MOMBA NY ALLOCATION CONGé

1. mpisotrtoaka ( 20/02/2014 10:22)
Ny lalana raha ny fantatro dia misy article milaza fa tokony ahazo io daholo ny mpiasa ! Ny mahalasa ny saiko d misy mpiasa amin'ireo secteur privée ireny tsy afaka maka congé mihitsy sady tsy mahazo allocation izany fa miasa foana mandavan-taona ! Ahoana sy ahoana ny momba izay ?
novalian'i sahia ny 03/07/2014 04:09
2. valisoa74 ( 20/02/2014 12:21)
tokony manana droit de congé 1 volana daholo ny mpiasa rehetra fa arakaraky ny orin 'asa fotsiny no andaminana azy , misy ohatra tapa-bolana congé individuel d ny tapabolana congé collectif,misy tonga 1mois ny individuel
3. tôlédo ( 28/02/2014 00:33)
Manan-jò hisitraka "fialan-tsasatra" ny mpiasa rehetra.
[Les employés ont le droit de pleinement jouir de leur droit au congé].

Tsy azon'ny mpampiasa lavina velively izany zò omena ny mpiasa izany.

Izao fotsiny: raha ny fahalalako azy, dia tsara raha ampahafantarina an'ny mpampiasa mialoha (amin'ny voalohan'ny taona - ohatra) ny fikasanao hisitraka izany "congé" izany, mandritry ny taona ho diavina.

Ny "congé" tokoa mantsy dia angatahana amin'ny mpampiasa. Ary ny mpampiasa no mandamina sy mandrindra ny fandehanan'ny mpiasa amin'izany "congé" izany: tsara raha fantany hoe "iza" no mandeha amin'ny fotoana "oviana", ary oviana no hiverina miasa.

Ny fombantsika matetika dia hoe haka congé aho rahampitso ka androany no hangataka "congé". Samihafa ny "congé" sy ny "permission".
4. mpisotrtoaka ( 11/04/2014 11:40)
Ka mtady hanao antery le namako haka ny droit de congé-ny fa tonga hono d voaroaka d matahotra izy !
5. sahia ( 03/07/2014 04:09)
Fampahatsiahivana kely ho an' ny mpiasa ts11 aloha fa ny congé dia 2jrs 1/2 isakin'ny mahavita ny asa 1mois, ireo no mitambatra ho lasa 30 jrs ao anatin'ny heritaona. Tokony manan izany ZO izany daholo rehefa olona miasa rehetra. Araka izany tsy afaka maka congé mihitsy raha tsy mahavita ny heritaona ilay mpiasa, izao kosa anefa raha sanatria miala amin'ilay asany ilay mpiasa alohan'izay heritaona izay dia TSY MAINTSY HALOAN'ny mpampiasa azy ny droit de congé-ny mifanandrify amin'ny fotoana niasany tao. Manana zo tsara hangataka congé ny mpiasa araka ny fotoana mety aminy sy ny fandaminana ny asany, mazava ho azy, ary tsy azon'ny mpampiasa atao ny mandà izany. Tsindriako entoana fa tsy tokony hanao bontolo kosa anefa rehefa mba mangataka ilay congé satria mba mila fifandaminana eo amin'ny lafin'ny asa. Tandremo fa ho an'ireo mpiasa tsy mety maka ny congé-ny indray dia TSY AZO ATAO ARAKA NY LALANA ARAK'ASA NY MIVAROTRA IZANY CONGE IZANY fa tsy maintsy mivoaka congé ihany. Raha sanatria ilay mpiasa tsy nivoaka congé nandritra ny telo taona dia tadidio fa VERY MOMOKA HO AZY ILAY CONGE MITONTALY 3mois izany hoe expiré ho azy. Ka manentana ny mpiasa mba samy hanararaotra haka ny congé fa manjary heri-po very maina fotsiny ny ron-doha lany nampandrosoana ilay orinasa niasana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1442