako ilay izy. Matoa Andriamanitra nahary lahy sy vavy dia misy dikany
3. hery ( 10/03/2014 16:43)
Ka ny maha kristianina efa fantatra fa ny Malagasy ho'a. Ny fiaraha-monina malagasy (tsy kristianina) ve manaiky an'izany?
4. Noue ( 10/03/2014 21:09)

hery:

Ny fiaraha-monina malagasy (tsy kristianina) ve manaiky an'izany?



ny fiaraha-monina @ ankapobeny aloha tsy aiko fa kosa na krisianina na tsia dia toa misy manaiky satria inona moa no azo atao raha toa ka homo ilay olona ?

izaho aloha dia mahafantatra olona homo , lahy izy io aaa ary mbola miara-mipetraka @ ray aman-dreniny

na dia efa tovolahy efa feno 25 taona aza izy io dia mbola ao @ ray aman-dreniny ihany

fantatro fa tena sarotra be ho an'ireo ray aman-dreniny ny fanenkena an'izany nefa hanary zanaka ve na dia homo aza ny zanaka ????

hanary zanaka ve nefa dia lahy tokana io lahy io ???

haiko tsara ny fahasahiranan'ry zareo t@ nahafantarana an'izany ka nihilana andro , volana , taona vao nanaiky ny ray aman-dreny

zao toa ny fianakavian'zareo rehetra toa nanaiky avokoa

sarotra dia sarotra t@ ireo fianakaviana hono ny fanekena , satria tao ny henatra , ny voatondro-tanana sns... saingy inona no azo atao ??

dia toa nanaiky ihany miatomboka t@ ray aman-dreny dia nanaraka teny ny sisa.


ohatra @ olona iray io fa ny hafa kosa tsy aiko indrindra raha ny momba ny fiaraha-monina @ rehetra
5. bor2lais ( 12/03/2014 13:46)
noue:

ohatra @ olona iray io fa ny hafa kosa tsy aiko indrindra raha ny momba ny fiaraha-monina @ rehetra

Sarotra ny mamaly ilay fanontaniana satria mbola tsy nisy angamba gasy nilaza tena ampahibemaso fa homo ka nofidian'ny fiaraha-monina hitondra fanjakana ohatra (prezidà, depiote, maire, sns).

Ny tadidiko dia toa natao fandosirana aza izy ireny tamin'ny mbola kely ! :-)
6. rhaj0 ( 21/03/2014 20:12)
Rahefa nitsikaroka t@ google aho, dia :

- eto mitatitra ny homosexualitE fahiny. Raha ny fahazoako azy, dia TSY olana izany @ fiaraha-monina malagasy fahiny.

- eto kosa ny resaka ankehitrio. Raha ny fahatakarako azy, dia ireo masiatsiaka @izany no mila mandini-tena hoe, sao izy lahy no mankamamy an'izy ity any anaty kibony lalina any, dia noho ny fiaraha-monina dia lasa masiatsiaka @izany eo...

Nefa aloha, raha ny fahatakarako azy, aoka hazava, dia natioraly sy "normal" io, hoy ny psy : "a complete removal of homosexuality from its list of disorders".

Efa nifanakalozan-kevitra koa ito tatsy @ resaka Finoana sy Fivavahana.
7. vahiny2004 ( 10/04/2014 14:59)

Ary araka ny fikarohana ve ry rhaj0 dia misy homo ny biby hafa izay fantatra fa sexués ? Ohatra hoe omby, alika, ... etc ?
8. rhaj0 ( 10/04/2014 18:00)
Avy tatsy...
rhaj0:

Siritsiriho ihany i google, ohatra eto, fa tena... angamba voatanisa ao anatin' ity lisitra ity ny bibin'i Noah rehetrany anie ka nahitana fiainana homosexoaly..

