History of madagascar

1. saho ( 20/01/2014 16:10)
Salama jiaby,
ahoana toa tsy mba hahitana tantara na histoire momba ny firenena Gasikarantsika ato
Nanomboka tamin ny taona 1896 no tafiditra ny misionera eurôpeana
Ahoana ny talohan io taona 1896 io, tantara mpitondra nentin ny Mpanjaka nisesisesy
Tantara tamin ny andron ny 2e guerre mondiale nandraisan ny teratany malagasy nanampy an i lafrantsa sns namoy ny ainy ho an ny Lafrantsa kanefa tsy misy valiny ho an ny taranaky ireo namoy ny ainy tamin izany fotoana izany
ireo fomba fanavahana manokana ireo taranak i Jodasy namadika an i Gasikara ary hahitana fialofana ao lafrantsa ny taranaky i jodasy, misy izany Archive izany tsy azo kintikitihina fa secret hono le Archive, tantara mikasika ireo teratany malagasy namadika atao hoe jodasy, izay harovan ny firenena lafrantsa hatramin izao ireo taranaka faramandimby sns...
ireo ady samihafa niseho tamin ny taona 1947 niantomboka tao moramanga, partie MDMRM, VVS sy ireo mahery fo isankarazany
taona 1960 fahaleovantena Malagasy
taona taty aoriana, nandohalika teo anatrehan ny Lafrantsa hatramin izao, ohatrany tsy misy fiovana mivaingana ankoatra ny nitondran i ra8 ireo nitondra nisesi2 teo
tena mba asio tantara moa e, na dia lazaina erantany aza fa hoe firenena vaovao madagasikara etsy sy eroa, kanefa efa nisy ela be fa mbola indirect colonie lafrantsa foana
Hafa ihany le ra8, tiako enao ra8 fa mba enga anie ka hisy foana ny olona toa anao
Ho anareo manana ambara aoka hanambara izay fantatrareo sy manana fahamarinana
misaotra antsika e

novalian'i milamm ny 02/04/2014 12:18
2. sitlo ( 21/01/2014 07:53)
Tsy haiko aloha ny rehetra fa iray ihany ny gasy hitako maso ka hoe niady tamin'ny 2eme guerre mondiale izany.

Tany ambanivohitra be tany izy. Fa izany tena mbola sain'olona mpanjanaka mihitsy. Manana zo hanana basy izy ary malaza fa efa namono olona im-betsaka. Ny gendarme tsy mahasahy mikasika azy na kely aza fa toa hoe tsy azo gadraina izy. Sady na migadra aza ve iny tsy rahampitso dia mivoaka.
Mbola miantso olona ho esclave izy indraindray. Manana nationalité frantsay izy ary mandray karaman'ny beantitra tamin'ny guerre mondiale mitovy amin'ny frantsay, sady amin'ny euro, nefa tena vola be mihitsy izany any ambanivohitra any. Tsy miteny gasy izy ankohatra ny amin'ny zokiolona mitovitovy taona aminy. Tena mpanjaka kely mihitsy izy eo amin'ilay tanàna kely. Rehefa mandeha izy dia misy olona mitondra ny entany ao aoriana. Frantsay tamin'ny fanjanahantany no tsy hitako.
3. saho ( 21/01/2014 08:58)
sitlo>zay zany no fahalalanao
misy Archive ao fb misy hoe madagascar hier, sns...
zahay nitsangatsangana teny sisiny, ao faritra Elsace misy fasana fahatsiarovana ny miaramila niady tamin ny 2e , dia nisy anarana gasy maromaro hitanay tao, manomboka Ra.....
tena hita maso io fa tsy forononina
betsaka tokoa ny malagasy maty tamin 2e ady, fa raha tsy marimpototra ny lazainao dia aleo tsy miteny, ary aza mamorona
mazotoa daholo
4. sitlo ( 21/01/2014 09:29)
Inona moa no antony amoronako an'izany? Ary izaho tsy niteny mihitsy hoe tsy betsaka fa iray fotsiny hoy aho no fantatro.
Ralaimongo ohatra izao dia efa anisan'ny malagasy niady tamin'ny guerre mondiale.

Ianao mitady tantara dia mba omena ny zavatra hitako dia ianao indray no avo vava. Reveo eo ny anao, ary mba ampiasao ny saina amin'ny manaraka.
5. saho ( 21/01/2014 14:58)
https://fbcdn-sphotos-e-a.akamaihd.net/hphotos-ak-frc3/t1/q81/s720x720/1545591_10151903719191099_820913132_n.jpg
6. saho ( 21/01/2014 14:59)
https://fbcdn-sphotos-h-a.akamaihd.net/hphotos-ak-prn2/t1/s403x403/1533743_10151854213987823_641989798_n.jpg
7. saho ( 21/01/2014 15:00)
https://fbcdn-sphotos-h-a.akamaihd.net/hphotos-ak-prn2/t1/s403x403/1533743_10151854213987823_641989798_n.jpg
8. endriny ( 14/03/2014 19:12)

saho:

Salama jiaby,
ahoana toa tsy mba hahitana tantara na histoire momba ny firenena Gasikarantsika ato
Nanomboka tamin ny taona 1896 no tafiditra ny misionera eurôpeana


Sao dia hoe tamin'ny 1896 no nanomboka ny fanjanahana, satria ry Flacourt 1620 , ry Robin 1700 dia efa misionera taty Mada, ry Ellis, ry Wiliams
9. milamm ( 01/04/2014 16:10)
Akory jiaby, anisany jodasy tsy azo fafana @ tantara le rasanjy hovalahy tsimahafotsy 14 voninahitra nanolotra ny mpanjaka sy printsy Ratsimamanga, Jeneraly Rainandriamampandry an'ny frantsay
10. milamm ( 02/04/2014 12:18)
ao koa rafilipo namany rasanjy mpamadika izay tena tsy natokisany P.M Rainilaiarivony, ny tantaran'ny Andriana eto Madagasikara no boky anisany naharakitra betsaka talohany fanjanahantany angambany ny tantara arapinoana, politika na toekarena sns ary ireo diary samihafa noraketany misionera na britanika na frantsay.
Ao koa nefa ireo gazety Malagasy mitahiry lahatsoratra t@ zany toy ny,
. Ny sakaizany ankizy madinika 1878-1883 FFMA no manana tahiry izy io
. Ny mpanolotsaina 1877-1955 ny rakitry ny fanaovangazety Malagasy no manana tahiry azy io na Bibliotheque Nationale ihany koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3016