Ary lasa aiza ny tranonkalan'ny Akademia malagasy??

1. tibao ( 01/03/2014 00:09)
Miarahaba,
Izao aho vao mahatsikaritra fa tena nanjavona tanteraka ny tranonkalan'ny Akademia Malagasy... na ra-google aza tsy mahita azy intsony... :/ Fa ahoana?
novalian'i Nav ny 17/02/2015 15:37
2. Longonao ( 20/11/2014 05:17)
Salama,
Toy va teanao horesahy io sa hafa?
Mazotoa longo
3. Nav ( 17/02/2015 15:37)

tibao:

Miarahaba,
Izao aho vao mahatsikaritra fa tena nanjavona tanteraka ny tranonkalan'ny Akademia Malagasy... na ra-google aza tsy mahita azy intsony... :/ Fa ahoana?

Nanana vala tranonkala 2 tokoa ny Akademia Malagasy: ny iray an'ny Akademia ary ny faharoa an'ny Foibe momba ny teny. Ity farany aloha dia efa ela no nofoanana. Fa iry voalohany no resahiko eto.
Amin'ny lafiny votoatiny dia efa misy vonona azo aseho fa misy olana ivelany anankiroa:
i) Ny Akademia moa sampan-draharaham-panjakana ary dia kely karama, tsy mahaliana ny "informatisianna" ka sarotra mihitsy no ahitana olona hitantana ilay vala web, efa miezaka ihany ka ity no tena somary sarotsarotra . . .
ii) Nisy olana hafa momba ny "opérateur télécom" satria hoe tsentsina be ny fifandraisana amin'iny faritra Tsimbazaza iny ka tsy mbola voavaha aloha hatreto (amin'izao hanoratako izao)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.199