Lavabe ny lisitra... ary anisany ny omby sy ny amboa, izay azo lazaina fa efa tsikaritry ny Ntaolo @ilay hoe "fivorian'alika ka..." :)
9. gasy20 ( 13/04/2014 21:55)
Lavalava ity an .lol.
Raha ny gasy ambony dia ingahy Francisque Ravony no niaraha nahalala dia nisy mpanao gazety tena malaza iray izay koa fa adinoko ny anarany. Ingahy Ravony dia tena tsy nanafina izany mihintsy fony fahavelony. Ny zavamisy dia tsy nisy nanambany na nanenjika azy ny gasy na ny mpitondra namany fa hoe praiministra izy de izay. Dia eo koa ingahy Abel Ratsimba, efa niara nanao cabaret taminay iny. Mandehana ianao mankany aminy de teneno izy hoe homo hono ianao rangahy ity fa sahiko ny mihiniana aminao fa "eny" ampitsiana no avaliny anao ary mbola mety ataony bákely aza i Hery.
Ilay mpivarotra savony sy ranomanitra ploom ploom teo analankely. Tsy niafina tamn'iza na iza fa mividy entana eo ny olona ary tsy niasa saina.Otrany lasa misy boite de nuit sy bar homo koa any amin izao.
Feno homosexuelle na any aminy resto na fanaovampety na mpiaramiasa.Otrany niha niseho vahoaka mihintsy aza izy ireo ankehitriny.Ary ny any ambanivohitra koa dia dakan'ny alika ny sarimbavy. Izay no hiantsoany any azy.


Tantara: efa ho 20taona lasa angamba izay. Teo Andohalo.Rehefa mjorojoro ny bandy rehefa harivariva dia misy sarimbavy izay mandalo eo foana. Ilany bandy mpijorojoro vanina foana ilay olona: torahana vao , atsotsoina , opaina.Fa toa tsy namaly. Indray andro asa izay nahazo fa nodarohan'ny bandy tao ilay sarimbavy. Naratra mafy toa vaky mihintsy ny lohany. Niakatra fokotany, niantsoana polisy ary niakatra fitsarana mihintsy ny raharaha. 2 lahy nihinana 3 volana. Ny sasany taminay niditra violon sy amandy.Tsy azo nijorojoroana intsony ny tamboho. Tamboho ilay vao miakatra toy ny ho any Marivolanitra iny.Izahay samy izahay aza degouté rehefa samy nandinika fa tsy mety ny nataontsika na klôty aza no ataon iny sarondoha moa inona no hidirantsika amin'izany.

Tsy mbola nisy homosexuelle nahantona ampahibemaso toy ny tany iran na navahana teo anatrehany tribonaly any mainy firenena sasany na nodorana velona tany dago alha hatreto.
Ny jiolamboto sy ireo matahotra sao atao hoe tsy bandy no migafy lava sy mila herisetra amin'ireny.
Asa anefa aloh.
Valiny :
Ireo ambony ireo dia ohatra kely dia kely amin'ny zavamisy ka asa raha eken'ny toetsaina gasy ilay izy na tsia fa amiko dia "eny"
10. sitlo ( 20/04/2014 01:49)
Manao savaranon'ando izany satria efa manomboka mankatoa ny fiangonana katolika an.

Amboary marina ny lalan'i ..., Vatican mantsy e. Aty izao efa misy fiagonana katolika mitarika mafy mihitsy. Tsy mampianatra hanavakavaka ny ondry nania hono izy e. Iraka ho an'ny mpanota hono no asa nampanaovin'Andriamanitra azy.
11. gasy20 ( 21/04/2014 16:08)
izaho aloha de manaja tsara ny safidin'ireny olona ireny. Samy manana ny fiainany.
Ny hanaovana ny mariazin'izy ireny any ampiangonana kosa aloha dia hita hoe tsy mety. Fa mety azo andeferana ihany angamba.Tsy ondry nania mantsy izy ireny fa karazan'ondry hafa mihintsy.
Izaho aloha tsy pour e. Fa tsy contre be koa.
Fa ny fanangananjaza kosa (aty aminilay toerana misy anay mitady hisy ) dia tsy mety mihintsy na inona na inona. Mila toerina mafy mihintsy iny raha misy.
Miala tsiny fa somary hors sujet.
12. rhaj0 ( 21/04/2014 16:50)
Mifototra @ inona ny "fitsaranao" ny homosexoaly?

