DIDINA REHEFA HITERAKA

1. vonynive ( 21/02/2014 05:22)
miarahaba ny mpitsidika
misy ankehitriny ireo vehivavy no te hodidina rehefa hiteraka amin' izay hono tsy mandre maharary
novalian'i DAIKA ny 01/03/2014 09:03
2. mirananirina ( 22/02/2014 08:20)
Fa vehivavy inona loatra re izany eh? Raha miteraka ara-dalana ianao diafotoana fohy no maharary, ny ahy aloha dia nahafinaritra ahy ny manena namoaka ny zanako. Izany didina izany anie fa mijaly ianao andro maromaro na volana mihitsy aza mandrapikatona ny fery, hitsabo an iny isan andro sns! Tsy misy ohatra ny miteraka normal ihany
3. booboo ( 22/02/2014 10:17)
Mirana > zà indray nefa tadidiko mihitsy t@ izy mirahavavy zanako fa teo am-panena aho ni-grevy fa leo beeeeee nefa anie dia vetivety ny délivrance e :-D. Zà hody ho'aho mantsy an'ireo SF sy ny vadiko fa tsy te hiteraka intsony LOL.

Ny tena tsara indrindra alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra toy izany dia ny miresaka @ SF na ny gygy na ny psy ao @ Maternité klou. noho ny traumatisme n'ny accouchement teo aloha ? tsy fahafantarana ny raha ao anaty ao (misy mieritreritra hoe rehefa gros bébé na mbola tsy nivadika izy dia ho possible mihitsy ny VB sns) ? tsy miresaka césa noho ny antony ara-pahasalamana na toe-batana zà manaraka eto a, fa rehefa vonona ilay zaza dia en qq sorte izy no miteny @ vatan'ilay reniny hoe alefaso @ zay ny raha aby fa hivoaka aho, na mbola ao am-bohoka aza izy dia efa manana heviny (sa inona no filaza izany tsy haiko loatra), rehefa mi-s'engager iny @ izay izy dia ilain'ny vatan'ilay zazakely iny izy teritery iny. Diniho ange rehefa ohatra ka entina @ kiné na osthéo ny zazakely vao teraka iny noho ny antony marobe dia manontany foana ry zareo hoe nanao ahoana ny accouchement, dia rehefa manao manipulation @ zay zareo dia averiny @ alalan'ny fihetsiky ny tanana ilay izy tokony ni-s'engager araka ny tokony ho izy.
Marina fa vatantsika io ary isika ihany no hiaina izay fandehan-draha eo, na izany aza tsy resaka hoe miaritra contractions, manena, dia izay ihany ny hoe miteraka fa misy "resaka" ifanaovan'ilay zaza sy ny vatan'ny reniny koa ao. Momba tanteraka ny accouchement manaja ilay vhv sy ny zaza aho, marary foana ny foko mahita vhv tsy mba tompon'ny accouchement-ny akory fa dia sanatria toa any @ usine sy tsy olombelona ity manome aina...


4. sipagasy ( 25/02/2014 15:23)
tantaraiko ny niterahako ianareo,! : ny ahy moa izany dia no déclenchena ny fiterahana ka tena nahafinaritra beh mihintsy e! ary tsy naheno naharary aho hihihih fa @ tany an-tenatenany tany amboalohany tany tsy tena mbola nila ilay péridurale akory aho dia efa nikonaina nefa tsy naharary akory hihihi dia nikorapaka ny dadan'ny zaza hoe io fa mitaraina maharary fa haingana ianareo tsindromy @ izay izy, dia nahazo tsindrona fa na ny contraction 1 aza tsy henoko fa dia ny tambin'izay dia épisiotomie e! fa tataka kely fotsiny. Tonga t@ 8h30 maraina tao à toerana hiterahana aho ary t@ 15h15 no teraka ny zanako. Fa dia hafaliana ry reto ny manome aina ann, fa raha mbola azo atao dia aleo ialàna ilay césarienne e! tena tsy mahita izay atao ny vatantsika anie isika @ iny e!
5. ombelline ( 26/02/2014 16:04)
Aza miditra @ izany césarienne izany fa ny après mbola marary lavitra noho ny miteraka à voie basse . Sady marary no tsy afaka manao gym avy hatrany hampihenàna kibo
6. DAIKA ( 01/03/2014 09:03)

ombelline:

Aza miditra @ izany césarienne izany fa ny après mbola marary lavitra noho ny miteraka à voie basse . Sady marary no tsy afaka manao gym avy hatrany hampihenàna kibo

Aza mba maniry an' izany didina zany rehefa hiteraka fa araho ny lalanan' ny zava-boary. Za zao tamin' ny niteraka efa nanena elaela fa tsy nety nande mintsy le zaza, efa nalaina tamin' ny ventouse fa tsy nety, fa rehefa lany aika ny dokotera vao nandray fanapahan-kevitra hoe didina aho. Misy fiantraikany aminao foana iny satria na ny mémoire aza dia misy perte be vokatry ny anesthésie. Ianao koa tsy maintsy mitandrina foana tsy manao zavatra mafy satria sao de mivaha ny zaitra. Fa tandremo fa nisy olona nodidiana ary 10 taona taty aoriana mbola tataka ilay nodidiana. Fa raha vehivavy ianao dia raiso ho reharehanao izany hoe sahy miteraka izany fa tsy vitan' ireo lehilahy izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2795