Asa fa tsy kabary

1. saho ( 11/02/2014 15:18)
Asa fa tsy kabary, asa fahaizana isankarazany, izay tsy mahay @#$%& sobika mahay fatambary hoy ny ntaolo

atao lisitra ny asa isankarazany
asa fambolena sy fiompiana
asa mahaleo tena (mpitsara, dokotera isankarazany, mpanera, fitaterana, fivarotana, hotely sns...)
asa tsy mahaleotena (mpiasa orinasa isankarazany, mpiasampanjakana dia ireo mpiasa mpampianatra sekoly ambaratonga ambony sy ambany, polisy gendarme mpiasa biraompanjakana etsy sy eroa, mpiasa madinika)
ireo Asan ny mpamorina asa (orinasa isankarazany: mpamokatra menaka, savony, siramamy, lamba fitafy, ireo mpanangona vokatra etsy sy eroa hahodina vita malagasy toa tiko taloha sns.., orinasa serasera Telefon Internet Radio gazety sns.)
ireo manana trano sy tany ary mampanofa izany
ireo mpanorina asa vaventy hitako izao dia ny resaka fiaramanidina sy ireo mpanao hotely sy Restaurant eraky Gasikara ary ireo mpandradraka harena akibon ny tany toa mineraly sy ireo vatosoa ary uranium sns....)

Fanasokajiana ny asa misy ao Amin ny firenena iray no tena hitako hoe inona no asa misy sy azo atao any Gasikara

Ny asa tsy misy any Gasikara hitako izao, dia ny asa Ingenieur ambony manamboatra tetezana sy manamboatra lalamby ary ireo manamboatra lalana lasan ny Compagnie vahiny ny mpanamboatra ireny ary toa tsy misy mihitsy aza noho ny antony krizy teo aloha
Ny asa tsy misy koa dia ireo Ingenieur mpikaroka mahafantatra ny tontolo iainana (manatsara ny lalandrano sy lalan ny koriana zavatra maloto rehetra ambanin ny tany any
Ny asa hitako tsy misy koa dia ny resaka fanatsarana ny fiainana andavanandro toa ny famokarana herin aratra, fisian ny rano paompy fisotro etsy sy eroa, ary ny sakafo fividy voaloan ny tsirairay

Ny asa be mpanao, dia dadarabe fandehanan ny malagasy sasany sy Pasitera ho an ny fiangonana feno be dia be rehefa alahady etsy sy eroa, tsy manenjika za fa ny tsy fahampian ny kolikoly koa no antony voalohany tsy hahaizan ny olona miaina sy antony fahantrana fahaizana ahazoana manatsara ny fiainana andavanandro
Maro ireo asa tsy voatanisako eto fa antsika no misafidy sy mamorina vaovao, ary ny fikarohana momba ny asa dia mora foronona rehefa ampy fanadiadiana anaty tranomboky izay mitahiry ny fahaizana mitondra sy mampiantra izany, aiza ho aiza zao ny farimpahaizana fitahirimboky malagasy ankehitriny
2. zazabel ( 17/03/2014 12:03)
Misy ireo ingenieur reo ka, ny zandriko zao nanao Hydraulique teny am'Polytheque Vontovorina mahay sy manao momban'ireo lalana, sy lalan-drano ireo..

Zany hoe mila declic le izy, mila mi-propose ny asa hatao fa betsaka tokoa ny azo atao, ary afaka atao...

Ny olana misy mantsy dia soumission de projet no iasana zao, tsy ny olona (na ny filana) no mamaritra hoe misy an'zao afaka atao dia andeha hitady izay "moyen" afahana manao azy. Fa ny finacement aloha no eo (avy any ivelany mazava ho azy) d zay vo mikaroka ny ministera hoe inona no projet ataotsika ahazahoana sy azahoana mandany io financement io, dia lasa tsy mivelatra le lahasa ataon'ministera, safosafona ny probleme fa tsy ny fond no tena imasoana, zay ahazoana financement ihany no atao fa izay tsisy dia avela eo, tsy itadiavana fomba hafa ny hanatanterahana azy...

Zay no mahatonga an'le resaka rano zao ohatra, tsy mivoatra mintsy satria mise en place de borne fontaine no financer-nbailleurs, d manodidina an'zay daholo ny asa ataon'Ministere tsy misy hoe famoronana barrage na grands travaux zany mints fa asa majininika mitsipotipotika, tsisy politique mazava fa manaradrenirano an'zay financement.

Nefa betsaka ny possibilite

Inona ary le sosokevitrao asa fa tsy kabary (concretement) fa mety ho vonona ny hifanampy anao am'zany aho (sy ny hafa, mila taomina fotsiny ry zareo fa maro no vonona fa tsy sahy manomboka) ka lasa be miverina be kabary ;-)

3. saho ( 17/04/2014 21:12)

Asa fanjonoana adinoko Amin ireo fitanisana asa maro samihafa, asa fanaovana trano koa angambany na asa fanaovana lalana sns...

Be dia be ireo asa maro isankarazany fa izay tsy voatanisa eto gambany azonareo antsaina na soratana eto

raha tsy efa lasan ny Mamba be ny sisintany malagasy nifanakalozana vola millions euros an ny firenena europeen, maka ny trondro eny sisintany malagasy, mpamarotra tanindrazana mihitsy radomelina lavanify nandritra ny fotoana naha teo azy, sady tsy voafidimbahoaka no be mokondoha be

Karazana sambo firy zao no mitrandraka ny trondro malagasy sarobidy ao, dia ahoana ny famerenana ny fifanarahana tokony hahemotra, mijaly ny mpanjono tompontany malagasy, voafetra sy voangeza tsy afaka mahazo trondro maro, kanefa taloha antompivelomana

Asa fa tsy kabary
Mirary paska finaritra 2014
4. Fitokisana ( 03/06/2014 11:35)
Mahafinaritra ilay fanakianana! Be dia be ny zavatra tokony hovaina... Fa aiza le soso-kevitra hampiova ireo olana ireo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2233