fanalalahana ny fitazonana basy

1. vonynive ( 22/01/2014 10:00)
miarahaba antsika mpamaky
resadresaky ny sendra tafaray lalana no entina eto
namana iray avy any anindran-tany no nitaraina fa voaarom-paosy teto amin'ny faritra 67 ha ka very vola ary tsy nisy namonjy fa nitazampotsiny ny manodidina
tsy misy mamonjy hoy izy ny eto antananarivo satria matahotra ny mpanao ratsy ny olona, ary matahotra ihany koa ny mpitandro filaminana satria tsy azo kasihin-tanana izay meloka fa tsy maintsy miandry ny tompon'andraikitra
izay no olana eto Antananarivo hoy izy, tsy ampiharina ny lalàna ka manjaka ny tsy filaminana! fa any aminay any dia tsy misy ny mpanao ratsy satria manana basy ny ankamaroan'ny mponina, tsy mampaninona anay ny mandany vola @ fividianana basy toy izay mandry andriran'antsy, vahaolana mba hisian'ny fandriampahalemana hoy izy ny fanalalahana @ fitazonana basy rehefa tsy hanao ny asany ny manampahefana
2. hery ( 23/01/2014 10:39)
Angamba kosa ny fanamafisana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana no tokony hilofosana.

Ny fanalalahana ny fitazonana basy dia mila asa avy amin'ny fanjakàna. Ka raha samy tsy maintsy hiasa ihany maninona no tsy miasa ho an'ny fandriam-pahalemana?

Inoako mihitsy fa manana teti-bola matanjaka afaka mahazaka ny fitandroana filaminana ao antoerana ny fanjakana saingy mihodina amin'ny fipasohana politika ny akama isankarazany ny vola ka tsy ampy.

3. vonynive ( 30/01/2014 09:06)

hery:

Angamba kosa ny fanamafisana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana no tokony hilofosana.

Ny fanalalahana ny fitazonana basy dia mila asa avy amin'ny fanjakàna. Ka raha samy tsy maintsy hiasa ihany maninona no tsy miasa ho an'ny fandriam-pahalemana?

Inoako mihitsy fa manana teti-bola matanjaka afaka mahazaka ny fitandroana filaminana ao antoerana ny fanjakana saingy mihodina amin'ny fipasohana politika ny akama isankarazany ny vola ka tsy ampy.



miombonkevitra aminao koa za fa tena miankina tanteraka @ fanjakana izany : dia ny fitandroana ny fandriampahalemana ary indrindra ny fampiharana ny lalàna fa rehefa tsy handray ny andraikiny moa izy dia tsy maintsy ny tsirairay no mitady vahaolana ko !
4. mirananirina ( 04/02/2014 20:21)
Ohatra ny mba tsara izany mitazona basy izany an! Mandry ny saina raha misy mamono na manendaka eo aho dia apoako ity lol
5. Lesla ( 27/03/2014 19:02)
Any usa anie ka malalaka ny fitazomana basy e....kanefa mbola misy foana ny vono-olona sy ny fandrobana...ka ahoana ny hevitra?
6. andry 1000 ( 13/04/2015 06:19)
aleo angamba tsy omena basy ny eto dago fa de rà mandriaka no hita eto e! ny mpanendaka sy jiolahy koa nie amin'izay mety hanana basy e! sady mila manana maîtrise de soi zany e!! ny gasy anie olony fo e!! ny force rehetra ngamba no tsara etsehina, ohatra gendarme, police, tsy maninona koa raha mety mba ampiasaina ireo miaramila be dia be ireo, omena formation de atao misambotra jiolahy fa madagasikara tsinona tsy misy ady de mba miady aminy fandriampahalemana e!
7. matehotia981 ( 13/04/2015 06:32)
Tsy mety amintsika eto ny mitana basy fa sao de ny vady aman-janaka no voatifitra eo raha misy ny fifamaliana ao an-trano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.115