fanasana namana mbola tsy namana ato @ serasera.org

1. vonynive ( 04/02/2014 10:01)
ahoana ny fanasana namana mbola tsy namana ato @ serasera.org hiditra ho namana, izany hoe @ mail ?
novalian'i andrywui ny 13/03/2014 15:25
2. hery ( 04/02/2014 21:42)
Nisy an'izay tato taloha - Ampitampitao no anarany - fa nesorina fa be mpanao abus :-) dia bloqué tsy afaka nandefa email intsony ny serveur.

Fa andraso fa tokony ho azo atao indray.
3. andrywui ( 13/03/2014 12:57)
innn le abus niseho ??

tsy ny oul betsaka miditra ary ve no tsara ??

sao de tsy nahaloa facture ny havana ? huhuhh
4. vahiny2004 ( 13/03/2014 14:45)
Aleo qualité toy izay quantité . Aleo vitsivitsy tsaratsara toy izay be tsy andraofana
5. hery ( 13/03/2014 15:01)
ie, kely samy mandray anjara no tsara.

andrywui> aleo hiditra amin'ny nahim-pony ny olona fa ilay terena be hiditra amin'ilay fanasàna namana tsy dia mamely. Afaka asaina manokana any ambadika any izy (amin'ny email sns) fa tsy asaina amin'ny alalan'ny site.

Ilay abus niseho, nisy bandy akama nanao fanasana imbedabe tamin'ny adiresy bedabe (fictifs ny ankamaroany) dia nandefa email be dia be ny serveur dia nanao retour erreur daholo ny ankamaroany dia lazain'ny hebergeur hoe manao spam dia no-bloquer-ny ny fandefasana email.
6. andrywui ( 13/03/2014 15:25)
Hay ve e ,, grav zany ry hery . Ny ao amin Facebook ndray ra mi invité ( mi ajouté) oul betsaka nefa le oul tsy nanaiky ( tsy ni accepté) tonga de apôkany iny conte nao iny .

- akama iry , akanga maro tsy vakin'amboa , tonga namana ve vao mavomavo , aza miala amin'ny maro fa ze mitambatra vato , tsisy afatsy ny tsy manavatena ra mbola eto antany . Tondro tokana tsy mahazo hao . Akanga maro bla bla bla etc etc ....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1497