Fifidianana - Bianco - Kolikoly

1. Maranatha ( 13/01/2014 11:29)
Vita ny fifidianana, re tao anatin'izany fa misy nangala-bato, izany hoe namadika ny marina ho diso. Tsy maintsy nisy resa-bola tao anatin'izany nomena ireo ho takonana ny masony, izany no hatao hoe manao kolikoly hoy ny soratra masina Eksedosy 23: 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina.

Izao anefa vita ny fifidianana nilaza na ny andaniny na ny ankilany fa nisy nangala-bato tao. Aiza ary ilay Bianco??? sa rehefa avo lenta be toy ireny dia tsy mihiditra mihintsy ry zareo sao very kapoaka eo????

Sa rehefa ny polisy na ny zandary no misy manolotra kely eny andalana eny dia tezitra sy miady ry zareo??? fa rehefa ny toy izao dia jerem-potsiny ?????

Izao no tena ilaina azy ireo mba hanehoana fa tany tan-dàlana i M/car sady isany miady @ kolikoly .

Raha tsy misy andraikitra raisiny tamin'io fifidianana io dia tsy hita izay hilaina io rafitra io fa mandany ny volam-bahoaka fotsiny. tokony ho foanana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812