Raha mifototra @ finoana dia efa noresahana lava tato

Raha mifototra @ psy, dia efa hoy ny psy hoe : "une suppression complète de l'homosexualité de la liste des maladies" (loharano: confluence.cornell.edu).


Raha ny hoe homosexoaly mananga-jaza idnray dia efa "mandeha ho azy" izany aty @ tany mandroso. Sahirana ny ankizy madinika, na ilay zanak"ilay reny-toa na ray-roa, na ny manodidina azy, fa rahefa hazavaina fa "normal" izany, dia manaiky ny ankizy; amiko dia izany ny hoe madio fo. Ny fitaizana indray, dia rahefa be-fitiavana, dia mety foana.
13. gasy20 ( 22/04/2014 12:07)
Raha sahala amiko dia tsy fantatro na miftotra amin'ny inona ny homosexualite na mifototra aminy inona na inona fa homosexuelle izy de izay izy izany. Mety tsy misy fotony koa fa olona mitovy sexe aminy no tiany izy de izay.Tsy aretintsaina, tsy aretimbatana. Tsy mila gadraina tsy mila vonoina fa toy ny olona rehetra.

Fa raha resaka fitaizana kosa dia tsy mety satria mila dada sy mama ny zaza. Ary rehefa tsy misy ireo de tsy misy izany fa mba kamboty. Fa tsy soloina lehilahy 2 na vehivavy 2. Tsy mety.
Na mandroso mankaiza ny tany iray na mihemotra mankaiza dia ny zaza kely dia tsy natao hotazainy homosexuelle fa hoany heterosexuelle irery ihany. Raha mahatra ila yzaza na kamboty dia aterina any aminy tranon'ny kamboty. Fa tsy homena homosexuelle.

Raha misy rangahy be anankiray hanao zipo, hanao lokomena hanao nono silicone,..sns..tsy olana.
Lasa lehilahy manao zipo izy eo. Mahafinaritra ny mahita izany satria izay no atao hoe fahafahana. Fa tsy midika mihintsy hoe lasa vehivavy izy. Ny vehivavy hafa mihintsy.
Ny vehivavy dia reny = mama = natao hitaiza zazakely irery na miaraka amin'ny vadiny lehilahy.
Ayt amin'ny tany lazaina ho mandroso misy ny tenako dia hisaorako ny fahendreny homosexuelle satria mahalala fa ts ynatao hitaiza zaza ry zareo


rhaj0:

Mifototra @ inona ny "fitsaranao" ny homosexoaly?

Raha mifototra @ finoana dia efa noresahana lava tato

Raha mifototra @ psy, dia efa hoy ny psy hoe : "une suppression complète de l'homosexualité de la liste des maladies" (loharano: confluence.cornell.edu).


Raha ny hoe homosexoaly mananga-jaza idnray dia efa "mandeha ho azy" izany aty @ tany mandroso. Sahirana ny ankizy madinika, na ilay zanak"ilay reny-toa na ray-roa, na ny manodidina azy, fa rahefa hazavaina fa "normal" izany, dia manaiky ny ankizy; amiko dia izany ny hoe madio fo. Ny fitaizana indray, dia rahefa be-fitiavana, dia mety foana.
14. rhaj0 ( 23/04/2014 14:14)

gasy20:
Fa raha resaka fitaizana kosa dia tsy mety satria mila dada sy mama ny zaza.

Dia ahoana ireo kamboty? na ireo nilaozan-drainy tsy mataho-tody? ahoana ireo taizan-drenibeny? na koa azany ilay hoe "it takes a village to raise a child"?

