Tsy fahaizana teny gasy

1. Nehemiah ( 15/01/2014 15:57)
Maninona ho'aho no tsy mahay manavaka ny manatona sy ny manantona ary ny androany sy ny anio intsony ny gasy ankehitriny e ?
novalian'i Nehemiah ny 18/01/2014 10:13
2. booboo ( 16/01/2014 08:04)
Rehefa mahita "manantona" aho nefa "manatona" no tian'ilay olona tenenina dia any an-tsaiko any aho miteny hoe " ahantony @ noeud coulant e !".
Mbola misy koa aza ny samy hafa sy samihafa, aoriana sy ao aoriana sns. Rehefa miresaka ilay izy mba lefilefy ihany fa rehefa vakiana tena mahavery.

(ampanaovy soratonina matetika ny kilonga ry zareo a :-°))
3. hery ( 16/01/2014 09:02)
Misy mahay ihany ka. Betsaka ny mahay manavaka ny manatona sy manantona. Fa misy koa ny kentsona mihitsy e :-) manisy "n" n'aiza n'aiza.

Mihitsy izao tsy misy "n" nefa misy manoratra hoe "mihintsy"
4. vahiny2004 ( 16/01/2014 15:20)
Hita n'aiza n'aiza sy amin'ny teny rehetra io ka , ny frantsay koa betsaka ohatra ny tsy mahay manoratra tsara ny teny frantsay .

5. 5laody ( 17/01/2014 10:30)

hery:

Misy mahay ihany ka. Betsaka ny mahay manavaka ny manatona sy manantona. Fa misy koa ny kentsona mihitsy e :-) manisy "n" n'aiza n'aiza.

Mihitsy izao tsy misy "n" nefa misy manoratra hoe "mihintsy"


Salama aby e,

firifiry amin'ny olona manana fomba fanononana diso no manoratra zavatra marina?tsy fantatra ry zareo na badalela na manao fanahy iniana na izay no henon'ny sofiny isan'andro lava izao ka raisiny ho marina.

"tsonjo lena sy voandrobory", "Androndrobe Ivanjy e!" etretsa etretsa....;
6. Nehemiah ( 18/01/2014 10:12)

hery:
Mihitsy izao tsy misy "n" nefa misy manoratra hoe "mihintsy"
Iny marina nadinoko :-)
7. Nehemiah ( 18/01/2014 10:13)

vahiny2004:
Hita n'aiza n'aiza sy amin'ny teny rehetra io ka , ny frantsay koa betsaka ohatra ny tsy mahay manoratra tsara ny teny frantsay
Ie, indrindrindrindra ny fanavahana ny futur simple sy ny conditionnel, ny hoe "un espèce de..." nefa "une espèce" no izy, ary ny etc ataony hoe "eksétéra" :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3436