marina ve fa miteny ny maty ?

1. rabaradaka ( 07/02/2014 11:29)
Marina ve fa misy olona mahay miresaka amin'ny maty ? Misy olona izay mantsy namosavian'ny olona no nahafaty azy hoy ny haany, dia nasiana zavatra tao am-bavany (efa maty io an) dia avy eo nikôzy hono ilay maty ?
novalian'i tiris8786 ny 04/08/2015 16:42
2. Nehemiah ( 07/02/2014 13:08)
Milaza ny tenin'Andriamanitra fa tsy mahefa inona na inona ny maty, na tsara na ratsy. Ka ny kristiana aloha dia tokony mahafantatra fa asan-devoly mpamitaka olombelona ireny
3. neiar ( 13/03/2014 13:40)
Hoy ny Mpitoriteni 9:5: "Fa fantatrin'ny Velona fa ho fati izi. Fa ny mati kosa tsi mahalala n'inona n'inona. (....)Adino izia nahatsiarovana azi". Midika izani fa tsi afaka miteni, si tsi afaka manao ratsi ,na manasoa ny mati. Rhf mati dia lasa vovoka, rha miteni ny vovoka dia miteni ny mati.
NY ambadika zai rh hisi ari, dia Demonia indrai no mampihorohoro ny sain'ny olona.

Aza tonga dia mibaradaka enao rabaradaka fa mivavaha alohan'ny zavadrehetra. :D
4. rabaradaka ( 19/03/2014 06:52)
asio vavaka kely ary neiar a !
5. neiar ( 19/03/2014 10:55)

rabaradaka:

asio vavaka kely ary neiar a !


Ok ari. vetiveti ari aloha anomana a
6. rabaradaka ( 16/05/2014 12:15)
tantara iray tany Antalaha ity : niantso razana ry zareo mpanao tromba, tsy nety tonga ilay razana iray, natsoina ka tsy tonga mihitsy, hay izy ity anisan'ireo very taolam-balo tamin'ny vaky fasana,ny taolana lava rehetra any Chine fa ny karan-doha sisa no ao am-pasana. Tena zava-nisy ity, sady mapme no mahalasa eritreritra.
7. sahia ( 21/05/2014 12:25)
Zah aloha mbola tsy nahita fa kosa nisy nitantara an, tsy izany fa izao: ny Dadanay dia maty nisy namono(resaka criminelle), ny ankamaroan'ny havany (havan'io Dadanay io) saiky mipetraka lavitra be daolo, hany ka nisy ny nahazo fampandrenesana avy hatrany ary nisy ny elaela vao nahare, tamin'ireo havana elaela vao nahare ireto anefa no niteny taminay fa TOKONY NAMPANDRE HAINGANA azy reo hono izahay MOMBA NY NAHAFATESAN'ILAY RAINAY (ny antony nahafaty azy no tiany ambara) fa efa fotoanan'ny fandevenana mantsy vao tonga ry zareo, ka hoy izy ireo hoe TSY METY INTSONY RAHA IZAO VAO ATAO, inon ilay tiany lazaina ....???? Misy fombafomba saika hataondry zareo hono dia hoe MITENY NY ANARAN'ILAY OLONA NAMONO AZY ILAY RAZANA raha tojo ara-potoana ka nahalala ny antony fa novonoin'olona izy. Ka asa aloha hoy aho izay tena fahamarinany fa dia tsy afaka natao tamin'ilay Rainay moa ilay izy!!!! fa hoe tara loatra.
8. courriel772 ( 25/11/2014 17:54)
mahagaga izany. Tsy mbola nahita na naheno aloha hatramizao. Izany hoe efa maty izany ve mbola hisoka-bava ? fa ao raha. Misy hery miafina ao na koa ilay velona no manao zavatra hafa mba hitenenany. Sady manahirana no mampitahotra na ny haheno an'izany aza. Aleo ihany ilay maty mangina miadana ao (en paix hoy ny fitenenana).
9. tojonjanahary ( 09/07/2015 07:18)
Ny malagasy taloha nge mahay mresaka @ maty e!!
10. tiris8786 ( 04/08/2015 16:42)
an an an aleo tsy miditra lalina fa tsy lasa. Ny resaka tromba etc. indray dia mbola zavatra hafa ary efa nahazatra ny mponina any amin'ny faritany mihintsy io no faheno matetika hoe rehefa maty ilay olona dia miditra amin'ny velona anankiray izay havany eo. Araka ny voalaza eo ambony moa dia mety misy hery miafina tokoa izay ka aleo hihidy ihany ny varavaran'ny maty fa asa kotabaisina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2047