Rahefa eken'ny sainao hoe afaka miaraka ary mifankatia ny lahy-lahy na koa ny vavy-vavy, toa ny efa aneken'ny zaza madinika madio fo aty Kanada ohatra, dia fiainana "normal" ny an'ireo. Ny resaka fitaizana dia resaka hafa.
15. gasy20 ( 26/04/2014 15:48)

rhaj0:


gasy20:
Fa raha resaka fitaizana kosa dia tsy mety satria mila dada sy mama ny zaza.

Dia ahoana ireo kamboty? na ireo nilaozan-drainy tsy mataho-tody? ahoana ireo taizan-drenibeny? na koa azany ilay hoe "it takes a village to raise a child"?

Raha kamboty sanatria dia makany mainy tranon'ny kamboty. Tahian'Andriamanitra foana ireny any. Fa tsy omena homo. Alaivo antsaina hoe kamboty ianao de nomena pd hotazainy.

Ny zazakely tsy mbola mahalala ninoninona ka mila hajaina.
Ny fanajana ny ankizy dia ny famelana azy hiaina manaraka ny natiora. Milalao,misakafo, mila esorina raha misy zavamaranitra eny antanany satria tsy mahalala izay handratra azy....ampahafantarina azy fa ny kiraro de ny ankavia ampidirina aminy ankavia ny ankavanana amin'ny ankavanana. Ny vavy sy ny lahy no manome zazakely.

Rehefa feno 18 taona izy dia manana ny safidiny. Azony tapahana tsy misy atank'andro ny filahiany(hatrany aminy fotony an , miaraka amin'ny retraretra :) ), ekeny fiarahamonina malagasy izany.

Toy ny hoe tsy afaka manohitra ny g=9,81 isika. Lalanan'ny natirora izany. Atsipy ny poma midina ambany. Atsipy ambony ny paiso midina koa. Atsipy koa ny rora de milatsaka eo aminy tarehany iny avieo. atoro azy izany.
Rehefa lehibe ra hivoaka aza izy ka ny fitombenany no ery ambony tsy olana intsony. Ary mino aho fa vitandry zareo kanadianina izany sady ho lazainy fa fandrosoana.

Raha sahala amiko izany dia tokony avela hiaina malalaka ny homosexuelle sy ny
zava-bokariny.
Tokony avela hiaina malalaka koa ny heterosexuelle sy ny zava-bokariny
Ny zazakely de produit avy amin'ny couple heterosexuelle dia tokony hajaina mijanona amin'ny couple hetero ihany. Raha hitariko kely izany. Ny mpitaiza ny zaza kamboty koa dia tokony heterosexuelle.

16. rhaj0 ( 26/04/2014 18:23)
Amiko aloha ny fitaizana dia zavatra hafa mihitsy. Na heterosexoaly vontom-pinoana sy masina indrindra aza ilay ray sy reny ao, dia mety ho lasa gaigy ihany ilay zaza... araka ny fitaizana azy tao.

Ataoko fa raha tsy hoe dia tena marary saina tena marary saina, tsy mahavita-tena (independent), ny olona iray vao tsy afaka ny hitaiza. Misy azany aty, ohatra, voan'ny bipolar disorder mbola mitaiza...

Rahefa ekenao fa olona "normal" toa anao ny homosexoaly, fa fotsiny, ilay filàny sexoaly dia mirona @ mitovy aminy, dia ... tokony ekenao kosany fa "normal" koa izy raha hitaiza.

17. rhaj0 ( 28/04/2014 12:25)
Ny fahazoako an'i Gasy20 izany dia arak'i Gasy20 dia tsy lalanan'ny natiora ny homosexoality.. sao kolotora (sy finoana) nitaizana an'i Gasy20 no tian'i Gasy20 lazaina.

Fa @ natiora, dia araka ny voalaza etsy ambony, dia na biby na olona dia nahitana fiainana homoseksoaly... koa na hoe hinia tsy ahita izany aza i Gasy20, dia... mivoatra re ny olona ry Gasy20 a... mety miha-mahita tsirony @ seksa anal koa ohatra ny olona ka dia .. eo ianao.. Ny akoho izao aza efa maniry nify ka dia (jereo eto)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278