Sôva

1. vahiny2004 ( 15/02/2014 13:22)
Miarahaba ô !

Sao mba misy mahita site misy karazana sôva malagasy ? Nianarana t@ T7 - T8 (5ème - 4ème) izy ireny fa tsy misy tadidiko intsony ka mba te hiverina hamaky azy.

Sôva momba ny vato
Sôva momba ny amboa

eto izao tonga saina hoe inona moa izany no ifandraisan'ny sôva sy ny vakisôva ?

Misaotra mialoha
novalian'i Aminata ny 03/06/2023 12:38
2. 5laody ( 17/02/2014 09:54)

[quote=vahiny2004]
Miarahaba ô !

Sao mba misy mahita site misy karazana sôva malagasy ? Nianarana t@ T7 - T8 (5ème - 4ème) izy ireny fa tsy misy tadidiko intsony ka mba te hiverina hamaky azy.

Sôva momba ny vato
Sôva momba ny amboa

eto izao tonga saina hoe inona moa izany no ifandraisan'ny sôva sy ny vakisôva ?

Misaotra mialoha
[/quote
Salama aby,

Any anaty boky angamba no tena ahitana azy ireny. ( literatiora malagasy isam-paritra), tsy fantatro raha mbola manao ireny ny ankizy amin'izao fotoana. Andramo tadiavina ny bokin-tsekoly fahiny e!

karazana kilalaon-teny hamaritana zavatra na biby na olona iray izy io, toy ny tononkalo tanisaina. Eo koa ny rija betsileo ary ny avy any amin'ny faritra maro hafa, tadidiko io satria t@ nanala CEPE aho dia nisy fanontaniana tsy voavaliko ary nony nanontany avy tao amin'ny fanadinana dia hoe rija betsileo ny valiny.

misy lasa tononkira ilay izy, ary fampisehoana maromaro misy sôva angamba no atao hoe vakisôva. Misy ifandraisany amin'ny vako-drazana ve?

santionany:
(tsy sôva io fa mitovitovy amin'izay ilay heviny)

Ny masonaze arahim-bolamena,
ny nifinazy e, araham-bolafotsy,
ny volonaz e karaha pôstiche e,
ny nononazy e... MALEMILEMY E!

ALEFA PARSON E !!!!!!
3. vahiny2004 ( 17/02/2014 10:08)
5laody:

Misaotra anao t@ vali-teny, ny kahié angamba tsy ho hita intsony fa efa ela izany . Efa nahazoazo taona mantsy izao :-)

Ny "slam" koa ary ve mitovy karazana @ sôva ?

4. 5laody ( 19/02/2014 19:48)

Ny "slam" koa ary ve mitovy karazana @ sôva ?

Samy manana ny maha-izy aza angamba, amin'ny sôva mifantoka amin'ilay zavatra faritana: ohatra izao raha sôva momba ny omby izy dia toa ankamantatra kely daholo ny tonony ary ny valiny dia omby na ny manodidina azy.
ny tandrony toa...
ny masony toa voakanety,
ny rambony toa ...;

ny slam somary mivelabelatra ary mety mikasika zavatra maro

iony tanànan-la
tanànan'ny mpanala azy,....

Fa ny tonon'ny slamn' i grand corps malade hono toa ampiasaina any am-pianarana.

mahazotoa e
5. Aminata ( 03/06/2023 12:38)
Salama aby ee. Azafady, inona moa maha samy hafa sôva sy vakisôva ? Misaotra antsika joaby.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0534